Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Apokalipsy 8:3 - Baiboly Katolika

3 Dia indro koa nisy Anjely anankiray hafa, nitsangana teo anoloan’ny ôtely, nitana fanembohana volamena, ary nomena emboka manitra betsaka mba hanolotra ny vavaky ny olo-masina rehetra eo ambony ôtely volamena, izay eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ary nisy anjely iray koa tonga ka nitsangana teo ambonin’ny alitara; nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra izy. Nomena ditin-kazo manitra betsaka izy mba hatolony izany miaraka amin’ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin’ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ny sezafiandrianana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Ary nisy anjely anankiray hafa koa tonga nijoro teo anilan’ny alitara sady nitondra lovia volamena fandoroana vovo-javamanitra; dia nomena vovo-javamanitra betsaka izy mba hatolony miaraka amin’ny vavaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, eo ambonin’ny alitara volamena izay manoloana ny sezafiandrianan’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ary nisy anjely anankiray hafa koa tonga nijoro teo anilan’ny alitara sady nitondra lovia volamena fandoroana vovo-javamanitra; dia nomena vovo-javamanitra betsaka izy mba hatolony miaraka amin’ny vavaka ataon’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, eo ambonin’ny alitara volamena izay manoloana ny sezafiandrianan’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin’ ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka izy, hanaterany azy mbamin’ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin’ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ny seza fiandrianana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ary nisy anjely iray koa tonga ka nitsangana teo ambonin’ny alitara; nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra izy. Nomena ditin-kazo manitra betsaka izy mba hatolony izany miaraka amin’ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin’ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ny sezafiandrianana.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 8:3
32 Rohy Ifampitohizana  

ny tavin-drano, ny antsy, ny kapoaka, ny lovia kely, sy ny fanembohana volamena madio, mbamin’ny lahin-tsavily amin’ny varavaran’ny efitrano anatiny, izany hoe: ny Fitoerana Masina indrindra, sy amin’ny varavaran’ny trano, izany hoe ny Fitoerana Masina.


Aoka ho eo anatrehanao toy ny emboka anie ny fivavahako.


Napetrany tao an-trano lay fihaonana, anoloan’ny efitra lamba, ny ôtely volamena,


Kanjo, nanidina nanatona ahy, ny iray tamin’ireo Serafima, nitondra vain’afo teny an-tanany, nalainy tamin’ny tandra, teo ambony ôtely.


telo hakiho ny haavony, roa hakiho ny halavany: nisy zorony izy, ary hazo ny rindriny manaraka ny halavany rehetra. Dia hoy izy tamiko: Io no latabatra eo anatrehan’i Iaveh.


Nahita ny Tompo nitsangana teo akaikin’ny ôtely aho, ka hoy izy: «Asio ny koronosy, ary aoka hihozongozona ny tokonana; dia torotoroy izy mamely ny lohan’izy rehetra! Ary izay sisa dia hovonoiko amin’ny sabatra; tsy hisy ho afaka, tsy hisy ho afa-mandositra.


Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro, ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena; ary manolotra emboka manitra amam-panatitra madio amin’ny Anarako ny olona, amin’ny fitoerana rehetra satria lehibe ny Anarako, any amin’ny firenena, hoy i Iavehn’ny tafika.


Ny ôtely volamena dia hovelariny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona vao hametahany ny baony.


lovia kely volamena iray, feno zava-manitra;


ary ny vahoaka rehetra dia tao alatrano no nivavaka, tamin’ny ora fanolorana ny emboka.


ka zovy no hanameloka? Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona, sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?


Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo.


ny ôtely volamena fandoroana emboka manitra, ny fiaran’ny fanekena voasarona volamena avokoa, izay nisy ny siny volamena nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Aarôna izay nitsimoka, ary ny vato fisaka nisy ny fanekena.


Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nidina avy any an-danitra ka rahona no nitafiany, avana no teo ambony lohany, tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary sahala amin’ny andry afo ny tongony.


Dia nivoaka avy eo amin’ny ôtely ity Anjely manam-pahefana amin’ny afo; niantso tamin’ny feo mahery, ka nilaza tamin’ilay nitana antsy fijinjana maranitra hoe: Alefaso ny antsy fijinjànao, ka toazy ny sampahom-boaloboka eny amin’ny tanimboaloboky ny tany, fa efa masaka ny voany.


Nony nandray ny boky Izy; dia niankohoka teo anoloan’ny Zanak’ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo, izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra, dia ny fivavahan’ny olo-masina izany.


Nony nosokafany ny tombokase fahadimy, dia hitako teo ambany ôtely ny fanahin’ireo novonoina noho ny tenin’Andriamanitra sy ny fanambaràn’i Jesoa izay nananany.


Dia nahita Anjely iray hafa koa aho, niakatra avy amin’ny fiposahan’ny masoandro, nitana ny fitombok’Andriamanitra velona, ary niantso mafy an’ireo Anjely efatra nasaina nanimba ny tany aman-dranomasina,


ary ny fofon’ny emboka manitra, avy amin’ny vavaky ny olo-masina, dia niakatra ho eo anatrehan’Andriamanitra avy amin’ny tanan’ny Anjely.


Ary nalain’ilay Anjely ny fanembohana, nofenoiny afo avy teo ambony ôtely, dia nazerany tamin’ny tany, ka nisy feo aman-kotroka sy tsela-baratra, sady nihorohoro ny tany.


Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahenina, dia inay nisy feo reko nivoaka avy tamin’ny zoro efatry ny ôtely volamena eo anatrehan’Andriamanitra,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra