Ary hoy i Jesoa taminy: «Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.»
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manam-pahefana etỳ an-tany hamela heloka, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.»
Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.
Tonga indray ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny Poblikanina mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin’ny zanany ny Fahendrena.
fa tahaka ny nitoeran’i Jônasy hateloan’andro sy hateloan’alina tany an-kibon’ny hazandrano lehibe no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany koa.
Ary nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa dia nanontany ny mpianany hoe: «Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?»
Fa ny Zanak’olona dia ho avy, amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny Anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy.
Nefa lazaiko aminareo fa tonga sahady i Elia, fa tsy fantatry ny olona izy, ka nanaovany izay sitraky ny fony. Ary ho tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’olona.»
Hoy i Jesoa taminy: Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana, ny Zanak’olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.
«Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna, ary ireo hanameloka Azy ho faty,
Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fiavian’ny Zanak’olona.
Amin’izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran’ny Zanak’olona, ka handòn-tratra avokoa ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany; ary ho hitany eo ambonin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona avy, amin-kery sy voninahitra lehibe.
Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.»
Ary rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
«Fantatrareo fa raha afaka indroa andro dia tonga ny Paka, ary ny Zanak’olona hatolotra hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.»
Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy, kanefa mila loza izay olona hamadika ny Zanak’olona! tsara ho azy ny tsy teraka.»
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manam-pahefana etỳ an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy:
Tamin’izay nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana,
Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe, mitsangan-ko velona avy any amin’ny maty.
Ary lazaiko aminareo fa efa tonga sahady i Elia, sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony, araka ny nanoratana azy.»
«Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny Jentily;
Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy, eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra.
Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; nefa loza no hanjò an’izay hamadika Azy! Tsara ho an’izany lehilahy izany ny tsy teraka.»
Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana hamela heloka etỳ an-tany ny Zanak’olona, dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy: mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.»
Tonga indray ny Zanak’olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.
sady nampiany hoe: «Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’olona, ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty amin’ny andro fahatelo.»
Dia talanjona izy rehetra noho ny halehiben’Andriamanitra. Ilay mbola gaga tamin’izay rehetra nataon’i Jesoa iny izy rehetra, dia hoy Izy tamin’ny mpianany: «Alatsaho tsara ao amin’ny sofinareo izao rehetra izao, satria tsy maintsy atolotra ao am-pelatanan’ny olona ny Zanak’olona.»
Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasy tamin’ny olona tany Niniva no haha-famantarana ny Zanak’olona koa amin’ity taranaka ity.
Ary lazaiko aminareo koa fa na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia hoeken’ny Zanak’olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra;
Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka ihany; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony.
Dia hoy koa Izy tamin’ny mpianany: «Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’olona, fa tsy hahita ianareo.
Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rehefa tonga ny Zanak’olona, moa mba hahita finoana etỳ ambonin’ny tany Izy?»
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe.
Dia hoy koa Izy: «Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin’ny Zanak’olona ianareo.»
Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy Izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’olona Izay any an-danitra.
Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona koa,
Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase»
Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: «Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?»
Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany, ka hoy Izy taminy: «Mahatafintohina anareo va izany?
Ka hoy i Jesoa taminy: «Rehefa voasandratrareo ny Zanak’olona vao ho fantatrareo fa Izaho no Izy, sady tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa izay nampianarin’ny Ray Ahy no lazaiko.
Ary namaly azy i Jesoa, ka nanao hoe: «Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’olona.
Ka hoy ny vahoaka namaly Azy: «Efa renay tamin’ny Lalàna fa maharitra mandrakizay i Kristy, ka ahoana no lazainao hoe: ‹Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona?› Iza moa izany Zanak’olona izany?»
Nony efa nivoaka izy, dia hoy i Jesoa: «Nomem-boninahitra izao ny Zanak’olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy.
Fa indray nihoraka izy rehetra, sady nanentsin-tadìny no niara-niantoraka taminy.
Vao mainka nihanahery anefa i Saoly sy nandresy lahatra ny Jody nonina tao Damasy, naneho marimarina tamin’izy ireo fa i Jesoa no Kristy.
Izy nandidy anay hitory amin’ny vahoaka sy hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho mpitsara ny velona sy ny maty.
Satria Izy efa nanendry andro anankiray hitsarany an’izao tontolo izao araka ny rariny, amin’ny alalan’ny Lehilahy anankiray izay efa voatendriny sy nohamarininy mba hinoan’ny olona rehetra, tamin’ny nananganany Azy ho velona avy any amin’ny maty.»
Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra ankabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.
Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io, mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy, no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.
Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,
Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Avy amin’ny tany ny olona voalohany, ka tany; fa avy amin’ny lanitra kosa ny Olona faharoa, ka lanitra.
fa rehefa feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna,
fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,
fa ankehitriny kosa dia nampihavaniny amin’ny Tenany nofo tamin’ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,
fa rehefa hiseho i Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo
Fa amin’ny andininy anankiray any ho any misy koa filazana manao hoe: Inona moa ny olombelona no ahatsiarovanao azy; ary izay zanak’olombelona no amangianao Azy?
Koa satria mana-nofo aman-dra ny zaza, dia mba naka izany koa Izy, handringanany amin’ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, dia ny devoly,
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.
Eny tokoa, dia mpisorom-be toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra;
fa Izy kosa, indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;
mihazo ny lalam-baovao sy velona nosantarany ho antsika mamaky ny efitra lamba, izany hoe ny nofony,
Koa mifampieke fahotana ianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.
Fa efa toy ny ondry nania ianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.
Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.
Fantatrareo anefa fa Izy no niseho dia mba hanala ny fahotana; ary tsy mba misy ota ao aminy.
Izay manota dia avy amin’ny devoly, fa mpanota hatrany am-boalohany ny devoly. Ary ny handrava ny asan’ny devoly no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra.
Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy, tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahy tokana ho amin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Ary teo afovoan’ireo fanaovan-jiro ireo, dia nisy anankiray toy ny Zanak’olona, niakanjo akanjo rebareba, nietra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany;
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Tiatira: Izao no lazain’ny Zanak’Andriamanitra, Izay toy ny lelafo ny masony, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano.
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Laodisea: Izao no lazain’ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, fototry ny zava-boaarin’Andriamanitra.
Dia hoy ny anankiray tamin’ny Anti-dahy tamiko: «Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny liona avy amin’ny fokon’i Jodà sy solofon’i Davida, ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombokaseny fito.»
Dia nijery aho, ka indro nisy rahona fotsy, ary teo amboniny nisy olona nipetraka sahala amin’ny Zanak’olona; satroboninahitra volamena no teny an-dohany, antsy fijinjana maranitra no teny an-tanany.
Ary izany koa no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba any amin’ny fanjakan’ny lanitra,
Andriamanitra nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha eo ankavanako ianao ambara-panaovako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao?
Dia hoy i Jesoa taminy: «Voalazanao. Ary lazaiko aminareo koa fa indray andro any ianareo hahita ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra be fahefana sy avy, eo amin’ny rahon’ny lanitra.»
ka novalian’i Jesoa hoe: «Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’Ilay mahefa ny zavatra rehetra sy avy, eo ambonin’ny rahon’ny lanitra.»
Dia hoy izy tamin’i Jesoa: «Tompoko, tsarovy aho rehefa mby any amin’ny fanjakanao Ianao.»
nanao hoe: «Ry lehilahy avy any Galilea, nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra? Iny i Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra.»
Koa amin’izany àry, aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny, no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
Ianareo namono ny Tompon’ny aina; fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona, ary izahay ireto no vavolombelon’izany.
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io.
Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo.
Fa i Etienina kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra, ka nahita ny Voninahitr’Andriamanitra sy i Jesoa nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, ary nanao hoe: «Indro hitako ny lanitra misokatra, mbamin’ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra.»
Nampitondra teny tamin’ny zanak’i Israely Izy, mba hanambara fiadanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, izay Tompon’izao rehetra izao.
Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an’i Israely.
ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan’ny maty, araka ny fanahin’ny fahamasinana, dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
azy koa ny Patriarka, sady avy aminy araka ny noho i Kristy, izay ambonin’ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.
Satria i Kristy no maty sy velona indray, dia ny mba haha Tompon’ny maty sy ny velona Azy.
Noho izany, aza mitsara alohan’ny fotoana, dia mandra-pahatongan’ny Tompo fa Izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny hevitry ny fo, ary amin’izay vao samy hahazo izay dera tandrify azy tsirairay avy.
ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama, no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy,
Ary ilay fampanantenana natao tamin’i Abrahama sy ny taranany, izay tsy ataony hoe: ny taranany toy ny milaza maro, fa ny taranakao, hoy izy, toy ny manondro tokana, izany hoe i Kristy,
Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany, tamin’ny nananganany azy ho velona, sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra,
Dia izany no naseho ankehitriny izao tamin’ny alalan’ny Eglizy, ka tonga fantatr’ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra ny fahaizan’Andriamanitra mamoron-kevitra,
mandra-pahatongantsika rehetra ao amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy;
Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo,
Izy no Lohan’ny tena, izany hoe ny Eglizy; Izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin’ny maty, mba ho Loha amin’ny zavatra rehetra Izy;
ao aminy no anananareo ny zavatra rehetra, fa Izy no lohan’izay rehetra mety ho fanapahana sy fahefana;
nefa olona tsy mikambana amin’ny Loha, Izay iveloman’ny tena manontolo, sy iraisany tsara amin’ny hozatra amam-pamavàny, ka ahazoany ny fitomboana tian’Andriamanitra homena azy.
Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika.
Koa amin’izany, ry havana masina, mpiombona amin’ny fiantsoana ho any an-danitra, diniho ilay Apôstôly sy ny mpisorom-ben’ny finoana arahintsika, dia i Jesoa,
dia any amin’izay efa nidiran’i Jesoa ho Mpialoha antsika, rehefa natao mpisorom-be mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.
Fa tsy mba fitoerana masina nataon-tanana sy tandindon’ny tena izy fotsiny no nidiran’i Kristy, fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika ankehitriny.
mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy.
Nohadihadian’izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran’ny Fanahin’i Kristy izay tao anatiny, ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjò an’i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany.
Manatòna Azy, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa, nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa;
Fa izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe: Indro Aho mametraka vato fehizoro ao Siôna, dia vato voafidy sy sarobidy, ary izay mino azy tsy hangaihay.
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.
Ary izany fanambaràna izany dia izao: nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.
Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao, izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy; ireny no mpamitaka sy antikristy.
Indro Izy avy eo amin’ny rahona, ka hahita Azy ny maso rehetra, na dia ny an’ireo nandefona Azy aza; ary handòn-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy. Eny. Amen.
Izay handresy dia hampitafina lamba fotsy toy izany koa; ary tsy hamono ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana Aho, fa hankalaza ny anarany eo anatrehan’ny Raiko, sy eo anatrehan’ny Anjeliny.
Izay handresy dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako; toa Ahy nandresy koa, ka miara-mipetraka amin’ny Raiko, eo amin’ny seza fiandrianany.
Ary hitako, fa indro, teo afovoan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra, sy teo afovoan’ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak’ondry nitsangana, tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina any amin’ny tany rehetra.
Fa ny Zanak’ondry, izay mipetraka eo afovoan’ny seza fiandrianana, no ho Mpiandry azy, sy hitondra azy ho amin’ny loharanon’aina, ary Andriamanitra no hamaoka ny ranomaso rehetra amin’ny masony.»
Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe: «Ankehitriny dia an’Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana; an’i Kristiny koa ny fahefana; efa voazera ilay mpiampanga ny namantsîka, dia ilay miampanga azy andro aman’alina eo anatrehan’ny Andriamanitsika.
izao no anarany voasoratra tamin’ny lambany sy ny feny: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.
Ary na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona, dia hahazo famelan-keloka ihany: fa izay hanao teny manohitra ny Fanahy Masina kosa, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin’ity fiainana ity na amin’ny ho avy.»
Fa toy ny ananan’ny Ray ny fiainana ao anatiny, no nanomezany ny Zanaka hanana ny fiainana ao anatiny koa.
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.
sy i Jesoa mpanalalana amin’ny fanekena vaovao, ary ny Ran’ny famafazana izay miteny tsaratsara kokoa noho ny an’i Abela.