Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 5:23 - Baiboly Katolika

23 Aza dia tsy misotro afa-tsy rano, fa mba misotroa divay kely koa, noho ny ambavafonao sy ny fahosaosanao matetika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Aza dia rano fotsiny no atao fisotro fa misotroa divay kely noho ny am-bavafonao sy ny fahosaosanao matetika.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

23 Aoka tsy dia ho rano fotsiny ihany no ho fisotronao, fa misotroa divay kely koa noho ny ambavafonao ary noho ny fahosaosanao matetika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Aoka tsy dia ho rano fotsiny ihany no ho fisotronao, fa misotroa divay kely koa noho ny ambavafonao ary noho ny fahosaosanao matetika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Aza misotro rano intsony, fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Aza dia rano fotsiny no atao fisotro fa misotroa divay kely noho ny am-bavafonao sy ny fahosaosanao matetika.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 5:23
11 Rohy Ifampitohizana  

mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony.


Rehefa mety no mpisorona tsy hisy hisotro divay, raha hiditra ao amin’ny kianja anatiny.


Nony tonga avy tany Masedônia i Silasy sy i Timote, dia nahery nitory teny i Paoly, ka nanamarina tamin’ny Jody fa i Jesoa no Kristy.


Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy Masina ianareo.


tsy lian-divay, tsy mikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy tia vola,


Toy izany koa ny Diakra, dia aoka ho olona maotona, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy tia harena foana,


Tsara avokoa anefa ny zavatra nataon’Andriamanitra, ka tsy misy tokony hatao fady, rehefa raisina amim-pisaorana koa.


Fa ny miadidy ny Eglizy, dia mpitandrin’Andriamanitra, ka tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny, tsy miavonavona, tsy mora tezitra, tsy tia divay loatra, tsy mpikapoka, tsy mpila vola;


amin’ny vehivavy lehibe kosa, mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin’ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra