Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 19:10 - Baiboly Katolika

10 Ny taranak’i Zabolôna, araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahatelo tamin’ny loka, tonga hatrany Sarida ny faritry ny lovany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ny anjara fahatelo azo tamin’ny antsapaka dia azon’ny taranak’i Zebolona isam-pianakaviany; ny sisintanin’ny lovany dia hatrany Sarida,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Ny anjara voatendrin’ny antsapaka fahatelo dia azon’ny Zebolonita ho an’ireo tarika ao anatiny. Ny velaran’ny zarataniny dia mitatra hatrany Sarida.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ny anjara voatendrin’ny antsapaka fahatelo dia azon’ny Zebolonita ho an’ireo tarika ao anatiny. Ny velaran’ny zarataniny dia mitatra hatrany Sarida.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary ny loka fahatelo dia azon’ny taranak’i Zebolona isam-pokony; ary ny fari-tanin’ny lovany dia hatrany Sarida,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary ny loka fahatelo dia azon'ny taranak'i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin'ny lovany dia hatrany Sarida,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ny anjara fahatelo azo tamin’ny antsapaka dia azon’ny taranak’i Zebolona isam-pianakaviany; ny sisintanin’ny lovany dia hatrany Sarida,

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 19:10
8 Rohy Ifampitohizana  

Zanak’i Lià: Robena, lahimatoan’i Jakôba, Simeôna, Levi, Jodà, Isakara ary Zabolôna.


I Zabolôna monina amoron-dranomasina, Dia eo amoron’ny fitodian-tsambo, Mifanolotra amin’i Sidona ny sisin-taniny.


Manolotra ny sisin-tanin’i Isakara, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana, anjara iray ho an’i Zabolôna.


Ny fokon-taranak’i Benjamina araka ny fianakaviany no azon’ny loka, ary ny faritany lasany tamin’ny filokana dia ao anelanelan’ny an’ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Josefa.


Ianareo àry handahatra ny toetry ny tany hataonareo fito toko, ka hoentinareo mankatỳ amiko, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika aho.


niakatra niankandrefana mankany Meralà, ny faritra, nipaka tamin’i Dabaseta, nipaka tamin’ny ranon-driaka ao anoloan’i Jekônama.


Ny anjaran’ny taranak’i Jodà no nangalana ho lovan’ny taranak’i Simeôna, satria ny anjaran’ny taranak’i Jodà dia lehibe loatra ho azy ireo, ka tao afovoan’ny taniny no nahazoan’ny taranak’i Simeôna ny lovany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra