Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 5:5 - Baiboly Katolika

5 Dia hoy ny anankiray tamin’ny Anti-dahy tamiko: «Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny liona avy amin’ny fokon’i Jodà sy solofon’i Davida, ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombokaseny fito.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Hoy anefa ny iray tamin’ny loholona tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin’ny firenen’i Joda, dia ny Solofon’i Davida, no efa nandresy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Dia hoy ny anankiray tamin’ireo loholona tamiko: –Aoka izay ny ranomasonao! Indro ny liona avy amin’ny fokon’i Joda, dia ilay solofon’i Davida mpanjaka, fa nahazo fandresena ka afaka hamaha ireo tombokase sy hanokatra ny horonamboky.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia hoy ny anankiray tamin’ireo loholona tamiko: –Aoka izay ny ranomasonao! Indro ny liona avy amin’ny fokon’i Joda, dia ilay solofon’i Davida mpanjaka, fa nahazo fandresena ka afaka hamaha ireo tombokase sy hanokatra ny horonamboky.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary ny anankiray tamin’ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin’ny firenen’i Joda, dia ny Solofon’i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary ny anankiray tamin'ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny Solofon'i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 5:5
25 Rohy Ifampitohizana  

ary nisy liona 12 amin’ny ambaratonga enina, dia enina isan-daniny avy. Tsy nisy zavatra natao toy izany na tamin’ny fanjakana inona na tamin’ny fanjakana inona.


Io seza fiandrianana io, dia nisy ambaratonga enina, fitoeran-tongotra volamena iray raiki-tena amin’ny seza fiandrianana, fitehenan-tanana teo an-daniny avy amin’ny fipetrahana, liona roa manolotra ireo fitehenan-tanana,


Mirary avokoa ny hozatry ny nofony, sady miraikitra mafy aminy tsy azo hotsonina.


Misy rantsana hipoitra amin’ny fototr’i Jese, ary misy solofo haniry avy amin’ny fakany.


Izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny solofon’i Jese, voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin’ny firenena, ary ho be voninahitra ny fonenany.


Izao no lazain’i Iaveh: Sakano ny feonao tsy hitaraina ary ny masonao tsy hitomany; fa hahazo valisoa ny asanao, - teny marin’i Iaveh. - Hody avy any an-tanim-pahavalo izy ireo.


Manongalika izy ary mandry toy ny liona, Toy ny liom-bavy, ka zovy no hampifoha azy? Hohasoavina anie izay hitso-drano anao! Ho voaozona anie izay hanozona anao!»


Fa nitodika azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Ry zanaka vavin’i Jerosalema, aza mitomany Ahy foana, fa ny tenanareo sy ny zanakareo no itomanio,


Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: «Aza mitomany.»


Nitomany sy ory azy ny olona rehetra, fa hoy i Jesoa: «Aza mitomany ianareo; tsy maty izy fa matory.»


Dia hoy izy ireo taminy: «Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?» Ka hoy izy namaly ireo: «Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.»


momba ny Zanany izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo,


Hoy koa i Izaia: Hisy solofon’i Jese, izay hitsangana hifehy ny Jentily; Izy no hitokian’ny firenena rehetra.


satria fantatra miharihary fa avy amin’i Jodà foko tsy mba voalazan’i Môizy ho nisy mpisorona akory ny Tompontsika.


Fanambaràn’i Jesoa Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hanehoany amin’ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana sy nanirahany Anjely hampahalalaina an’i Joany mpanompony;


Izaho Jesoa no naniraka ny Anjeliko hanambara ireo zavatra ireo aminareo ho an’ny Eglizy. Dia Izaho ilay solofo sy taranak’i Davida ary kintana mamirapiratra fitarika andro.


Izay handresy dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako; toa Ahy nandresy koa, ka miara-mipetraka amin’ny Raiko, eo amin’ny seza fiandrianany.


ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan’ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe:


Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana anankiray, ka Anti-dahy 24 koa no nipetraka tambonin’ireo; fitafiana fotsy no nentiny, ary satroboninahitra volamena no teny an-dohany.


Koa nitomany mafy aho, fa tsy hita izay mendrika hanokatra ny boky sy hijery azy.


Ary hitako fa nosokafan’ny Zanak’ondry ny iray tamin’ny tombokase fito; ka reko niteny toy ny kotro-baratra ny iray amin’ny Zava-manana aina efatra, nanao hoe: «Avia hijery.»


Tamin’izay, ny iray tamin’ireo Anti-dahy nanao tamiko hoe: «Iza moa ireo miakanjo fotsy, ary avy aiza no niaviany?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra