1Tantara 11:19 - Baiboly Katolika «Sanatria raha hanao izany aho! Ra aman’ain’ireo olona ireo ve, ka dia hosotroiko? Fa ny ainy no nataony vy very, hitondrany an’ity!» Dia tsy nety nisotro izy. Izany no nataon’izy telo lahy mahery ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan’Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran’ireto olona nanao vy very ny ainy ireto va aho? Fa nanao vy very ny ainy izy ireo tamin’ny nakany ity. Dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ireo telo lahy mahery ireo. DIEM PROTESTANTA sady hoy izy hoe: –Fady ahy eo anatrehan’Andriamanitra ny hisotro izany, fa midika ho misotro ny ran’ireo lehilahy nandeha nanao vy very ny ainy naka azy! Koa tsy nety nisotro i Davida. Izany no zava-bitan’ireo telo lahy maherifo ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara sady hoy izy hoe: –Fady ahy eo anatrehan’Andriamanitra ny hisotro izany, fa midika ho misotro ny ran’ireo lehilahy nandeha nanao vy very ny ainy naka azy! Koa tsy nety nisotro i Davida. Izany no zava-bitan’ireo telo lahy maherifo ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan’Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran’ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? Fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin’ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ireo telo lahy mahery ireo. Malagasy Bible Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan'Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran'ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin'ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo. La Bible en Malgache Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan’Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran’ireto olona nanao vy very ny ainy ireto va aho? Fa nanao vy very ny ainy izy ireo tamin’ny nakany ity. Dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ireo telo lahy mahery ireo. |
«Sanatria ahy ny hanao izany, ry Iaveh ô! Satria inona ity fa tsy ny ran’ireo olona nandeha nanao vy very ny ainy!» Ka dia tsy nety nisotro izany izy. Izany no nataon’izy telo lahy mahery ireo.
Fa hoy i Nabôta namaly an’i Akaba: «Hampanalavirin’i Iaveh ahy anie ny hanome ny lova avy amin’ny razako!»
Niaraka tamin’izay ireo teo lahy ireo dia namakivaky ny tobin’ny Filistinina ka nanovo rano teo amin’ny famorian-drano eo am-bavahadin’i Betlehema, dia noraisiny sy nentiny nankeo amin’i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izany i Davida, fa nataony fanatitra araraka ho an’i Iaveh izany, ary hoy izy:
I Abisaï, rahalahin’i Jôaba lehiben’ny Telopolo lahy, dia nampandihy ny lefony tamin’ny lehilahy telon-jato, ka nahafaty an’ireo, ka nanan-daza tamin’izy telopolo lahy.
Raha tsy filazan’ny olona tao an-daiko ny hoe: ‹Aiza re no hahitana olona tsy voky tamin’ny hanin-databany?›
Hoesoriny amin’ny fampahoriana amam-panaovana an-keriny ireny, ary ho sarobidy eo imasony ny ran’izy ireny.
Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany, hihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hanandrina izay olona mihinan-dra ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy;
Ary nolazainy taminy hoe: «Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo, ka tsy izaho irery no misaotra azy, fa ny Eglizy rehetra any amin’ny Jentily koa,
Fa i Zabolôna no firenena manao vy very ny ainy; torak’izany koa i Neftalì eo amin’ny havoany marin-tampona.
fa niady ho anareo ny raiko, nanao vy very ny ainy ka nanafaka anareo tamin’ny tanan’i Madiàna izy;
nanao vy very ny ainy, namono an’ilay Filistinina izy, ka izy no nanaovan’i Iaveh famonjena lehibe ho an’i Israely rehetra. Nahita izany ianao sy nifaly tamin’izany. Ka ahoana no hataonao amin’ny ra tsy mana-tsiny, amin’ny famonoana, tsy misy antony, an’i Davida?»