Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 14:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Ary i Zera, ilay Etiôpianina, dia niainga hiady tamin’izany tafika izany sady nitondra miaramila nisy antokony arivo sy kalesy telonjato, ka tonga tao Maresà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Niainga hiady tamin’ireo i Zera kosita dia nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy fitondra miady telonjato ka tonga tao Maresa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ary i Zera, ilay Etiôpianina, dia niainga hiady tamin’izany tafika izany sady nitondra miaramila nisy antokony arivo sy kalesy telonjato, ka tonga tao Maresà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Fa nivoaka hiady tamin’ireo i Zarà, Etiôpianina, nitondra miaramila 1.000.000 sy kalesy 300, ka nandroso hatrany Maresà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary Zera Etiopiana nivoaka hiady tamin’ireo ka nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka dia tonga tao Maresa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary Zera Etiopiana nivoaka hiady tamin'ireo ka nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka dia tonga tao Maresa.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 14:8
11 Rohy Ifampitohizana  

Nampamboatra ampingabe roanjato tamina metaly miharo volamena i Salômôna mpanjaka; ka lanjam-bolamena enina kilao avy no nilaina isan’ampinga.


Ireo zanakalahin’i Olama dia lehilahy mahery sy mpandefa zana-tsipîka, sady nanan-janakalahy aman-jafy maro miisa 150. Ireo rehetra ireo no taranak’i Benjamîna.


Vao tonga tany Jerosalema i Rehabohama, dia namory miaramila voafantina miisa vondrona 180 tamin’ny fokon’i Joda sy i Benjamîna mba hiady amin’i Israely avaratra ka hamerina indray io fanjakana io ho an’ny tenany.


i Gata sy i Maresà ary i Zifa,


Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehabohama dia niakatra i Sisàka mpanjakan’i Ejipta mba hamely an’i Jerosalema, satria nivadika tamin’ny TOMPO ireo mponina tao.


Nitondra kalesy 1 200 sy mpitaingin-tsoavaly 60 000 i Sisàka; ary tsy hita isa ny miaramila nanaraka azy avy any Ejipta, dia ny Libianina sy ny Sokita ary ny Etiôpianina.


Ary i Abià no nanomboka izany ka nitondra miaramila maherifo, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany efajato. I Jerôbohama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany valonjato sady samy maherifo avokoa.


Tsy tafika marobe ve ny Etiôpianina sy ny Libianina ary tsy betsaka ve ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’ny TOMPO, dia natolony teo an-tananao ireo.


Taorian’izay, dia avy hiady tamin’i Jôsafata ny Môabita sy ny Hamônita mbamin’ny Mehonita sasany.


Dia novorîn’i Amatsià ny vatan-dehilahy tao amin’ny fanjakany, na Jodeanina na Benjaminita, ka nanendreny mpifehy andia-miaramila sy vondro-miaramila, araka ny tarika nisy azy. Natao fanisana ny vatan-dehilahy feno roapolo taona no ho miakatra ka lehilahy voafantina nisy antokony telonjato no hita fa azo nalefa hiantafika sady kinga fampiasa lefona sy ampinga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra