Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 5:4 - Baiboly Katolika

4 Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany, afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra tahaka an-dry i Aarôna ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra, tahaka ny tamin’i Arona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Ary tsy misy maka izany voninahitra maha mpisorombe izany ho an’ny tenany, afa-tsy izay voaantson’Andriamanitra tahaka an’i Aharôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ary tsy misy maka izany voninahitra maha mpisorombe izany ho an’ny tenany, afa-tsy izay voaantson’Andriamanitra tahaka an’i Aharôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra, tahaka an’i Arona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra, tahaka ny tamin’i Arona.

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 5:4
16 Rohy Ifampitohizana  

Zanaka lahin’i Amrama: i Aarôna sy i Môizy. Ary i Aarôna natokana hohamasinina indrindra, izy mbamin’ny taranany mandrakizay, mba hanolotra zava-manitra hanetona eo anatrehan’i Iaveh, hanao ny fanompoany ary hitso-drano ny olona amin’ny Anarany mandrakizay.


ka nanohitra an’i Oziasa mpanjaka, nanao hoe: «Tsy anjaranao, ry Oziasa, ny manolotra zava-manitra ho an’i Iaveh, fa anjaran’ny mpisorona taranak’i Aarôna izay voahosotra handoro zava-manitra. Mialà eo amin’ny fitoerana masina fa nanota ianao ka tsy voninahitra ho anao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitra izany.»


zanak’i Finea zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona lehibe;


«Asaovy manatona anao i Aarôna rahalahinao, mbamin’ny zanany, ao amin’ny zanak’i Israely, mba ho mpisorona amin’ny fanompoana Ahy, dia i Aarôna, i Nadaba, i Abiò, i Eleazara, ary i Amôra, zanak’i Aarôna.


«Alao i Aarôna sy ny zanany miaraka aminy, ny fanamiana, ny diloilo fanosorana, ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ny ondralahy roa, ary ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay;


Nampandrosoiny ho akaiky Azy ianao, mbamin’ny rahalahinao rehetra, ny zanak’i Levì miaraka aminao, ka dia mitsiriritra ny ho mpisorona koa ve?


Ary nisy afo nivoaka avy ao akaikin’i Iaveh nandevona ireo 250 lahy nanatitra zava-manitra.


ka niteny tamin’i Kôre sy ny tariny rehetra nanao hoe: «Rahampitso dia hasehon’i Iaveh izay Azy sy izay masina, ka hampanakekeziny Azy: dia izay nofidiny no hampanakekeziny Azy.


Rahampitso dia hasianareo afo ireo, ary zava-manitra no hataonareo eo amboniny, eo anatrehan’i Iaveh: izay hofidin’i Iaveh dia izay no masina. Ka aoka izay ry zanak’i Levỳ.»


Ianao sy ny zanakao miaraka aminao hanatanteraka ny raharaham-pisoronanareo amin’ny zavatra rehetra momba ny ôtely, mbamin’izay rehetra ao anatin’ny efitra lamba. Izany no raharaha hataonareo. Raharaha azo maimaim-poana no anomezako anareo ny fisoronanareo. Izay olon-kafa manakaiky hatao maty.»


Ireo no anaran’ny zanak’i Aarôna, dia ireo mpisorona nandray ny fanosorana, voatokana hanao ny fisoronana.


Dia namaly i Joany ka nanao hoe: «Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra