Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 14:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO Andriamaniny i Asà ka nanao hoe: –TOMPO ô, tsy misy afa-tsy Ianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ny matanjaka izy; ka vonjeo izahay, ry TOMPO Andriamanitray ô, fa Ianao no iankinanay ary ny anaranao no irosoanay hiady amin’ity tafika goavana ity. TOMPO ô, Ianao no Andriamanitray, ka aza avela hisy olombelona haharesy Anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary nitaraina tamin’NY TOMPO Andriamaniny i Asa hoe: TOMPO ô, tsy misy afa-tsy Ianao no mahavonjy ny tsy manan-kery eo anoloan’ny maro ka vonjeo izahay, RY TOMPO Andriamanitray ô, fa Ianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ireto olona ireto. TOMPO ô, Ianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO Andriamaniny i Asà ka nanao hoe: –TOMPO ô, tsy misy afa-tsy Ianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ny matanjaka izy; ka vonjeo izahay, ry TOMPO Andriamanitray ô, fa Ianao no iankinanay ary ny anaranao no irosoanay hiady amin’ity tafika goavana ity. TOMPO ô, Ianao no Andriamanitray, ka aza avela hisy olombelona haharesy Anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Niantso an’i Iaveh Andriamaniny i Asà ka nanao hoe: «Iaveh ô, azonao vonjena mora foana ny malemy tahaka ny mahery, ka vonjeo izahay, ry Iaveh Andriamanitray! Fa Ianao no iankinanay, ary amin’ny Anaranao no nandrosoanay hiady amin’ireto vahoaka be ireto, Ianao no Andriamanitray, ry Iaveh: aza maharesy Anao anie ny olona!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary Asa nitaraina tamin’i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ireto olona ireto. Jehovah ô, Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary Asa nitaraina tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian'ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin'ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 14:10
14 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany fotoana izany no nampietrena ny Israelita; nandresy kosa ny Jodeanina satria niankina tamin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany.


Dia noresen’ny TOMPO teo anoloan’i Asà sy ny miaramila jodeanina ireo Etiôpianina ka nandositra


Ary niroso hifanandrina aminy kosa i Asà; ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Tsefatà akaikin’i Maresà izy roa tonta.


Ary nanampy azy hatrany Andriamanitra hanohitra ny Filistinina sy ny Arabo nonina tao Gora ary ny Mehonita.


Noho izany toe-javatra izany dia nivavaka i Hezekià mpanjaka sy i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa, ka niantso vonjy tamin’Andriamanitra.


Herin’olombelona no miaraka aminy, fa ny TOMPO Andriamanitsika kosa no miaraka amintsika; Izy no hanampy antsika sy hisahana ny adintsika.» Dia izany tenin’i Hezekià mpanjakan’i Joda izany no nianteheran’ny mponina teo an-drenivohitra.


Ny an’ny sasany, ny kalesiny no itokiany; ny an’ny hafa, ny soavaliny no iankinany; ny anay kosa, ny anaran’ny TOMPO Andriamanitray no hany hery ianteheranay.


Izaho kosa mitoky aminao, TOMPO ô, ka hoy aho hoe: «Andriamanitro Ianao.»


Mirotsaha an-tsehatra re, TOMPO ô, aza avela hahery noho Ianao ny olona. Enga anie ireo hafa firenena hotsaraina eo anatrehanao!


Raha miainga hanafika fahavalo ianareo, ka mahita soavaly sy kalesy ary tafika maro noho ny anareo, dia aza matahotra azy; satria ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay nampiakatra anareo avy tany Ejipta, no momba anareo.


i Eltôlada, i Betola, i Hôrmà,


Ary ny vatan-dehilahin’i Joda dia mbola nandeha nanafika niaraka tamin’ny taranak’i Simehôna rahalahin’i Joda ihany ka nandresy ny Kanahanita nonina tao Tsefata. Noravany tanteraka io tanàna io, ka nanomboka hatreo ny anaran’ny tanàna dia nataony hoe Hôrmà na Faharavana.


Dia hoy izany i Jônatàna tamin’ny mpanompony: –Andeha hotafihintsika ny tobin’ireo tsy mifora ireo, sao mba homba antsika ihany ny TOMPO, fa tsy misy manakana AZY tsy hanome antsika ny fandresena, na maro isika na vitsy.


Dia hoy ny navalin’i Davida azy: –Manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy ianao, izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’ny TOMPOn’izao rehetra izao, Andriamanitry ny tafik’i Israely, Izay efa nohantsinao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra