Loza ho an’izay maniry ny andron’i Iaveh! ho inona ho anareo moa, ny andron’i Iaveh? Ho haizina izy, fa tsy ho fahazavana.
Aoka hinaonaona ianareo, fa antomotra ny andron’i Iaveh: toy ny fandravana ataon’ny Tsitoha no fiaviny.
Efa akaiky ny andro lehiben’i Iaveh, efa akaiky izy sady tamy haingana dia haingana! Injay migàdona ny andron’i Iaveh! Ho velon-taraina mangidy amin’izay ny olo-mahery fo. Fa izany andro izany, dia androm-pahatezerana, androm-pahoriana aman-tebiteby, andro fahalahelovana amam-pandravana, androm-pahamaizinana sy fanjombonana, andro mandrahona sady manjavona mainty,
Fa efa antomotra ny andro; antomotra ny andro ho an’i Iaveh! Andron-drahona! Io no fotoan’ny firenena!
Ho avy toy ny mpangalatra ny Andron’ny Tompo, ary amin’izany andro izany, ny lanitra hirimorimo mankarenina, ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo, ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.
Notsindrian’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Tompo aho, ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon-trômpetra,
satria efa mahalala marina rahateo ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.
Ny masoandro hanjary maizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, dia ilay sady lehibe no malaza;
Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany, mba tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Satria hisy andro anankiray ho an’i Iaveh, hamelezany ny fiavonavonana rehetra sy ny fianjonanjonana rehetra, hamelezana izay misandratra rehetra, hanonganany azy:
fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo, ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha; raha efa izany, hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka, dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Ampandrenesin’i Iaveh ny feony eo amin’ny loha tafiny; fa tsy erany ny haben’ny tobiny, ary mahery fo ny mpanatanteraka ny teniny. Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Iaveh, ka zovy no hahatanty an’izany?
Indro tonga ny andron’i Iaveh, andro fahalozàna, fahavinirana sy firehetam-pahatezerana, hampanjary ny tany ho efitra, sy handringana ny mpanota eo.
nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin’ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tsitoha;
(sady maro aza no efa mahalala anay tsara); fa izahay moa voninahitrareo, ianareo koa ho voninahitray toy izany, amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Satria indro i Iaveh tamy ao amin’ny afo; ary ny kalesiny dia sahala amin’ny tadio, hamoaka ny fahatezerany amim-pitenenana, sy ny fandrahonany amin’ny afo midedadeda. Fa amin’ny afo no anaovan’i Iaveh ny fitsarana, ary ny sabany no ampiharany azy amin’ny nofo rehetra; ary maro no ho voagorobak’i Iaveh.
Ary efa akaiky ny faran’ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.
Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina ao Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana amam-piofanana; ka hatodiny ny masony hijery ahy izay nolefoniny. Ary hanao fisaonana azy izy, toy ny fisaonana zanaka lahitokana; hitomany mafy azy izy ireo toy ny fitomany zanaka lahy matoa.
mandra-pahatongan’ny andro hampitsaràn’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ny asa takona ataon’ny olona, araka ny Evanjely ampianariko.
Mitadiava an’i Iaveh, ianareo manetry tena rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny lalàny; katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena. Ho tafaàloka angamba ianareo amin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh!
Satria Izy efa nanendry andro anankiray hitsarany an’izao tontolo izao araka ny rariny, amin’ny alalan’ny Lehilahy anankiray izay efa voatendriny sy nohamarininy mba hinoan’ny olona rehetra, tamin’ny nananganany Azy ho velona avy any amin’ny maty.»
Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Fanahin-devoly ireo, ary manao fahagagana sy mankany amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra, mba hamory azy ho amin’ilay andro lehiben’Andriamanitra tsitoha. -
Amin’izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran’ny Zanak’olona, ka handòn-tratra avokoa ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany; ary ho hitany eo ambonin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona avy, amin-kery sy voninahitra lehibe.
Tsofy ao Siôna ny anjomara; ary ampanenoy ao an-tendrombohitra masina ny trômpetra. Ary aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany, fa tonga ny andron’i Iaveh, fa efa antomotra!
Ary amin’izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino.
Amin’izany andro izany i Iaveh hisava any ambony ny tafika any ambony, ary etỳ an-tany ny mpanjakan’ny tany. Dia hatambatra efa voababo eny amin’ny hantsana sy hohidiana ao an-tranomaizina izy ireo, ka afaka andro maro be, vao hovangiana indray izy.
Koa mivaloza, ary mibebaha, mba hovonoina ny helokareo. Nisy kosa lehilahy anankiray malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny nentina isan’andro sy napetraka teo am-baravaran’ny Tempoly atao hoe Tsaraendrika, mba hangataka fiantrana tamin’izay niditra tao an-Tempoly. ka ho tonga ny andro mahavelombelona avy amin’ny Tompo, sy hanirahany an’Ilay voatendry ho anareo, dia i Jesoa Kristy, Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra ambara-piavin’ny andro fanavaozana ny zavatra rehetra, araka izay voalazan’Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany masina, hatramin’ny ela.
mba tsy hety hohozongozonin-tsaina mora foana ianareo, na ho azo ampitahorina foana, na amin’ny fanahy izany, na amin’ny teny, na amin’ny taratasy hamboina ho avy aminay, mova tsy ny efa antomotra iny ny andron’ny Tompo. Aza mety hofitahin’olona velively, fa tsy maintsy hitranga aloha ny fivadiham-be, sy hiseho ny olom-pahotana, dia ilay zanaky ny fahaverezana.
Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay? Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy.
Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona.»
Noho izany, ny lanitra hampangovitiko; ary ny tany hohozongozonina hiala amin’ny fitoerany, azon’ny haviniran’i Iavehn’ny tafika, amin’ny andro hirehetan’ny fahatezerany.
Mangina eo anatrehan’ny Tompo Iaveh, fa efa akaiky ny andron’i Iaveh, satria efa nanomana sorona i Iaveh, efa nanamasina ny olo-nasainy Izy.
Fa andron’ny Tompo Iavehn’ny tafika ity, andro famaliana, hamaliany ny fahavalony! Mihinana ny sabatra ka mivoky, etsaky ny ran’ireny izy; fisoronana ho an’ny Tompo Iavehn’ny tafika izao, any amin’ny tany avaratra amoron’ny ony Eofrata.
Dia hiditra anatin’ny zoma amin’ny vatolampy ny olona, sy anatin’ny zohy amin’ny tany, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratan’ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy. Izao no ho tonga any amin’ny andro farany; ny tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, hatao eo an-tampon’ny tendrombohitra; sy hasandratra ho eo ambonin’ny havoana. Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy, Amin’izany andro izany, dia harian’ny olona ny sampiny volafotsy sy volamena, izay nataony hivavahany, ho an’ny voalavo sy ny ramanavy; izy kosa handositra ho any an-dava-bato, sy any an-tsefatsefaky ny haram-bato, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratry ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy.
dia mametra andro iray indray Izy izay nantsoiny hoe «anio», fa hoy Izy hoe ao amin’i Davida tatỳ aoriana ela be, araka ny voalaza teo: Anio raha mandre ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo.
Koa andrasonareo Aho, - teny marin’i Iaveh, - amin’ny andro hitsanganako haka babo! Satria izao no didiko, dia ny hanangonako ny firenena, hamoriako ny fanjakana, hanidinako ny fahatezerako amin’izy ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra. Fa ny afon’ny fahasaro-piaroko no handevona ny tany rehetra.
amin’ny fiandrasana sy fanafainganana ny hiavian’ny Andron’ny Tompo, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra, ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra? Eny, araka ny fampanantenany, dia manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika, izay hanjakan’ny fahamarinana.
ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana. Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ka notsaraina araka izay voasoratra tamin’ireo boky ireo, manaraka ny asany avy, ny maty rehetra.
eo anatrehan’i Iaveh fa avy Izy. Avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany.
Indro ny haizina fa manarona ny tany, ary ny haizim-pito manarona ny firenena; fa i Iaveh kosa no miposaka eo aminao ary ny voninahiny miseho eo aminao.
Ary ankehitriny, anaka, mitoera ao aminy, mba hanan-toky isika rehefa miseho izy, fa tsy horoahina hiala aminy amin-kenatra amin’ny andro hahatongavany.
Loza! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy toa azy! Andro fahoriana ho an’i Jakôba izany, kanefa hoafahana amin’izany izy.
Satria ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika. Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;
nanao hoe: «Ry lehilahy avy any Galilea, nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra? Iny i Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra.»
Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra miserana ny faravodilanitra hatramin’ny lafiny iray ka hatrany amin’ny lafiny hafa, dia ho tahaka izany koa no fiavin’ny Zanak’olona amin’ny androny.
Amin’izany andro izany, dia hisy zavatra toy izao: ny mazava tsy hisy, fa ny hatsiaka sy ny ranomandry. Izany andro izany, dia ho safatsiroa ary fantatr’i Iaveh, ka tsy ho andro izy, tsy ho alina, ary amin’ny fotoan’ny hariva dia hisy ny mazava.
Izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny solofon’i Jese, voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin’ny firenena, ary ho be voninahitra ny fonenany. Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Ny Tompo haninjitra ny tanany fanindroany, hanavotra ny sisa amin’ny vahoakany, izay sisa mbola ho hita any Asiria sy Ejipta, sy Patrôsy, Etiôpia, Elama, Senaara, Hamata sy ireo nosy amin’ny ranomasina. Ary izy hanangam-paneva ho an’ny firenena, hamory ny voasesitany amin’i Israely; hanangona ny tafaely amin’i Jodà, avy any amin’ny vazantany efatra.
Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»
Ianareo anefa, ry kristianina havana, dia tsy mba ao amin’ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany; fa zanaky ny mazava avokoa ianareo, ary zanaky ny andro koa; tsy misy an’ny alina isika, na an’ny maizina akory. Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika, fa aoka hiari-tory sy hifady hanina.
Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitry ny Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: «Lazao anay izay andro hahatongavan’izany, sy ny famantarana ny hiavianao mbamin’ny hahataperan’izao tontolo izao.» Amin’izany dia hiseho eny an-danitra ny famantaran’ny Zanak’olona, ka handòn-tratra avokoa ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany; ary ho hitany eo ambonin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona avy, amin-kery sy voninahitra lehibe. Haneno mafy ny trômpetra, dia haniraka ny Anjeliny izy, ary ireo hanangona ny olom-pinidiny avy amin’ny vazantany efatra, hatramin’ny fara vodilanitra rehetra.» «Makà fanoharana amin’ny aviavim-bazaha; raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina izy, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. Dia toy izany koa, rehefa hitanareo izany rehetra izany, fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana ny Zanak’olona. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity, ambara-pahatongan’izany rehetra izany. Ny tany aman-danitra ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Fa ny amin’izay andro sy ora dia tsy misy mahalala, na ny Anjelin’ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany. Fa tahaka ny tamin’ny andron’i Nôe, dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona. Fa tamin’ny andro nialoha ny safodrano, dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara, ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safodrano izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fiavian’ny Zanak’olona. Ary hoy i Jesoa taminy: Tandremo sao hisy hamitaka anareo, Amin’izany, amin’ny olona roa lahy izay ho sendra eny an-tsaha, dia horaisina ny iray, ary havela ny iray; amin’ny vehivavy roa izay hiara-manodina ny fikosohan-dafarina, dia horaisina ny anankiray, ary havela ny iray. «Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo. Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamìna ny tranony. Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona.» «Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren’ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin’ny fotoany? Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany; lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. Fa raha ratsy fanahy kosa ilay mpanompo ka manao anakampo hoe: ‹Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy›, ka mikapoka ny mpanompo namany izy sy miara-mihinana sy misotro amin’ny mpimamo, fa maro no ho avy, amin’ny Anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ary maro no ho voafitany.
Ireo koa no efa novinanin’i Enôka, ilay fahafito avy amin’i Adama, hoe: «Indro avy ny Tompo, omban’ny olo-masiny tsy tambo isaina, hitsara ny olona tsy an-kanavaka: hampiharihary ny halozan’ny asa ratsy rehetra nataon’ny ratsy fanahy, sy ny haratsian’ny teny rehetra nanevatevan’ny mpanota mankahala ny fivavahana an’Andriamanitra»
Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako ao aminao.
Avy ny Andriamanitsika, ka tsy hangina; afo mandevona no eo alohany, tafio-drivotra mahery no manodidina azy.
Izao no ho tonga any am-paran’ny andro any: ny Tendrombohitra misy ny tranon’i Iaveh, haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra, sy hasandratra eo ambonin’ny havoana. Ary hitanjozotra ho any aminy ny firenena. Aoka ho voan’ny fanaintainana sy hanezaka ianao, ry zanaka vavin’i Siôna, toy ny vehivavy raha miteraka! Fa efa hivoaka ny tanàna ianao ankehitriny, ka nonina any an-tsaha, ary ho tonga hatrany Babilôna; any no hanafahana anao; any no hanavotan’i Iaveh anao, ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao. Ankehitriny kosa efa tafavory hamely anao, ny firenena maro; ka manao hoe: Aoka halàm-baraka izy, ary aoka hibanjina an’i Siôna ny masontsika! Tsy fantatr’izy ireo anefa ny hevitr’i Iaveh; ka tsy azony an-tsaina ny hevitra voakasany, dia ny nanambàrany azy ireo toy ny amboara eo am-pamoloana. Mitsangàna ka mihose, ry zanaka vavin’i Siôna, fa ny tandrokao hataoko vy, ary ny kitronao, hataoko varahina, ka hanorotoro firenena maro ianao, ka hanokana ny tombon-karena azony ho an’i Iaveh aho, sy ny hareny, ho an’ny Tompon’ny tany rehetra. Koa ankehitriny, ry zanaka vavin’ny antoko miaramila, vorio ny antoko - miaramilanao! Fa isika efa natao fahirano; asiana ny tsora-kazo amin’ny takolany ny mpitsara an’i Israely Vahoaka maro no ho tonga sy hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; fa hampianariny antsika ny lalany, dia hizotra amin’ny sakeli-dalany isika. Satria avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Iaveh.
Ka ahoana àry ity ianao no mitsara ny mpiray finoana aminao; ahoana àry izato ianao no dia maneso ny mpiray finoana? Nefa samy hiseho eo amin’ny fitsaràn’Andriamanitra ihany isika rehetra, araka ny voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy ny Tompo, ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra. Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.
Rehefa maneno ny trômpetra farany, fa hotsofina ny trômpetra, dia hitsangana miaraka amin’ny vava ny maty tsy ho lo intsony, ary hovana indray mipỳ maso monja isika. Fa ity mety lo ity, tsy maintsy hitafy ny tsy fahalòvana; ary ity mety maty ity, hitafy ny tsy fahafatesana.
Hiseho eo ambonin’izy ireo i Iaveh, hitsoriaka toy ny helatra, ny zana-tsipìkany. Hampaneno ny trômpetra ny Tompo Iaveh, ary handroso amin’ny tafio-drivotra any atsimo.
«Amin’izany andro izany, ny solofon’i Iaveh ho haingo amam-boninahitra, ary ny vokatry ny tany ho rehareha amam-piravaka, ho an’ireo sisan’i Israely afaka. Ka izay ho tafajanona ao Siôna, sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema hantsoina hoe masina; dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an’ny fiainana.» Rehefa voasasan’i Iaveh, ny loton’ny zanaka vavin’i Siôna, ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany, amin’ny fanahin’ny fitsarana amam-panahin’ny fandringanana, amin’izay dia hoforonin’i Iaveh eran’ny tendrombohitra Siôna manontolo, sy eo ambonin’ny fivoriany, ny rahona aman-tsetroka anankiray mandritra ny andro, ary fahazavan’ny afo midedadeda amin’ny alina. Eo ambonin’ny voninahiny rehetra dia hisy elo; fa hisy lay mba hanalokaloka, amin’ny fidaindainan’ny andro, ary ho fandosirana sy fialofana, amin’ny ranonoram-baratra sy ny ranonorana.
dia aoka izany olona izany hatolotra an’i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo.
Indro, avy faingana Aho; efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.
sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany ho velona, dia i Jesoa izay manafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay; I Iaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra; ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra; fa efa niteny i Iaveh. Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany: Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy; dia i Iaveh izay nantenaintsika. Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin’ny famonjeny.
Izao no nambarany tamin’ny feo mahery: «Matahora an’Andriamanitra; omeo voninahitra Izy, fa tonga ny andro fitsarany. Mitsaoha an’Ilay nahary ny lanitra sy ny tany, mbamin’ny ranomasina sy ny loharano.»
Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.
Izao no angatahina aminao, eo anatrehan’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany:
dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana ho amin’ny famonjena, izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany. Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy ampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo, ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.
Izao no lazain’ilay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana aho. Amen! Avia, ry Jesoa Tompo!
Fa indro mahary lanitra vaovao sy tany vaovao Aho, ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
Hoy i Jesoa taminy: Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana, ny Zanak’olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.
«Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany; ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an’izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin’ny lanitra. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe. Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.»
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.
Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy, ary ho mpitsara ny firenena maro. Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona.
Nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra izy ireo, ka manjaka etỳ ambonin’ny tany.»
Iza no hahatanty ny andro hiaviany, ary zovy no hahajoro raha miseho Izy? Fa ho tahaka ny afon’ny mpandrendrika Izy sy ho sahala amin’ny pôtasin’ny mpanery lopòtra.
amin’ny andro hahatongavany, mba hanomezam-boninahitra Azy eo amin’ny olo-masiny, sy higagàna Azy eo amin’izay rehetra nino; ary ianareo dia nino ny fanambarànay ny Evanjely tao aminareo.
Ary tsy izy ihany, fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika.
Satria i Iaveh no mpitsara antsika, i Iaveh no mpanao lalàna ho antsika, i Iaveh no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
Ary izao no mahalavorary ny fitiavana ao amintsika: hanan-toky marimarina isika amin’ny andro fitsarana, satria nanahaka Azy tamin’ity fiainana ity.
ary ny andron’ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin’ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan’ny olona tsirairay isam-batana:
Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin’ny tsora-kazon’ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony. Fahamarinana no hisikinan’ny valahany ary fatra-po mahatoky no ho fehinkibony.
Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany; tahaka ny lelafo ny masony, ary satroboninahitra maro no teny an-dohany; nisy anarana voasoratra teny aminy, izay tsy nisy nahalala afa-tsy izy irery; akanjo nipentina ra no niakanjoany, ary ny TENIN’ANDRIAMANITRA no anarany; nanaraka azy ny tafiky ny lanitra, soavaly fotsy no nitaingenan’ireo ary rongonim-bazaha fotsy madio no nitafiany; nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin’ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tsitoha; izao no anarany voasoratra tamin’ny lambany sy ny feny: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.
ary manantena amin’Andriamanitra tahaka azy ireo koa, fa samy hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty, na ny olo-marina na ny olo-meloka,
Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy any amin’ny tany Ejipta, haneho zava-mahagaga aminy Aho. Hahita izany ireo firenena, ka hahamenatra azy avokoa ny heriny rehetra; hitampim-bava izy ireo, hangintsingintsina ny sofiny.
Nisarongatra ny firenena, fa tonga ny fahatezeranao, sy ny fotoana hitsarana ny maty, mba hanomezana valisoa ny mpanomponao, dia ny mpaminany, sy ny olo-masina mbamin’izay natahotra ny Anaranao, na kely na lehibe, ary mba hamerezana izay nanimba ny tany.»