1Tantara 23:13 - DIEM PROTESTANTA13 Ny zanakalahin’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy. I Aharôna mbamin’ny taranany no natokana hatrany mba hanao fanompoana ao amin’ny Toeramasina indrindra: ka himasoany lalandava ny handoro zava-manitra eo anatrehan’ny TOMPO sy ny hanao fanompoam-pivavahana ary ny hitsodrano amin’ny anaran’ny Tompo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201113 Ny zanakalahin’i Amrama dia i Arona sy i Mosesy. Ary natokana i Arona ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany fara aman-dimby, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitsodrano amin’ny anarany mandrakizay. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 Ny zanakalahin’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy. I Aharôna mbamin’ny taranany no natokana hatrany mba hanao fanompoana ao amin’ny Toeramasina indrindra: ka himasoany lalandava ny handoro zava-manitra eo anatrehan’ny TOMPO sy ny hanao fanompoam-pivavahana ary ny hitsodrano amin’ny anaran’ny Tompo. Jereo ny tokoBaiboly Katolika13 Zanaka lahin’i Amrama: i Aarôna sy i Môizy. Ary i Aarôna natokana hohamasinina indrindra, izy mbamin’ny taranany mandrakizay, mba hanolotra zava-manitra hanetona eo anatrehan’i Iaveh, hanao ny fanompoany ary hitso-drano ny olona amin’ny Anarany mandrakizay. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy13 Ny zanakalahin’i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin’ny anarany mandrakizay. Jereo ny tokoMalagasy Bible13 Ny zanakalahin'i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin'ny anarany mandrakizay. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache13 Ny zanakalahin’i Amrama dia i Arona sy i Mosesy. Ary natokana i Arona ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany fara aman-dimby, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitsodrano amin’ny anarany mandrakizay. Jereo ny toko |
I Aharôna sy ny taranany no mampanetona ny sorona dorana manontolo eo ambony alitara fisoronana sy mampanetona ny vovo-javamanitra eo ambony alitara fandoroana azy; ka nanatanteraka ny raharaha rehetra tao amin’ny Toeramasina Indrindra izy ireo ary nanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny vahoaka Israely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra.
Ary nisy anjely anankiray hafa koa tonga nijoro teo anilan’ny alitara sady nitondra lovia volamena fandoroana vovo-javamanitra; dia nomena vovo-javamanitra betsaka izy mba hatolony miaraka amin’ny vavaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, eo ambonin’ny alitara volamena izay manoloana ny sezafiandrianan’Andriamanitra.