Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 14:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ary niroso hifanandrina aminy kosa i Asà; ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Tsefatà akaikin’i Maresà izy roa tonta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Nivoaka hiady taminy koa i Asa, dia samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Zefata akaiky an’i Maresa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ary niroso hifanandrina aminy kosa i Asà; ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Tsefatà akaikin’i Maresà izy roa tonta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Dia nivoaka hiady aminy i Asà, ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Sefatà akaikin’i Maresà izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Zefata akaikin’i Maresa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo andohasaha Zefata akaikin'i Maresa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Nivoaka hiady taminy koa i Asa, dia samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Zefata akaiky an’i Maresa izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 14:9
12 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo rehefa henon’i Saneheriba fa efa an-dalana hamely azy i Tirihakà mpanjakan’i Etiôpia, dia naniraka hankany amin’i Hezekià


i Gata sy i Maresà ary i Zifa,


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO Andriamaniny i Asà ka nanao hoe: –TOMPO ô, tsy misy afa-tsy Ianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ny matanjaka izy; ka vonjeo izahay, ry TOMPO Andriamanitray ô, fa Ianao no iankinanay ary ny anaranao no irosoanay hiady amin’ity tafika goavana ity. TOMPO ô, Ianao no Andriamanitray, ka aza avela hisy olombelona haharesy Anao.


Tsy tafika marobe ve ny Etiôpianina sy ny Libianina ary tsy betsaka ve ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’ny TOMPO, dia natolony teo an-tananao ireo.


Irahinao ny masoivoho izay mandeha lakan-jozoro eny ambonin’ny ranon’i Neily. –Miverena ianareo, ry iraka faingam-pandeha, any amin’ireo olona ranjanana sy malandilandy, any amin’ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran’ny tany, any amin’ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony. Miverena any amin’ny taninareo izay vakivakîn’ny ony maro.


Ny olona avy any Etiôpia sy Pota ary Loda, ny olona avy any Arabia manontolo sy Libia, mbamin’ny teraky ny vahoakako aza, dia hisy ho faty an’ady.


Izao no teny hentitry ny TOMPO: «Amiko ve ianareo, ry taranak’i Israely, tsy tahaka ny taranaka etiôpianina ihany? Moa tsy nampiakariko avy tany Ejipta ve ianareo, tahaka ny nampiakarako ny Filistinina avy tany Kaftôra sy nampiakarako ny Sirianina avy tany Kira?»


Mpanafika handresy anareo no halefan’ny TOMPO aminareo, ry mponina ao Maresà, ka hisitrika hatrany an-johin’i Hadolama ireo filoha tabihan’i Israely.


i Kehilà, i Akziba, ary i Maresà; izany hoe tanàna sivy samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy.


Fanahin-demony manao zava-mampitolagaga ireo fanahy maloto ireo, sady mankany amin’ny mpanjaka eran’ny tany tontolo mba hamory azy ho amin’ny ady hatao amin’ilay andro lehibe hitsaran’Andriamanitra Tsitoha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra