Ao amin'ny Baiboly dia matetika no miresaka momba ny divay, ary misy dikany lehibe amin'ny tantara maro samihafa izy. Matetika izy no maneho fifaliana sy fankalazana, nefa koa misy resaka momba ny lafiny ratsiny. Mety maneho fitahiana na loza ny divay, miankina amin'ny teny manodidina azy.
Ohatra, ao amin'ny Testamenta Taloha, ny divay dia mifandray amin'ny harena sy ny fitahian'Andriamanitra. Rehefa avy tamin'ny Safodrano, i Noa dia namboly voaloboka ka nahazo divay, araka ny voalaza ao amin'ny Genesisy. Izany divay izany dia maneho ny fitahiana sy ny vokatry ny tany nomen'Andriamanitra antsika olombelona.
Na izany aza, ampitandremana momba ny loza ateraky ny fisotroan-divay tafahoatra ihany koa isika ao amin'ny Soratra Masina. Ao amin'ny Ohabolana, voalaza fa mety ho fakam-panahy ny divay, mitarika ho amin'ny fahamamoana sy ny tsy fahaizana mandanjalanja. Asaina isika mba tsy hihoatra fatra sy hifehy tena.
Ao amin'ny Testamenta Vaovao indray, i Jesosy dia nanao ny fahagagana voalohany tamin'ny fampakaram-bady tao Kana, izay nanovany ny rano ho divay. Maneho ny heriny sy ny faniriany hitondra fifaliana eo amin'ny fiainantsika izany. Tsaraintsika anefa fa nampirisika ny antonony sy ny fahononam-po foana i Jesosy. Koa aoka isika hanao ny zavatra rehetra amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.
Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy Masina ianareo.
Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao, ary sotroy am-piravoravoam-po ny divainao; fa efa asehon’Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.
ary ny hero-dronono avy amin’ny ombivavy sy ny rononon’ondry, mbamin’ny tavin’ny zanak’ondry, sy ny ondralahy teraka tany Basàna sy ny osilahy, ary ny vary faran’izay tsara indrindra; ary ny ran’ny salohim-boaloboka no nosotroinao dia ny divay mandroatra.
Mpiasa tany i Nôe, ka nanomboka namboly voaloboka izy. Nony nisotro divay dia mamo sy niboridana nanary lamba tao an-dainy izy.
Ny hanarana ny nofoko amin’ny divay no nimasoako tao am-poko, nefa amin’izay dia mbola hotarihin’ny foko amim-pahendrena ihany aho; ary hiraikitra amin’ny hadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an’ny zanak’olombelona, hataony amin’ny andro iainany atỳ ambanin’ny lanitra.
I Melkisedeka mpanjakan’i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron’Andriamanitra avo indrindra izy.
Aza dia tsy misotro afa-tsy rano, fa mba misotroa divay kely koa, noho ny ambavafonao sy ny fahosaosanao matetika.
Fa hoy ny navalin’Isaaka an’i Esao: «Efa natsangako ho tomponao izy; sady efa nomeko azy ho mpanompony ny rahalahiny rehetra, ary nataoko be vary aman-divay izy. Ka ny aminao inona indray no azoko atao, anaka?»
Miaraka amin’ny ondry voalohany, hatolotrao koa ny lafarina tsara indrindra, ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilon’ny ôliva, voatoto, ampahefatry ny hina, ary divay ampahefatry ny hina ho fanatitra hararaka.
«Aza misotro divay na fisotro mahamamo ianao, sy ny zanakao koa, rehefa hiditra ao an-trano lay fihaonana, mba tsy hahafaty anareo,
Ny fanatitra hampombaina an’io, dia lafarina tsara indrindra roa ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilo, ho fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh; ary ny fanatitra araraka dia divay ampahefatry ny hina.
dia hifady divay amam-pisotro mahamamo izy; tsy hisotro vinaingitra avy amin’ny divay na vinaingitra avy amin’ny fisotro mahamamo. Rehefa mety ho ranom-boaloboka koa na ny lena na ny maina.
Amidio an’izay rehetra irin’ny fanahinao amin’ny vola: na omby, na ondry, na divay, na lalikera misy alikôla, izay rehetra tian’ny fanahinao, ka mihinàna eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, ary mifalia ianao sy ny ankohonanao.
satria lamba azony tamin’ny tsatòka no iamparany eny anilan’ny ôtely rehetra eny; ary ny divay avy amin’izay nosaziny lamandy no sotroiny ao an-tranon’ny andriamaniny.
mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy, mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony.
Kôpy lehibe no isotroany divay; diloilo manitra faran’izay tsara no ihosorany; ary tsy mankararirary azy akory ny loza manjò an’i Josefa.
mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony.
Hampodiko indray ny babo amin’i Israely vahoakako; ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray; ny voaloboka hamboleny, hisotroany ny divay avy aminy; hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.
Mpamazivazy ny divay, mpitabataba ny toaka, ka izay miarana amin’izany tsy mba hendry.
Ny tsara, dia tsy mihinan-kena, na misotro divay, na manao na inona na inona izay hahatafintohina, na hahalavo, na hahalemy ny mpiray finoana aminao.
hanao fanatitra hararaka, divay hampahefatry ny hina, miaraka amin’ny sorona dorana, na ny sorom-pihavanana, isan-janak’ondry.
Ho amin’ireo mijanonjanona ela amin’ny divay; ho an’ireo mandeha manandrana divay miharo zava-manitra. Aza mijery ny divay: He izany hamenany, izany famirapirany eo amin’ny kopy, izany fikararànany mora loatra. Fa hanaikitra toy ny bibilava izy amin’ny farany, ary hanindrona toy ny menarana. Dia ho any amin’ny vehivavy an’olon-kafa ny masonao, ary hanao resaka ratsy ny fonao. Hanahaka ny olona mandry eo afovoan’ny ranomasina, ianao; na ny olona matory eo an-tampon’ny andrin-tsambo. Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy mahatsiaro maharary; nandalasiny aho... fa tsy mahare na inona na inona!... Rahoviana aho no hifoha?... Mbola ilaiko ihany izany!
Ho tiany sy hosoaviny ary hampitomboiny ianao, hosoaviny ny naterakao sy ny vokatry ny taninao koa, dia ny varinao, ny ranom-boalobokao vaovao, ny diloilonao, ny terak’ombinao, ny zanak’ondrinao, any amin’ny tany nianianany tamin’ny razanao homena anao.
ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro, sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra, dia fanomezan’Andriamanitra izany.
dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; fa nony nandramany dia tsy nety nisotro Izy.
Ho an’ireo mpaminany: Ny foko torotoro ato anatiko; ny taolako rehetra mipararetra; izaho hoatra ny olona mamo hoatra ny olona leon-divay, eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny teniny masina.
Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa atỳ amin’ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinàna; avia hividy tsy amim-bola, na takalo, hividy divay sy ronono.
Dia nataony toy izany koa ny kalisy rehefa avy nihinana, ka hoy izy: «Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako, izay alatsaka ho anareo.»
Dia hoy i Isaaka: «Arosoy àry hohaniko izato hazan’ny zanako, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao.» Dia naroson’i Jakôba teo anoloany izany ka nihinana izy; ary notolorany divay koa; ka nisotro.
Ho avy izy, omban-kobim-pifaliana ho eo amin’ny havoan’i Siôna. Hitanjozotra ho eo amin’ny zava-tsoan’i Iaveh izy ireo, ho amin’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo, ho amin’ny ondry aman’omby; ho toy ny saha vonton-drano ny fanahiny, ka hitsahatra tsy halazo intsony.
Kanjo fety amam-piravoravoana no hita; manominda omby ny olona, mamono ondry, mivoky hena sy misotro divay, manao hoe: «Aoka hihinana sy hisotro isika, fa ho faty ihany rahampitso.»
Ary ny barìka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao; fa raha izany, dia ho vaky ny barìka, ka ny divay raraka, ary ny barìka simba; fa ny barìka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa.»
Hanomanan’i Iavehn’ny tafika amin’ity tendrombohitra ity ho an’ny firenena rehetra, fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka, divay ela niotrehana sy voatantavana.
Ho tratry ny fahantrana izay tia fifaliana, tsy mba mitombo harena izay tia divay aman-diloilo manitra.
Lazaiko aminareo, fa tsy hisotro amin’itony vokatry ny foto-boaloboka itony intsony Aho, ambara-piavin’izay andro hiarahako misotro aminareo ny vaovao indray, any amin’ny fanjakan’ny Raiko.»
Rehefa mety no mpisorona tsy hisy hisotro divay, raha hiditra ao amin’ny kianja anatiny.
Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.»
Toy izany no nahatongavanareo teto amin’ity toerana ity. Nivoaka nitsena antsika hiady tamintsika i Sehôna mpanjakan’i Hesebona, sy i Oga mpanjakan’i Basàna, fa resintsika
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta; fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin’ny siny hoditra; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa.»
Tsy misy manisy divay vaovao amin’ny hoditra tonta koa, fa raha izany dia ho rovitry ny divay vaovao ny siny hoditra ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina; fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao, dia samy haharitra izy roroa.
Tonga indray ny Zanak’olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.
fa lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra.»
Nony afaka hateloana dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa. ka nanao taminy hoe: «Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny.» Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany.
tsy azonareo atao ny sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo no hihinana amin’ny latabatry ny demony koa.
Toy izany koa, nony efa nihinana, dia noraisiny ny kalisy ary hoy Izy: «Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro ianareo»
ary feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.
amin’ny vehivavy lehibe kosa, mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin’ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara,
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Mamelatra latabatra eo anoloako, eo imason’ny fahavaloko Ianao, feno mitafotafo ny kapoakako.
Nifoha, tahaka ny olona natory, ny Tompo, sahala amin’ny mpiady mahery leon-divay. Dia nasiany avy eo aoriana ny fahavalony, ka nataony afa-baraka mandrakizay.
Ry Andriamanitra ô, nanary anay Ianao, nampihahaka anay, efa tezitra Ianao: ataovy mahita fitia aminao indray izahay.
Fa ny efa ho faty no omeo toaka, ary ny efa vontom-pahoriana ny fanahiny no omeo divay; aoka hisotro izy, ka hanadino ny fahoriany ary tsy hahatsiaro ny manjò azy intsony.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina; sy izay nisasaranareo, amin’izay tsy mahavoky? Koa mihainoa Ahy, ary mihinàna izay tsara; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Narosoko teo anoloan’ny zanaky ny fianakavian’ny Rekabita siny feno divay mbamin’ny kapoaka, dia hoy aho taminy: «Misotroa divay ianareo.» Fa hoy kosa izy ireo: «Tsy mba misotro divay izahay: satria izao no didy napetrak’i Jônadaba, zana-dRekaba, razanay, taminay: ‹Aza misy misotro divay, na ianareo na ny zanakareo mandrakizay;
I Damasa nifampivarotra taminao, ny amin’ny habetsahan’ny vokatrao, sy ny habetsahan’ny fanananao, izay notakalozany ny divain’i Helbôna sy ny volon’sondrin’i Tsakara.
Mifohaza ianareo mpimamo, ka mitomania; ianareo rehetra mpisotro divay dia midradradradrà, noho ny amin’ny divay vaovao; izay notapahina tsy ho amin’ny vavanareo intsony.
Raha misy olona manenji-drivotra, ka milazalaza lainga manao hoe: «Haminany divay aman-dabiera ho anao aho!» dia izay no ho mpaminanin’ity firenena ity.
Fa toy ny mpiady mahery, ry zareo Efraima, hifaly toy ny fifaliana amin’ny divay ny fony; hahita izany ireo zanany, ka hiravoravo, ary hientan-kafaliana amin’i Iaveh ny fon’izy ireo!
Tonga indray ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny Poblikanina mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin’ny zanany ny Fahendrena.
Raha efa izany, dia nandray ny kalisy Izy, ary rehefa nanao fisaorana dia nomeny azy ireo nataony hoe: «Isotroinareo rehetra ity;
Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra.
Fa ho lehibe eo imason’ny Tompo izy: tsy hisotro divay na zava-mahamamo izy, sady ho fenon’ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny;
Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranom-bahiny ka nitsabo azy.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Izaho aloha, ry kristianina havana, raha ny aminareo, dia matoky aho fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra ianareo, sady mahay mifananatra koa.
fa eo am-pihinanana dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo, ka ny sasany noana, ny sasany kosa mamo! Tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manazimba ny tranon’Andriamanitra, ka sahy manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsia, tsy hidera anareo amin’izany velively aho!
Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy va?
Fa terin’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra;
izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàn-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.
Koa raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo, na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo, mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray. Noho izany, ry malalako, efa nanaiky mandrakariva koa ianareo, ka miasà amin-tahotra sy hovitra hanapitra ny famonjenareo tena, tsy tahaka ny fony aho tany aminareo fotsiny, fa mihoatra noho izany aza amin’izao aho tsy any aminareo izao, fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo. Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra, mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao, mitana ny tenin’ny fiainana; dia hisy ho reharehako amin’ny andron’i Kristy, fa tsy ho nihazakazaka foana aho, na ho nisasatra foana. Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidina hampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra. Mifalia amin’izany koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko. Manantena ao amin’i Jesoa Tompo aho fa haniraka an’i Timote faingana aty aminareo, mba hifaliako koa rehefa reko ny toetranareo; dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra,
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika, fa aoka hiari-tory sy hifady hanina. Fa ny alina no fatorian’izay matory, ary ny alina no fimamoan’izay mimamo. Koa aoka isika an’ny andro kosa hifady ary hitafy ny finoana amam-pitiavana ho fiarovan-tratra, sy ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
Fa ny olon-dehibe no sahaza ny ventin-kanina, dia ireo efa zatra nampiasa ny sainy hanavaka ny tsara sy ny ratsy.
Misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana. Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy; ary aoka ireo no hivavaka ho azy ka hanosotra diloilo azy amin’ny Anaran’ny Tompo.
Ampy ny nanarahanareo ny fanaon’ny Jentily fahizany, izay nanarananareo fo tamin’ny fitondran-tena ratsy, fanirian-dratsy, fimamoana, fihinanana amam-pisotro tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy mahameloka indrindra.
izany no ho valin’ny faharatsiany. Ny mahafinaritra azy ireo dia ny fy sendra isan’andro, ka feno tsiny amam-pondro izy; ataony fifaliana ho azy ny mamitaka anareo, amin’ny fiaraha-mihinam-py aminareo.
Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra Aminao; hafaliana tsy mety tapaka ny azy; dia hiaro azy Ianao; hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny Anaranao.
Izao no fiandohan’ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena; izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana.
Foana ny fifaliana amam-piravoravoana eo amin’ny sahan-kazo mamoa, tsy misy hira na hobin-kafaliana intsony eo amin’ny tanimboaloboka; ny mpioty voaloboka, tsy mamia divay eo amin’ny famiazana intsony; efa natsahatra ny hobin’ny mpamia.
tsy mihinana eny an-tendrombohitra, tsy manandra-maso amin’izay sampin-dozan’ny taranak’i Israely, tsy manala baraka ny vadin’ny namany, tsy mandeha amin’ny vehivavy izay mbola ao anatin’ny fahalotoana,
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja; ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy; hitete avy amin’ny tendrombohitra ny divay vaovao, ary ny havoana rehetra hitsonika.
Hamafy ianao, fa tsy hijinja; hamia ôliva ianao, fa tsy hihosotra diloilo; hamia ranom-boaloboka, fa tsy hisotro divay.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanomponareo, ary izay te ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho andevonareo rehetra.
Ary hoy kosa Izy tamin’ilay nanasa Azy: «Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rehefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao.»
ka nanao taminy hoe: «Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny.»
Tsy misy fady ho ahy ny zavatra rehetra, nefa tsy àry mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy fady ho ahy ny zavatra rehetra, nefa tsy misy avelako hanandevo ahy na inona na inona.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.
Fa ny miadidy ny Eglizy, dia mpitandrin’Andriamanitra, ka tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny, tsy miavonavona, tsy mora tezitra, tsy tia divay loatra, tsy mpikapoka, tsy mpila vola;
Aza mety havilin’ny fampianarana samihafa ianareo; fa aleo mampiorina ny fo amin’ny fahasoavana, toy izay amin’ny hanina izay tsy mahasoa ny miraiki-po aminy.
Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.
Endrey, mamy loatra amin’ny lanilaniko ny teninao, manoatra noho ny tantely amin’ny vavako.
Izay mandeha tsy manan-tsiny no mandeha matoky; fa izay maniasia lalana, ho fantatra eny ihany.
Misakafo ny olona hiaranana amin’ny fahafinaretana; ny divay maharavoravo ny fiainana, ary ny vola, ahazoana ny zavatra rehetra.
Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.