Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.
1Tantara 4:28 - Baiboly Katolika Ny nonenan’izy ireo dia tao Bersabea, tao Môladà, tao Hasar-Soala, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izy ireo dia nonina tao Bery-Sheba, Molada, Hazara-Soala, DIEM PROTESTANTA Mandra-panjakan’i Davida, dia ireto no tanàna nonenan’ny taranak’i Simehôna: i Beera-Seba sy i Môladà, i Hatsary-Sohala sy i Bahalà, i Hetsema sy i Tôlada, i Betoela sy i Hôrmà, i Tsiklàga sy i Bety-Markabôta, i Hatsary-Sosima sy i Bety-Birỳ ary i Saharaîma mbamin’ireo tanàna kely momba azy avy. Teo koa ireto tanàna dimy ireto: dia i Hetama sy i Haîna, i Rimôna sy i Tôkèna ary i Hasàna Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mandra-panjakan’i Davida, dia ireto no tanàna nonenan’ny taranak’i Simehôna: i Beera-Seba sy i Môladà, i Hatsary-Sohala sy i Bahalà, i Hetsema sy i Tôlada, i Betoela sy i Hôrmà, i Tsiklàga sy i Bety-Markabôta, i Hatsary-Sosima sy i Bety-Birỳ ary i Saharaîma mbamin’ireo tanàna kely momba azy avy. Teo koa ireto tanàna dimy ireto: dia i Hetama sy i Haîna, i Rimôna sy i Tôkèna ary i Hasàna Baiboly Protestanta Malagasy Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala Malagasy Bible Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala La Bible en Malgache Izy ireo dia nonina tao Bery-Sheba, Molada, Hazara-Soala, |
Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.
I Semeì nanan-janaka 16 lahy sy enim-bavy, tsy nanan-janaka maro ny rahalahiny, ary tsy nitombo toy ny zanak’i Jodà ny fianakaviany rehetra.
Ny tanàna izay ao amin’ny fara sisin’ny fokon-taranak’i Jodà, manolotra ny faritanin’i Edôma, ny tao amin’i Negeba, dia i Kabseela, i Edera, i Jagora,
I Simeôna no nahazo ny anjara faharoa tamin’ny loka, dia ny fokon-taranak’i Simeôna, araka ny fianakaviany: ny lovany dia tao afovoan’ny lovan’ny taranak’i Jodà.
Ny anjaran’ny taranak’i Jodà no nangalana ho lovan’ny taranak’i Simeôna, satria ny anjaran’ny taranak’i Jodà dia lehibe loatra ho azy ireo, ka tao afovoan’ny taniny no nahazoan’ny taranak’i Simeôna ny lovany.