Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 29:44 - Baiboly Katolika

44 Hohamasiniko ny trano lay fihaonana sy ny ôtely, hohamasiniko i Aarôna sy ny zanany, mba ho mpisorona manao fanompoana Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

44 Ary hohamasiniko ny tranolay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa i Arona sy ireo zanany mba hanao fisoronana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

44 Ny tenako mihitsy no hanokana ny Tranolay fihaonana sy ny alitara, tahaka ny hanokanako an’i Aharôna sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

44 Ny tenako mihitsy no hanokana ny Tranolay fihaonana sy ny alitara, tahaka ny hanokanako an’i Aharôna sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

44 Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

44 Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

44 Ary hohamasiniko ny tranolay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa i Arona sy ireo zanany mba hanao fisoronana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 29:44
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary izao no nolazain’i Iaveh taminy: «Nohenoiko ny vavaka amam-pifonanao, nataonao tamiko, ka efa nohamasiniko ity trano nataonao ity, mba hametrahako ny Anarako ao mandrakizay, ka dia ho eto mandrakariva ny masoko sy ny foko.


Fa hihaona amin’ny zanak’i Israely eo Aho, ka ho voahasin’ny voninahitro izany fitoerana izany.


Honina eo afovoan’ny zanak’i Israely Aho, dia Izaho no Andriamanitr’izy ireo.


Tsy hanao izay hanala baraka ny taranany eo amin’ny fireneny izy, fa Izaho no Iaveh manamasina azy.»


sy tsy hampivesatra azy ny heloka ataony amin’ny fihinanana ny zava-masina avy aminy; fa Izaho no Iaveh manamasina azy.»


Hitandrina ny didiko izy ireo, sao hahazo ota ny amin’izany, na ho fatin’ny fanamavoan’ny zava-masina. Izaho no Iaveh manamasina azy.»


ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny etỳ ambonin’ny tany hoe: miteny ratsy an’Andriamanitra Ianao satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra