1Tantara 8 - Baiboly Katolika8. I BENJAMINA SY I JEROSALEMA Taranak’i Benjamina (Jereo Jen 46,21 ; Fanis 26,38-40 ) 1 Ny naterak’i Benjamina dia i Bela lahy matoany, i Asbela lahy aivo, i Aharà fahatelo, 2 i Nohaà fahefatra, ary i Rafà fahadimy. 3 Ny zanaka lahin’i Bela dia i Adara, i Gerà, i Abioda, 4 i Abisoe, i Naamàna, i Ahôe, 5 i Gerà, i Sefofàna ary i Horama. Tao Gabaà 6 Izao no zanaka lahin’i Ahoda: lohan’ny fianakaviana nonina tao Gabaà izy ireo, ary nafindrany tany Manahata: 7 i Naamàna, i Akià, ary i Gerà ilay namindra azy sy niteraka an’i Ozà sy Ahioda. Tany Moaba 8 Niteraka tao amin’ny tanin’i Moaba, i Saharaima, taorian’ny nisaorany an’i Hosima sy i Barà, vadiny. 9 I Hodesa vadiny no niterahany an’i Jôbaba, i Sebià, i Mosà, i Molkôma, i Jehosa, i Sekià ary i Marmà. 10 Ireo no zanany lahy, loham-pianakaviana. Tany Onô sy Loda 11 Ary i Hosima no niterahany an’i Abitoba sy i Elfaala. 12 Zanakalahin’i Elfaala: i Hebera, i Misaama ary i Samada, izay nanorina an’i Onô sy i Loda mbamin’ny tanàna momba azy. Tao Aialôna 13 I Barià sy i Samà, lohan’ny fianakaviana nonina tao Aialôna no nampandositra ny mponina tao Geta. 14 I Ahiaô, i Sesàka, i Jerimota, Tao Jerosalema 15 i Zabadia, i Aroda, i Hedera, 16 i Mikaela, i Jesfà ary i Jôhà no zanaka lahin’i Barià. 17 I Zabadia, i Mosoliama, i Hezesì, i Hebera, 18 i Jesamarì, i Jezlia, ary i Jôbaba no zanak’i Elfaala. 19 I Jasima, i Zekria, i Zabdia, 20 i Eliônaia, i Seletaia, i Eliela, 21 i Adaia, i Baraià ary i Semarata no zanak’i Semeià. 22 I Jesfàna, i Hebera, i Eliela, 23 i Abdôna, i Zekria, i Hanàna, 24 i Hananià, i Elama, i Anatôtià, 25 i Jefdaià ary i Fanoela no zanak’i Sesàka. 26 I Samsarì, i Sohorià, i Otolià, 27 i Jersià, i Elià ary i Zekrià no zanak’i Jerôhama. (Jereo 1Tan 9,34 ) 28 Loham-pianakaviana ireo, samy loholona araka ny fiaviam-pianakaviany, ary nonina tao Jerosalema. Tao Gabaôna (Jereo 1Tan 9,35-38 ) 29 Tao Gabaôna no nonina ny rain’i Gabaôna, ary Maakà no anaran’ny vadiny. 30 I Abdôna no zanany lahimatoa, dia i Sora, i Kisa, i Baala, i Nadaba, 31 i Gedôra, i Ahiao ary i Zakera. 32 I Makelôta niteraka an’i Samaà. Nonina tao akaikin’ny rahalahiny koa ireo tao Jerosalema, niaraka tamin’ny rahalahiny. I Saola sy ny fianakaviany (Jereo 1Sam 14,49-51 ; 1Tan 9,39-43 ) 33 I Nera niteraka an’i Kisa, i Kisa niteraka an’i Saola, i Saola niteraka an’i Jonatàna, i Melkiasoa, i Abinadaba ary i Esbaala. 34 Zanaka lahin’i Jonatàna: i Meribaala. I Meribaala niteraka an’i Mikà. 35 Zanaka lahin’i Mikà: i Fitôna, i Meleka, i Toraà sy i Akaza. 36 I Akaza niteraka an’i Joada, i Joada niteraka an’i Alamata, i Azmota ary i Zamrì, i Zamrì niteraka an’i Mosà, 37 i Mosà niteraka an’i Banaà, i Rafà zanany, i Falsà zanany, i Asela zanany. 38 Nanan-janaka enin-dahy i Asela ka ireto avy no anarany: Ezrikama, Bôkro, Ismaela, Sarià, Obadià ary Hanàna: zanak’i Asela avokoa ireo. 39 Zanaka lahin’i Eseka rahalahiny: i Olama lahimatoany, i Jehosa faharoa, ary i Elifaleta fahatelo. 40 Ny zanaka lahin’i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka; ary nanan-janaka lahy aman-jafy maro izy ireo, dia 150. Ireo rehetra ireo dia taranak’i Benjamina avokoa. |
Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.
Malagasy Bible Society