Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 2:6 - Baiboly Katolika

6 Fa amin’ny andininy anankiray any ho any misy koa filazana manao hoe: Inona moa ny olombelona no ahatsiarovanao azy; ary izay zanak’olombelona no amangianao Azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Fa nisy iray nanambara eo amin’ny teny iray hoe: «Inona ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona no amangianao azy?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 Fa ao amin’ny Soratra Masina ao, dia misy manambara manao hoe: «Inona moa izay olombelona, Andriamanitra ô, no mba tsarovanao? Inona moa izay zanak’olombelona no mba ahînao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Fa ao amin’ny Soratra Masina ao, dia misy manambara manao hoe: «Inona moa izay olombelona, Andriamanitra ô, no mba tsarovanao? Inona moa izay zanak’olombelona no mba ahînao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Fa ny anankiray nanambara eo amin’ny teny iray hoe: ,,Inona ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Fa ny anankiray nanambara eo amin'ny teny iray hoe: "Inona ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Fa nisy iray nanambara eo amin’ny teny iray hoe: «Inona ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona no amangianao azy?

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 2:6
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Josefa tamin’ireo rahalahiny: «Izaho ity ho faty; nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa sy hampiakatra anareo avy amin’ity tany ity ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.»


Fa inona ny olombelona no mba hadio, izay tera-behivavy, no mba ho marina?


Ka mainka izay olombelona kankana foana, sy izay zanak’olombelona olitra tsy manjary!»


Iaveh ô, inona moa ny olombelona no mba heverinao, ny zanak’olombelona, no mba ahìnao?


Ny firenena rehetra tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, fa ataony zava-poana sy tsinontsinona.


Izaho dia Izaho no mampionona anareo; fa iza moa ianao no dia matahotra olombelona mety maty, zanak’olombelona mihelina hoatra ny ahitra;


«Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny olony,


Noho ny halehiben’ny famindram-pon’ny Andriamanitsika nampiposaka ny Masoandro hamangy antsika avy any ambony,


Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: «Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony.»


ary ny tsy hisian’olona manao an-keriny na an-kafetsena amin’ny rahalahiny amin’izany raharaha izany, fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany, araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo;


Ary na efa vita tanteraka hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao aza ny asany, dia hoy Izy, amin’ny andininy anankiray any ho any ny amin’ny andro fahafito hoe: Ary Andriamanitra niala sasatra tamin’ny asany rehetra, tamin’ny andro fahafito;


sy nilaza amin’ny teny hafa koa hoe: Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.


Nohadihadian’izy ireo izay andro sy toe-javatra nambaran’ny Fanahin’i Kristy izay tao anatiny, ka nampahafantatra azy rahateo ny fijaliana hanjò an’i Kristy sy ny voninahitra hanaraka izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra