Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: «Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka ianao; fijaliana no hiterahanao zanaka; hankamin’ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao.»
1Tantara 4:9 - Baiboly Katolika Nomena haja noho ny rahalahiny i Jabesa ary nataon-dreniny hoe Jabesa ny anarany, fa hoy izy: «Nijaly aho no niteraka azy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ny reniny no nanome ny anarany hoe Jabeza, satria hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy. DIEM PROTESTANTA Nisy atao hoe Jahebetsy, izay nalaza kokoa noho ireo rahalahiny. Ny reniny no nanome ny anarany hoe Jahebetsy satria hoy izy: «Zoim-pahoriana aho, raha niteraka azy». Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy atao hoe Jahebetsy, izay nalaza kokoa noho ireo rahalahiny. Ny reniny no nanome ny anarany hoe Jahebetsy satria hoy izy: «Zoim-pahoriana aho, raha niteraka azy». Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy. Malagasy Bible Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy. La Bible en Malgache Ary i Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ny reniny no nanome ny anarany hoe Jabeza, satria hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy. |
Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: «Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka ianao; fijaliana no hiterahanao zanaka; hankamin’ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao.»
ka tsy nitaredretra ny hanao izany zavatra izany razazalahy, fa fatra-pitia ny zanakavavin’i Jakôba izy, ary izy no tò teny indrindra tao an-tranon-drainy.
Nony efa hiala ny ainy, fa efa ho faty izy, dia nataony hoe i Benôni ny anarany, fa rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.
Niantso ny Andriamanitr’i Israely i Jabesa nanao hoe: «Raha mitahy ahy Ianao, ka halalahinao ny faritaniko, ary momba ahy ny tananao, sy arovanao amin’ny loza aho mba tsy ho zoim-pahoriana...» Ary nomen’Andriamanitra azy izay nangatahiny.
I Kaosa niteraka an’i Anoba sy i Sôbobà, ary ny fokon’i Aharehela, zanaka lahin’i Aroma.
Nandeha tamin’ny vadiny izy, dia nanana anaka ravehivavy, ka nitera-dahy; dia nomeny anarana hoe Berià, satria tra-pahoriana izy ireo tao an-tranony.
Satria sarobidy eo imasoko sy mendrika hohajaina ianao, sady tia anao Aho, hanome olona maro ho takalonao Aho, sy firenena maro, ho solon’ny ainao.
Tsara toe-panahy kokoa ry zareo tao noho ny tany Tesalonika, satria sady nandray ny teny tamin-jotom-po lehibe izy ireo no nandinika ny Soratra Masina isan’andro, mba hahitany raha mifanaraka amin’izay ampianarina azy na tsia.
Nataony hoe Ikabôda no anaran’ny zaza, fa hoy izy: «Efa voaesotra amin’i Israely ny voninahitra noho ny nahalasan-ko babo ny Fiaran’Andriamanitra sy ny nahafatesan’ny rafozany sy ny vadiny.»