1Tantara 23:13 - Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Amrama: i Aarôna sy i Môizy. Ary i Aarôna natokana hohamasinina indrindra, izy mbamin’ny taranany mandrakizay, mba hanolotra zava-manitra hanetona eo anatrehan’i Iaveh, hanao ny fanompoany ary hitso-drano ny olona amin’ny Anarany mandrakizay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Amrama dia i Arona sy i Mosesy. Ary natokana i Arona ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany fara aman-dimby, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitsodrano amin’ny anarany mandrakizay. DIEM PROTESTANTA Ny zanakalahin’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy. I Aharôna mbamin’ny taranany no natokana hatrany mba hanao fanompoana ao amin’ny Toeramasina indrindra: ka himasoany lalandava ny handoro zava-manitra eo anatrehan’ny TOMPO sy ny hanao fanompoam-pivavahana ary ny hitsodrano amin’ny anaran’ny Tompo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zanakalahin’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy. I Aharôna mbamin’ny taranany no natokana hatrany mba hanao fanompoana ao amin’ny Toeramasina indrindra: ka himasoany lalandava ny handoro zava-manitra eo anatrehan’ny TOMPO sy ny hanao fanompoam-pivavahana ary ny hitsodrano amin’ny anaran’ny Tompo. Baiboly Protestanta Malagasy Ny zanakalahin’i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin’ny anarany mandrakizay. Malagasy Bible Ny zanakalahin'i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin'ny anarany mandrakizay. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Amrama dia i Arona sy i Mosesy. Ary natokana i Arona ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany fara aman-dimby, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitsodrano amin’ny anarany mandrakizay. |
I Aarôna sy ny zanany anefa no nandoro ny sorona teo ambonin’ny ôtelin’ny sorona dorana, sy ny emboka teo ambonin’ny ôtelin’ny zava-manitra; izy ireo no tsy maintsy nanatanteraka ny raharaha ao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy nanao fanonerana ho an’i Israely, araka izay nandidian’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra.
I Môizy sy i Aarôna dia anisan’ireo mpisorony, ary i Samoela isan’ireo miantso ny Anarany, dia niantso an’i Iaveh, ka novaliany.
«Manaova takela-bolamena madio, ka sokiro eo amin’io, toy ny fisikotra fanombohan-kase, izao teny izao: Fahamasinana ho an’i Iaveh.
Hohamasiniko ny trano lay fihaonana sy ny ôtely, hohamasiniko i Aarôna sy ny zanany, mba ho mpisorona manao fanompoana Ahy.
I Amrama naka an’i Jôkadeba anabavin-drainy ho vadiny; ka io no niteraka an’i Aarôna sy i Môizy taminy. Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Amrama.
Hoy i Iaveh tamin’i Aarôna: «Ianao sy ny zanakao ary ny fianakavian-drainao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fitoerana masina; ianao sy ny zanakao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fisoronanareo.
I Kaata niteraka an’i Amrama, ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jôkabeda, zanaka vavin’i Levỳ, izay nateraky ny reniny tamin’i Levỳ tany Ejipta, ary izy niteraka an’i Aarôna sy i Môizy ary i Maria anabavin’ireo, tamin’i Amrama.
Ny avy amin’i Kaata dia ny fokon’ny Amramita, ny fokon’ny Jesaarita, ny fokon’ny Hebrônita, ary ny fokon’ny Azielita: ireo no fokon’ny Kaatita.
dia voatendrin’ny loka araka ny fanaon’ny mpisorona hiditra ao amin’ny Tempolin’ny Tompo, hanolotra ny emboka,
Raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo, dia hoy ny Fanahy Masina taminy: «Atokàny ho ahy i Saoly sy i Barnabe, mba hanao ny asa izay niantsoako azy.»
I Paoly mpanompon’i Kristy Jesoa, voaantso ho Apôstôly, sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra, -
Nefa, nony sitrak’Andriamanitra, Ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany,
Tamin’izany andro izany no nanokanan’i Iaveh ny fokon’i Levỳ hitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh sy hitoetra eo anatrehan’i Iaveh, hanompo Azy ary hitso-drano amin’ny Anarany, mandraka androany.
Dia hanatona ny mpisorona, taranak’i Levì, fa ireo no nofidin’i Iaveh Andriamanitrao, hanompo azy sy hitso-drano amin’ny anaran’i Iaveh Andriamanitrao; ary araka ny tenin’izy ireo no hitsarana ny fifandirana sy ny fandratràna rehetra.
Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany, afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra tahaka an-dry i Aarôna ihany.
Dia indro koa nisy Anjely anankiray hafa, nitsangana teo anoloan’ny ôtely, nitana fanembohana volamena, ary nomena emboka manitra betsaka mba hanolotra ny vavaky ny olo-masina rehetra eo ambony ôtely volamena, izay eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra:
Nofidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra izy ho mpisoroko, hiakatra amin’ny ôteliko, handoro zava-manitra, hitafy ny efôda eo anatrehako, ary nomeko ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon’ny zanak’i Israely amin’ny afo.