5 nanao vy very ny ainy, namono an’ilay Filistinina izy, ka izy no nanaovan’i Iaveh famonjena lehibe ho an’i Israely rehetra. Nahita izany ianao sy nifaly tamin’izany. Ka ahoana no hataonao amin’ny ra tsy mana-tsiny, amin’ny famonoana, tsy misy antony, an’i Davida?»
5 ary efa nanao ny ainy tsy ho zavatra izy ka namono ny Filistina; eny, NY TOMPO nahavita famonjena lehibe ho an’ny Israely rehetra, ary nahita izany ianao ka faly. Koa nahoana no dia hanota handatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny ianao ka hahafaty an’i Davida tsy amin’antony?
5 fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an’ny Isiraely rehetra; hianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka ra marina hianao ka hahafaty foana an’i Davida?
5 fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an'ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka rà marina ianao ka hahafaty foana an'i Davida?
5 ary efa nanao ny ainy tsy ho zavatra izy ka namono ny Filistina; eny, NY TOMPO nahavita famonjena lehibe ho an’ny Israely rehetra, ary nahita izany ianao ka faly. Koa nahoana no dia hanota handatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny ianao ka hahafaty an’i Davida tsy amin’antony?
fa niakatra nihemotra kosa ny lehilahy amin’i Israely. Nitsangana namely ny Filistinina izy mandra-pahavizan’ny tanany, sy efa nihidy velona tamin’ny sabatra. Nanao famonjen-dehibe i Iaveh tamin’izay andro izay, ka nandroso indray nanaraka an’i Eleazara ny vahoaka fa tsy nanao afa-tsy ny manangona ny zavatra babo izy ireo.
Niaraka tamin’izay ireo teo lahy ireo dia namakivaky ny tobin’ny Filistinina ka nanovo rano teo amin’ny famorian-drano eo am-bavahadin’i Betlehema, dia noraisiny sy nentiny nankeo amin’i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izany i Davida, fa nataony fanatitra araraka ho an’i Iaveh izany, ary hoy izy:
Fa hoy kosa i Môizy tamin’ny vahoaka: «Aza matahotra fa mipetraha tsara eo, ka zahao ny famonjena hataon’i Iaveh aminareo anio; fa ireo Ejiptianina hitanareo anio ireo tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Fantaro anefa, fa raha mamono ahy ianareo, dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin’ity tany ity, ary amin’ny mponina eo aminy, satria i Iaveh marina tokoa, no naniraka ahy ho atỳ aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren’ny sofinareo.»
Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rehefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin’ny fahasoavan’Andriamanitra.»
hataontsika ahoana no fandositra raha tsy asiantsika raharaha ny famonjena lehibe toy izany, izay nambaran’ny Tenan’ny Tompo aloha, ka izay nandre taminy no nanorina azy mafy tamintsika,
Fa hoy ny vahoaka tamin’i Saola: «I Jônatasy izay nanao izao famonjen-dehibe izao tamin’i Israely indray ve no ho faty è! Sanatria izany! Raha velona koa i Iaveh tsy hisy latsaka amin’ny tany, na dia ny singam-bolondohany iray akory aza; fa ny nataony androany dia niarahany tamin’Andriamanitra.» Toy izany no namonjen’ny vahoaka an’i Jônatasy, ka tsy maty izy.
Fa namaly ny mpanjaka i Akimeleka ka nanao hoe: «Iza moa amin’ny mpanomponao rehetra no tahaka an’i Davida, mahatoky indrindra, vinanton’ny mpanjaka, mpanolo-tsaina anao, sady manan-kaja ao an-tranonao?
Nankeo amin’i Saola ilay vehivavy, ka nahita azy very hevitra efa izay tsizy, ka dia nanao taminy hoe: «Efa nihaino ny feonao ny ankizivavinao ary nanao vy very ny aiko aho, tamin’ny nanekeko ny teny nolazainao tamiko.