Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 14:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ary nanan-tafika i Asà, dia miaramila jodeanina nisy antokony telonjato samy mpirongo ampinga lehibe sy lefona ary koa miaramila benjaminita nisy antokony 280 samy mpirongo ampinga maivana sy tsipîka; ireo rehetra ireo dia vantan-dehilahy maherifo avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Nanana miaramila telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin’i Joda i Asa, valo alina sy roa hetsy koa ny mpitana ampinga sy tsipìka avy amin’ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ary nanan-tafika i Asà, dia miaramila jodeanina nisy antokony telonjato samy mpirongo ampinga lehibe sy lefona ary koa miaramila benjaminita nisy antokony 280 samy mpirongo ampinga maivana sy tsipîka; ireo rehetra ireo dia vantan-dehilahy maherifo avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Izao no tafika nananan’i Asà: 300.000 miaramila an-defona sy ampinga, tamin’i Jodà; 280.000, miaramila mpitana ampinga mpandefa tsipìka, tamin’i Benjamina. Lehilahy mahery avokoa ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary Asa nanana miaramila, dia telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin’ny Joda, ary valo alina amby roa hetsy mpitana ampinga sy tsipìka avy amin’ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary Asa nanana miaramila, dia telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin'ny Joda, ary valo alina amby roa hetsy mpitana ampinga sy tsipìka avy amin'ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 14:7
21 Rohy Ifampitohizana  

Ny sisa amin’ny tantaran’i Asà sy ny herimpo nasehony ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny tanàna mafy naoriny dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda. Tamin’ny androm-pahanterany dia narary tongotra izy.


«Ianao kosa, ry Salômôna zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin’ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon’ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.


Noravan’i Asà ny toeram-panasinana sy ny alitara fandoroana vovo-javamanitra teny amin’ny tanàna rehetra manerana an’i Joda; ka nandry feizay ny fanjakana nandritra ny fitondrany.


sady niteny tamin’ny Jodeanina hoe: –Ndeha hohamafisintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika manda manodidina ary koa tilikambo sy vavahady mafy hidy, satria mbola eo ambany fitondrantsika ny tany. Ny TOMPO Andriamanitsika manko no efa notadiavintsika; eny, nitady Azy isika ka nomeny fiadanana amin’ny sisin-tany manodidina. Dia nohamafisin’ny Jodeanina ireo tanàna ireo ka tontosa tsara.


Nifalian’i Joda tsivakivolo io fianianana io, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany azy ary tamin’ny finiavany manontolo no nitadiavany ny TOMPO; ka dia nahita Azy tokoa ireo sady nomeny fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina.


Nanana tahirim-bokatra betsaka tao amin’ny tanànan’i Joda izy, ary koa miaramila maherifo tao Jerosalema.


Ny mpifehy vondro-miaramila avy tamin’ny fokon’i Benjamîna kosa dia ireto: i Eliadà, lehilahy maherifo, no mpifehy miaramila nisy andiany roanjato samy mpirongo tsipîka sy ampinga;


Dia nandry feizay ny fanjakàn’i Jôsafata, satria nomen’Andriamanitra fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina izy.


Dia novorîn’i Amatsià ny vatan-dehilahy tao amin’ny fanjakany, na Jodeanina na Benjaminita, ka nanendreny mpifehy andia-miaramila sy vondro-miaramila, araka ny tarika nisy azy. Natao fanisana ny vatan-dehilahy feno roapolo taona no ho miakatra ka lehilahy voafantina nisy antokony telonjato no hita fa azo nalefa hiantafika sady kinga fampiasa lefona sy ampinga.


ary ny tafika matanjaka nofeheziny kosa dia antokony telonjato nisy vatan-dehilahy 7 500, izay nahery niady tokoa mba homba ny mpanjaka hamely ny fahavalony.


Nentanin-kerimpo hatrany i Hezekià ka nampanamboatra izay rehetra rava tamin’ny manda sady nampanisy tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany; nampanamafisiny ny toerana Milao tao an-Tanànan’i Davida ary lefona aman’ampinga betsaka no nampanefeny.


Namboariny koa i Bety-Hôrôna ambony sy i Bety-Hôrôna ambany, izay samy tanàna mafy mimanda sady misy vavahady tsara hidy;


Isika tsy maintsy manao ny asan’Ilay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; fa ho avy ny alina izay tsy ahafahan’iza na iza miasa!


Nandry feizay ny Fiangonana manerana an’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo: nandroso tsara, nizotra tamin’ny fanoavana ny Tompo, ary nihamaro noho ny fampaherezan’ny Fanahy Masina.


Fotoana ela taorian’ny nanomezan’ny TOMPO fandriampahalemana ho an’i Israely ka nanafahany azy tamin’ireo fahavalo rehetra nanodidina azy, dia efa antitra be i Josoa.


satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina sy mihaino ny fitarainany, fa tezitra kosa amin’ny mpanao ratsy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra