Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 24:7 - Baiboly Katolika

7 Ny ranom-boaloboka misaona; ny fotony milofika; ireo nifaly am-po rehetra misento.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny foto-boaloboka; misento avokoa ireo izay nifaly am-po;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Misaona ny divay vaovao fa milofika ny rantsam-boaloboka, misento avokoa ireo mpifalifaly am-po.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Misaona ny divay vaovao fa milofika ny rantsam-boaloboka, misento avokoa ireo mpifalifaly am-po.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka, Misento avokoa ilay nifaly am-po;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka, misento avokoa ilay nifaly am-po;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny foto-boaloboka; misento avokoa ireo izay nifaly am-po;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 24:7
7 Rohy Ifampitohizana  

Foana ny fifaliana amam-piravoravoana eo amin’ny sahan-kazo mamoa, tsy misy hira na hobin-kafaliana intsony eo amin’ny tanimboaloboka; ny mpioty voaloboka, tsy mamia divay eo amin’ny famiazana intsony; efa natsahatra ny hobin’ny mpamia.


Fa zoin-doza avokoa ny sahan’i Hesebona; ny amin’ny voalobok’i Sabamà, dia efa noravan’ny tompon’ny firenena ny sakeliny mandadina, izay efa nisandrahaka hatrany Jazera, nandroso tsy hita lany tany an’efitra, nandefa lavitra ny solofony, nampita ny ranomasina.


Hataoko mitsahatra eo an-tanànan’i Jodà, sy eny an-dalamben’i Jerosalema ny feo fifaliana sy ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra sy ny ampakarina; fa hanjary efitra ny tany.


Haninji-tanana hamely azy ireo Aho, ka hataoko lao sy simba ny taniny, hatramin’ny efitra ka hatrany Diblah, dia ho fantany fa Iaveh Aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra