Biblia Todo Logo
Andininy ao amin’ny Baiboly
- dokam-barotra -


107 Andinin-teny ao amin’ny Baiboly momba ny Fahalemem-panahy

107 Andinin-teny ao amin’ny Baiboly momba ny Fahalemem-panahy

Ry namako, fantatrao ve fa ny fahalemem-panahy dia vokatry ny Fanahy Masina? Izy io no mampiseho ny maha-tsara sy mahari-po Azy, ny hatsaram-panahiny sy ny famindrampony. Ao amin'ny Filipiana 2:5 no ahitantsika hoe: "Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa".

Isan'andro isika dia tokony hiezaka haneho an'i Jesosy eto an-tany, amin'ny alalan'ny ataontsika rehetra. Koa mila esorintsika ao am-pontsika izay rehetra mifanohitra amin'ny vokatry ny Fanahiny, ary mangataka Aminy isika mba hanova antsika araka ny endriny, mba ho tena vavolombelona marina fa zanaky ny Andriamanitra isika.

Ny fahalemem-panahy dia tsy misy fireharehana sy fifandirana. Tsy tia tena na manambany olona izy io, fa maneho hatsaram-panahy, fahamoram-panahy ary fanetren-tena. Tadidio fa zava-dehibe ny fahalemem-panahy, tsy amin'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra ihany, fa amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa isan'andro koa.

Ary aza adino fa ny fahalemem-panahy dia mampianatra antsika ho mahazaka sy hangoraka, hitady fihavanana fa tsy fifandirana, ary hitondra ny hafa amim-pitiavana sy fanajana. Enga anie isika rehetra mba hiezaka haneho izany fahalemem-panahy izany, ho voninahitr'Andriamanitra.


Matio 5:5

Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 11:29

Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 4:2

amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 15:7

Koa mifandraisa ianareo, tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo mba ho voninahitr’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 3:4

fa ny olona ao anaty tsy miseho no ravaho halemem-panahy tsy miovaova sy fiadanana: izany no tena zavatra eo imason’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 10:1

Ary ny tenako, izaho Paoly, mihanta aminareo noho ny halemem-panahy sy ny hatsaram-pon’i Kristy, dia izaho izay manetry tena aminareo, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa nony tsy eo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 1:19-21

Araka ny fantatrareo rahateo, ry havako malala, dia aoka ny olona rehetra hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny, sy tsy halaky tezitra. Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo, Fa ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra. Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 25:15

Ny fahari-po mety hampiekena ny mpitsara; ary ny vava malefaka, mahafolaka ny taolana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:12

Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 5:22-23

Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 2:3

tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 4:1-2

Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo, Ary tsy iza Ilay nidina fa Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra ihany, mba hamenoany ny zavatra rehetra. Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ao amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy; dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso; fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha, dia i Kristy. Izy no iankinan’ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana. Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin’ny Tompo: aza manao fitondran-tenan-Jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany, fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambàm-pony, ka lany henatra dia navarin’ny filàn-dratsiny tamin’ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra. amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 15:1

Ny valin-teny mora, mampitony havinirana; fa ny teny henjana, mampirehi-katezerana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 6:1

Ry kristianina havana, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka ianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon’ny fakam-panahy koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 3:15

I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Timoty 2:24-25

Fa tsy mety amin’ny mpanompon’Andriamanitra ny miady; fa izy tsy maintsy ho olona malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahay mandefitra, mananatra ny mpanohitra amin-kalemem-panahy, fa angamba homen’Andriamanitra fibebahana hahalala ny marina izy,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 21:5

«Lazao amin’ny zanakavavin’i Siôna hoe: Indro ny Mpanjakanao mankeo aminao. malemy fanahy sady mitaingina ampondra, dia zanak’ampondra mitondra jioga.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 3:15-16

I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo. Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin’i Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Zakaria 9:9

Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanaka vavin’i Siôna! Manaova feo firavoravoana, ry zanaka vavin’i Jerosalema. Fa indro ny Mpanjakanao avy ho atỳ aminao; marina izy sady arovan’Andriamanitra; manetry tena mitaingina ampondra dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 3:13

Iza eo aminareo no hendry sy manan-tsaina? Aoka hasehony amin’ny fitondrany tena tsara ny asan’ny halemem-panahy amam-pahendreny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Nomery 12:3

Ren’i Iaveh izany. I Môizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra, mihoatra noho ny olona rehetra etỳ ambonin’ny tany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:3

Noho ny fahasoavana nomena ahy, dia izao no lazaiko aminareo tsirairay avy: Aza mihevi-tena mihoatra noho ny mety, fa samia mahalala ny antonona azy, araka ny anjara finoana nomen’Andriamanitra azy avy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 1:21

Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 1:19

Araka ny fantatrareo rahateo, ry havako malala, dia aoka ny olona rehetra hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny, sy tsy halaky tezitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Zefania 2:3

Mitadiava an’i Iaveh, ianareo manetry tena rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny lalàny; katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena. Ho tafaàloka angamba ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Titosy 3:2

tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra, fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin’ny olona rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 4:21

Inona àry no tianareo? Tsora-kazo ve no hoentiko mankany aminareo, sa fitiavana sy halemem-panahy?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 16:32

Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo; ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 25:9

Mampizotra ny manetry tena amin’ny fahamarinana Izy, mampianatra ny manetry tena ny lalany Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 19:11

Ny fahendren’ny olona mahatonga azy hahalefitra, ary ataony voninahitra ho azy ny manadino ny ratsy natao taminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 57:15

Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 4:31-32

Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana. Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 37:11

Ny malemy fanahy no hanana ny tany; ka ho finaritra mankafỳ fiadanana lehibe.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:34

Mananihany izay mpananihany Izy; ary manome fahasoavana izay manetry tena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 22:4

Ny vokatry ny fanetren-tena, dia ny fahatahorana an’i Iaveh; harena amam-boninahitra ary fiainana izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 66:2

Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 149:4

Fa ankasitrahin’i Iaveh ny vahoakany; manome voninahitra ny ambany toetra, amin’ny famonjeny azy Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:9

Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 6:27-29

Fa izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo, misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na halainy mbamin’ny akanjonao aza.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:10

Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 11:2

Raha tonga ny fiavonavonana, ho tonga koa ny fahafaham-baraka; fa ny fahendrena kosa miaraka amin’ny manetry tena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:5

Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo: efa akaiky anie ny Tompo e!

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 5:5-6

Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena. Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin’ny andro voatendriny;

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 13:4-5

Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 11:4

Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin’ny tsora-kazon’ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Timoty 3:16-17

Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 29:23

Ny avonavon’ny olona, mamarina amin’ny fietrena; fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 18:4

Koa amin’izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 6:4

Ianareo ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 15:1

Isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen’izay osa, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 12:14

Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 4:6

Aoka ny fiteninareo ho mahatehotia mandrakariva, sy ho mamy sira, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra tsirairay avy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 2:21-23

Sady izany koa no niantsoana anareo, satria i Kristy nijaly ho anareo koa, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany: dia Izy, Ilay tsy nanota akory, na mba niloa-bava hilaza fitaka velively; Izy Ilay notevatevaina nefa tsy nanevateva, nijaly nefa tsy mba nandrahona, fa nanolo-tena tamin’ny mpitsara Azy tsy an-drariny;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 2:5-7

Manàna izao saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa izao: na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:14-15

Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo, dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa; fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 18:14

Lazaiko aminareo fa ity no nidina efa nohamarinina, tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 14:29

Ny mahatsindry fo, be saina, ny malaky tezitra maneho ny hadalany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 29:19

Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany, amin’i Iaveh, ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana ao amin’Ilay Masin’i Israely.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 10:24

Aza misy mitady ny ho an’ny tenany, fa ny ho an’ny namana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:28

Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 147:6

Manati-bonjy ho an’ny manetry tena i Iaveh, fa manetry ny ratsy fanahy amin’ny tany kosa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 25:12

Iza no olona matahotra an’i Iaveh? Hampianarin’i Iaveh azy ny lalana tokony hofidiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 13:10

Fifandirana no hany ateraky ny avonavona; fa izay mety toroana no misy fahendrena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 23:12

fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 5:14

Mangataka aminareo koa izahay, ry kristianina havana: anaro izay tsy mipetraka tsara, alao alahelo ny osa, ankaherezo ny malemy, mandefera amin’ny olon-drehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 27:2

Aoka ny hafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao; ary ny vahiny fa tsy ny molotrao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 14:11

Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 34:2

Te hisaotra an’i Iaveh mandrakariva aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:16

Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 13:11

Farany, ry kristianina havana, mifalia, miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 10:17

Efa nihaino ny fanirian’ny ory Ianao, ry Iaveh; mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 4:10

Manetre tena eo anatrehan’Andriamanitra, dia hanandratra anareo izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 10:24

Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 86:5

Satria tsara fo sy miantra Ianao, Tompo, ary feno indrafo ho an’izay rehetra miantso Anao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 40:11

Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 15:33

Ny fahatahorana an’i Iaveh, no fianarana ny fahendrena; ary ny fanetren-tena no mialoha ny fisandratana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 15:18

Ny olo-masiaka manetsika ady, ny mahatsindry fo kosa, mampitsahatra fifandirana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 19:30

Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary maro koa izay farany no ho voalohany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 5:21

Ary mahaiza mifanoa amim-pahatahorana an’i Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 9:23

Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny Hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 15:5-6

Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesoa, mba hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, amin’ny fo iray sy vava iray.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 4:7

Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 12:9

fa izao no navaliny ahy: «Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko.» Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 33:18

Ny mason’i Iaveh mitsinjo izay matahotra Azy, dia ireo manantena ny hatsaram-pony,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 2:4

Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana Izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 2:13

Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy namindra fo; ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:11-12

Tsy dia filan-javatra anefa no ilazako izany, fa efa nianatra ny ho afa-po amin’izay ananako aho, ka haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 53:7

Vonoina Izy, ary mandefitra, tsy niloa-bava akory Izy; tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, tahaka ny ondry vavy eo anatrehan’izay manety azy; tsy miloa-bava akory.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 10:12

Ny fankahalana, mihantsy ady; fa ny fitiavana kosa, manarona ny hadisoana rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 10:16

Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 4:8

Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, fa ny fitiavana manarona fahotana maro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 20:3

Voninahitra ho an’ny olona ny mifady fifandirana; fa ny adala rehetra milomano amin’ny hatezerana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 6:36

Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 4:15

fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha, dia i Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:165

Be fiadanana izay tia ny lalànao; ary tsy misy zava-manafintohina azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 3:18

Anaka, aza tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Timoty 6:11-12

Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 14:19

Ny fihavanana sy fifamporisihana ho tsara àry no aoka hokatsahintsika,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 37:7

Mitoera amim-panginana, eo anatrehan’i Iaveh ary manantenà Azy; aza tezitra noho ny amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia ny olona mahomby amin’ny tetikadiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 12:16

Ny adala miseho ho tezitra miaraka amin’izay; fa ny olona malina kosa mahay mody tsy mahita ny fanesoana azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 3:8

Farany, miraisa saina ianareo rehetra, miombòna alahelo, mifankatiava toy ny mpiray tam-po, mifamindrà fo, manetre tena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 7:12

Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 141:3

Iaveh ô, asio fiambenana eo amin’ny vavako; ary mpitily eo am-baravaran’ny molotro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 13:5

Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Petera 1:5-7

Ka noho izany, aoka kosa ianareo hikely aina fatratra, ka ny finoanareo asio hatsaram-panahy; ny hatsaram-panahy asio fahalalana; ny fahalalana asio fahalalana onony; ny fahalalana onony asio fandeferana; ny fandeferana asio fitiavam-bavaka; ny fitiavam-bavaka asio fitiava-namana; ny fitiava-namana asio fitiavana an’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy

Vavaka amin’Andriamanitra

Mahagaga Ianao ry Tompo ô! Lehibe tokoa ny hatsaranao sy ny fitiavanao. Misaotra Anao noho ny aina nomenao ahy, mampiseho ny fahamarinanao sy ny famindram-ponao isan'andro. Misaotra Anao fa tsy nandao ahy, teo anilako foana Ianao tamin'ny fotoan-tsarotra rehetra, notarihinao sy noraisinao an-tanana aho. Misaotra Anao amin'ny zava-drehetra, ary midera Anao aho noho ny sitraponao lavorina, tsara ny fisainanao ary lavorary ny asanao rehetra. Eo anatrehanao ny foko ry Tompo, koa havaozy sy amboary ary ovay araka ny endrikao. Ataovy olom-baovao aho, ahazava ahy mba haneho ny voninahitrao amin'ny asako rehetra, mba ho afaka hitia ny hafa taahaka ny nitiavanao ahy. Omeo fo madio aho, fo tsara, fo manetry tena, feno fahalemem-panahy, mahari-po fa be famindram-po. Jesosy ô, eo anatrehanao aho, te ho lasitra eo an-tananao. Tsy te-hia velona intsony aho fa Ianao no te-hia velona ato anatiko, ary aoka ny teninao ho eo am-bavako mandrakariva mba tsy ho sasatra aho mitantara ny fahagaganao sy manao soa amin'izay rehetra manodidina ahy. Amin'ny anaran'i Jesosy, misaotra Anao amin'ny zava-drehetra, Amena.
Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra