Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 19:9 - Baiboly Katolika

9 Ny anjaran’ny taranak’i Jodà no nangalana ho lovan’ny taranak’i Simeôna, satria ny anjaran’ny taranak’i Jodà dia lehibe loatra ho azy ireo, ka tao afovoan’ny taniny no nahazoan’ny taranak’i Simeôna ny lovany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Avy tamin’ny anjaran’ny taranak’i Joda no nahazoan’ny taranak’i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran’ny taranak’i Joda, koa izany no nahazoan’ny taranak’i Simeona anjara tao anatin’ny azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Ny zaratany azon’ny Simehônita dia nalaina tamin’ny anjaran’ireo taranak’i Joda satria nalalaka ho an’ny taranak’i Joda ny zaratany azony. Izany no nahazoan’ny taranak’i Simehôna anjara teo anivon’ny lovan’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ny zaratany azon’ny Simehônita dia nalaina tamin’ny anjaran’ireo taranak’i Joda satria nalalaka ho an’ny taranak’i Joda ny zaratany azony. Izany no nahazoan’ny taranak’i Simehôna anjara teo anivon’ny lovan’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Avy tamin’ny anjaran’ny taranak’i Joda no nahazoan’ny taranak’i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran’ny taranak’i Joda, ka izany no nahazoan’ny taranak’i Simeona anjara tao anatin’ny azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Avy tamin'ny anjaran'ny taranak'i Joda no nahazoan'ny taranak'i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran'ny taranak'i Joda, ka izany no nahazoan'ny taranak'i Simeona anjara tao anatin'ny azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Avy tamin’ny anjaran’ny taranak’i Joda no nahazoan’ny taranak’i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran’ny taranak’i Joda, koa izany no nahazoan’ny taranak’i Simeona anjara tao anatin’ny azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 19:9
7 Rohy Ifampitohizana  

Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany; ary koa ny fahavinirany, fa loza izany. Hizarazara azy amin’i Jakôba aho, ary hampihahaka azy amin’i Israely.


Raha efa izay dia nafatra tamin’ny gômôra, ka ny nahatonga be tsy nanana ambiny, ny nahatonga kely tsy latsa-patra, fa izay sahaza ho haniny avy ihany no voavoriny.


Manolotra ny sisin-tanin-dRobena hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Jodà.


Ny maro isa homenao ny zaratany bebe kokoa, ny vitsy isa kosa homenao anjara kelikely kokoa, ka dia samy homena ny anjara lovany araka izay voaisa aminy izy.


Ny taranak’i Zabolôna, araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahatelo tamin’ny loka, tonga hatrany Sarida ny faritry ny lovany,


mbamin’ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo, hatrany Baalata-Beera, dia i Ramata atsimo. Izany no lovan’ny fokon-taranak’i Simeôna, araka ny fianakaviany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra