Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 14:6 - DIEM PROTESTANTA

6 sady niteny tamin’ny Jodeanina hoe: –Ndeha hohamafisintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika manda manodidina ary koa tilikambo sy vavahady mafy hidy, satria mbola eo ambany fitondrantsika ny tany. Ny TOMPO Andriamanitsika manko no efa notadiavintsika; eny, nitady Azy isika ka nomeny fiadanana amin’ny sisin-tany manodidina. Dia nohamafisin’ny Jodeanina ireo tanàna ireo ka tontosa tsara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Fa hoy izy tamin’i Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady misy hidiny raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady NY TOMPO Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika ka nanome antsika fiadanana amin’ny manodidina Izy. Dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 sady niteny tamin’ny Jodeanina hoe: –Ndeha hohamafisintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika manda manodidina ary koa tilikambo sy vavahady mafy hidy, satria mbola eo ambany fitondrantsika ny tany. Ny TOMPO Andriamanitsika manko no efa notadiavintsika; eny, nitady Azy isika ka nomeny fiadanana amin’ny sisin-tany manodidina. Dia nohamafisin’ny Jodeanina ireo tanàna ireo ka tontosa tsara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Izao no nolazainy tamin’i Jodà: «Andeha haorintsika ireo tanàna ireo, hasiantsika manda manodidina, tilikambo, vavahady ary hidiny, fa mbola tsy voahidy ny tany anatrehantsika, fa efa nitady an’i Iaveh Andriamanitsika isika; nitady Azy isika, ka nomeny fiadanana isika amin’ny manodidina rehetra.» Dia nanorina izy ireo ka nahefa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Dia hoy izy tamin’ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika mànda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an’i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin’ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Dia hoy izy tamin'ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an'i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin'ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 14:6
17 Rohy Ifampitohizana  

Fa nanapaka ny faritany manontolo any atsimo andrefan’ny ony Eofrata, hatreo Tifsà ka hatrany Gazà i Salômôna, dia tamin’ny mpanjaka rehetra tatỳ atsimo andrefan’ny Ony; ary tsara fihavanana tamin’ireo firenena rehetra nanodidina azy izy.


Eny, raha tandremanao hotanterahina ny lalàna amam-pitsipika izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ho an’ny Israelita, dia hambinina tokoa ianao. Mahereza sy matanjaha, fa aza matahotra na mivadi-po.


Fa indro hisy zazalahy haterakao, izay ho olona tia fandriampahalemana sady homeko fandriampahalemana eo anoloan’ny fahavalo rehetra manodidina azy. Ny anarany manko hatao hoe Salômôna –izany hoe ‹tia fiadanana› –ary homeko fiadanana sy fandriampahalemana i Israely amin’ny andro hanjakany.


Nifalian’i Joda tsivakivolo io fianianana io, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany azy ary tamin’ny finiavany manontolo no nitadiavany ny TOMPO; ka dia nahita Azy tokoa ireo sady nomeny fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina.


Nitady ny Andriamanitry ny razany kosa izy, ka nizotra araka ny didiny fa tsy araka ny fanaon’ny Israelita tavaratra.


Dia nandry feizay ny fanjakàn’i Jôsafata, satria nomen’Andriamanitra fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina izy.


I Hozià tamin’ny andro niainan’i Zakarià izay nampianatra azy hanaja an’Andriamanitra, dia nivavaka tokoa tamin’ny TOMPO Andriamanitra sady nomeny fanambinana.


Fony nirotsaka tamin’ny asa rehetra momba ny fanompoana ny tranon’Andriamanitra ary momba ny lalànany sy ny didiny izy, dia nitady an’Andriamanitra tamin’ny fony manontolo; ka izany no nahazoany fanambinana.


Tamin’ny taona fahavalo nanjakàny, fony i Jôsià mbola zatovolahy, no nanombohany nitady an’ilay Andriamanitr’i Davida razambeny; ary efatra taona taorian’izany kosa no nanombohany nanadio ny fanjakàn’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema mba tsy hisy toeram-panasinana na tsatokazo fanajana an’i Aserà, ary tsy hisy sarin-tsampy voasokitra na mivongana intsony.


Raha mangina Andriamanitra, zovy no hanameloka Azy? Raha manafin-tava Izy, zovy no hahita Azy? Kanefa miahy ireo firenena sy ny olombelona rehetra Izy


Tongava hizaha ny asa vitan’ny TOMPO, dia ny zava-mampitolagaga nataony teto an-tany:


Fotoana ela taorian’ny nanomezan’ny TOMPO fandriampahalemana ho an’i Israely ka nanafahany azy tamin’ireo fahavalo rehetra nanodidina azy, dia efa antitra be i Josoa.


Dia nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona; avy eo dia maty i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza.


Tamin’izany andro izany dia nietry teo ambany fahefàn’ny Israelita ny Môabita; ka nandry fahalemana ny tany nandritra ny valopolo taona.


TOMPO ô, aoka ny fahavalonao rehetra ho faty tahaka an’i Siserà avokoa; fa ny sakaizanao kosa anie ho toy ny masoandro fony izy miposaka mamirapiratra mafy indrindra! Dia nandry feizay ny tany nandritra ny efapolo taona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra