Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Romana 16:4 - Baiboly Katolika

4 nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo, ka tsy izaho irery no misaotra azy, fa ny Eglizy rehetra any amin’ny Jentily koa,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 izy ireo dia nanao vy very ny ainy hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy fa ny fiangonana rehetra any amin’ny Jentilisa koa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Nanao vy very ny ainy hamonjena ahy izy mivady, ary tsy izaho ihany no misaotra azy roa fa ny Fiangonana rehetra any amin’ny hafa firenena koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Nanao vy very ny ainy hamonjena ahy izy mivady, ary tsy izaho ihany no misaotra azy roa fa ny Fiangonana rehetra any amin’ny hafa firenena koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 izy mivady dia nanolotra ny tenany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin’ny jentilisa koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin'ny jentilisa koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Romana 16:4
17 Rohy Ifampitohizana  

Ny fahavaloko ataonao miamboho ahy, mbamin’izay mankahala ahy koa, handringanako azy.


Ka izao no lazain’i Iaveh: Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity, ka tsy ho azonareo anafahana ny vozonareo: ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo, fa ho andro ratsy izany.


Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.


lehilahy nanao vy very ny ainy ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.


Namaky an’i Siria sy i Silisia izy, nankahery fo ny Eglizy rehetra, dia nandidy azy hitandrina ny didin’ny Apôstôly sy ny Pretran’ny Eglizy.


Koa sady nitombo finoana ny Eglizy rehetra no nihamaro isa isan’andro.


Niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo fahizany, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo izy, no nihamaro tamin’ny famporisihan’ny Fanahy Masina.


Veloma any amin’i Priska sy Akilasy mpiara-miasa amiko ao amin’i Jesoa Kristy;


ary veloma any amin’ny Eglizy rehetra izay ao an-tranony. Veloma any amin’i Epeneto malalako, izay santatr’i Azia ho an’i Kristy.


Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina; ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa.


Ary ny amin’ny famoriam-bola ho an’ny olona masina, dia mba manaova koa ianareo, toy ny nasaiko nataon’ny Eglizy rehetra any Galasia.


Izao anefa: samia ihany mandeha araka ny anjara nomen’ny Tompo azy avy, sy araka ny niantsoan’Andriamanitra azy avy; sy araka ny fitsipika omeko ny Eglizy rehetra.


fa ny raharahan’i Kristy no saika nahafaty azy; ary ny fanefana ny fanompoana ahy tsy efanareo no nanaovany ny ainy tsy ho zavatra


Fa ianareo, ry kristianina havana, dia efa nanahaka ny Eglizin’Andriamanitra any Jodea, izay ao amin’i Kristy Jesoa, satria sahala amin’izao nanjò anareo tamin’ny iray firenena aminareo izao koa no nanjò azy ireo tamin’ny Jody,


Nony efa navoakany ho eo anatrehan’i Jôsoe, ireo mpanjaka ireo, dia nantsoin’i Jôsoe ny lehilahy rehetra amin’i Israely ka hoy izy tamin’ireo filohan’ny lehilahy mpiantafika, izay niaraka taminy: «Manatòna ianareo, ka ataovy eo amin’ny vozon’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo.» Dia nanatona ireo ka nanitsaka ny vozon’ireo mpanjaka tamin’ny tongony.


Izao no nahafantarantsika ny fitiavana: nahafoy ny ainy ho antsika Izy. Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an’ny namana koa isika.


Mamangy ny Eglizy fito any Azia aho, Joany: ho ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana, avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; avy amin’ny Fanahy fito eo anoloan’ny seza fiandrianany;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra