Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 14:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Eny, nandry feizay tokoa ny tany fa tsy nisy niady tamin’i Asà nandritra ireo taona ireo, satria ny TOMPO no nanome azy fiadanana ary nanamafy tanàna maro tao Joda ny mpanjaka nandritra izany fotoam-pilaminana izany

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Nanorina tanàna mimanda tany Joda izy; dia nandry fehizay ny tany fa tsy nisy ady tamin’izany andro izany, satria NY TOMPO no nanome azy fiadanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Eny, nandry feizay tokoa ny tany fa tsy nisy niady tamin’i Asà nandritra ireo taona ireo, satria ny TOMPO no nanome azy fiadanana ary nanamafy tanàna maro tao Joda ny mpanjaka nandritra izany fotoam-pilaminana izany

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Nanao tanàna mimanda tamin’i Jodà izy, fa nandry ny tany, ary tsy nisy ady namely azy tamin’izany taona izany, satria nomen’i Iaveh fitsaharana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin’izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin'izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 14:5
6 Rohy Ifampitohizana  

Nitoetra tao Jerosalema i Rehabohama ary nanamboatra tanànamimanda tany Joda,


Noravan’i Asà ny toeram-panasinana sy ny alitara fandoroana vovo-javamanitra teny amin’ny tanàna rehetra manerana an’i Joda; ka nandry feizay ny fanjakana nandritra ny fitondrany.


Noravana teo anatrehan’i Jôsià ny alitaran’ireo andriamanitra Bahala; nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra teo amboniny; novakivakiny ny tsatokazo fanajana an’i Aserà mbamin’ireo sarin-tsampy voasokitra na mivongana; ary notorotoroiny ho lasan-ko vovoka izany rehetra izany ka nafafiny teny amin’ny fasan’ireo efa nanolotra sorona tamin’ireny andriamani-tsiizy ireny.


dia noravan’i Jôsià koa ny alitara; nokapakapainy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary ny sarin-tsampy voasokitra mba hotorotoroina ho lasan-ko vovoka. Nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra eran’ny tanin’i Israely manontolo; izay vao niverina ho any Jerosalema izy.


Hopotehiko ny alitaranareo ary hosimbako ny fitaovana fandoroanareo vovo-javamanitra mifangaro ka hataoko maty miampatrampatra eo anoloan’ny sampinareo ianareo.


Fotoana ela taorian’ny nanomezan’ny TOMPO fandriampahalemana ho an’i Israely ka nanafahany azy tamin’ireo fahavalo rehetra nanodidina azy, dia efa antitra be i Josoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra