fa izy no nanapaka ny tany rehetra an-dafin’ny ony, hatrany Tafsà ka hatrany Gazà, dia tamin’ny mpanjaka rehetra an-dafin’ny ony, ary nandry fahalemana izy tamin’izay rehetra nanoa azy hatraiza hatraiza.
2Tantara 14:6 - Baiboly Katolika Izao no nolazainy tamin’i Jodà: «Andeha haorintsika ireo tanàna ireo, hasiantsika manda manodidina, tilikambo, vavahady ary hidiny, fa mbola tsy voahidy ny tany anatrehantsika, fa efa nitady an’i Iaveh Andriamanitsika isika; nitady Azy isika, ka nomeny fiadanana isika amin’ny manodidina rehetra.» Dia nanorina izy ireo ka nahefa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy izy tamin’i Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady misy hidiny raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady NY TOMPO Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika ka nanome antsika fiadanana amin’ny manodidina Izy. Dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara. DIEM PROTESTANTA sady niteny tamin’ny Jodeanina hoe: –Ndeha hohamafisintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika manda manodidina ary koa tilikambo sy vavahady mafy hidy, satria mbola eo ambany fitondrantsika ny tany. Ny TOMPO Andriamanitsika manko no efa notadiavintsika; eny, nitady Azy isika ka nomeny fiadanana amin’ny sisin-tany manodidina. Dia nohamafisin’ny Jodeanina ireo tanàna ireo ka tontosa tsara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara sady niteny tamin’ny Jodeanina hoe: –Ndeha hohamafisintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika manda manodidina ary koa tilikambo sy vavahady mafy hidy, satria mbola eo ambany fitondrantsika ny tany. Ny TOMPO Andriamanitsika manko no efa notadiavintsika; eny, nitady Azy isika ka nomeny fiadanana amin’ny sisin-tany manodidina. Dia nohamafisin’ny Jodeanina ireo tanàna ireo ka tontosa tsara. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy tamin’ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika mànda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an’i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin’ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara. Malagasy Bible Dia hoy izy tamin'ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an'i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin'ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara. La Bible en Malgache Fa hoy izy tamin’i Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady misy hidiny raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady NY TOMPO Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika ka nanome antsika fiadanana amin’ny manodidina Izy. Dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara. |
fa izy no nanapaka ny tany rehetra an-dafin’ny ony, hatrany Tafsà ka hatrany Gazà, dia tamin’ny mpanjaka rehetra an-dafin’ny ony, ary nandry fahalemana izy tamin’izay rehetra nanoa azy hatraiza hatraiza.
Hoambinina ianao amin’izay, raha manampò tokoa ny hanaraka ny lalàna amam-pitsipika nandidian’i Iaveh an’i Môizy ho an’i Israely. Mahereza ary matokia fa aza matahotra na manam-badi-po.
Fa indro hisy zazalahy haterakao, izay ho lehilahy miadana, homeko fandriam-pahalemana, eo anatrehan’ny fahavalo manodidina azy, fa hatao hoe Salômôna no anarany, ary homeko fandriam-pahalemana sy fiadanana i Israely amin’ny androny.
Nahafaly an’i Jodà rehetra erỳ izany fianianana izany, satria nianiana tamin’ny fony rehetra izy ireo, ary nitady an’i Iaveh an-tsitrapo tokoa, ka nety ho hitany Izy, ary nomen’i Iaveh fiadanana tamin’ny manodidina rehetra izy.
fa Andriamanitry ny rainy no nokatsahiny, ary narahiny ny didiny fa tsy naka tahaka ny nataon’i Israely.
Ka nandry feizay ny fanjakan’i Jôsafata, ary nomen’Andriamaniny fiadanana tamin’ny manodidina izy.
Nanaja an’Andriamanitra izy, tamin’ny andro niainan’i Zakaria, izay nampianatra azy ny fahatahorana an’Andriamanitra ary nambinin’Andriamanitra izy, tamin’ny andro nanajany an’i Iaveh.
Nataony tamin’ny fony tokoa ny raharaha rehetra nampanaoviny momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, sy momba ny didy aman-dalàna nitadiavany an’Andriamaniny, ka nambinina izy.
Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, mbola tanora izy fahizay, dia efa niantomboka nitady ny Andriamanitr’i Davida rainy izy, ary tamin’ny taona faha-12, dia natombony ny fanadiovana an’i Jodà sy i Jerosalema, tsy hisy fitoerana avo, na aserah, na sarin-javatra voasikotra, na sarin-javatra anidina.
Raha manome fiadanana Izy, zovy no hitaraina amin’izany? Raha manafin-Tava Izy, zovy no ho afa-mahita Azy, na firenena izany, na olona tsirairay no anaovany izany,
Efa ela no nanomezan’i Iaveh fitsaharana an’i Israely, sy nanafahany azy tamin’ny fahavalony rehetra amin’ny manodidina, ka efa zokiolona sy nandroso fahanterana i Jôsoe.
Dia voaetry eo ambanin’ny tanan’i Israely i Moaba tamin’izany andro izany ka nandry valopolo taona ny tany.
Ny fahavalonao rehetra anie ho levona toy izany, Iaveh ô, ary izay tia Anao kosa, hanahaka ny masoandro raha ilay miposaka amin’ny heriny izy!»