ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany.
Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva, noho ny zavatra rehetra, amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny hira hoe Fahafatesana ho an’ny zanaka lahy . Salamon’i Davida.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.
Salamo. Fihirana fanao amin’ny andro sabata. Fa indreo ny fahavalonao, ry Iaveh, indreo levona ny fahavalonao, mihahaka avokoa izay manao ratsy. Ary ny tandroko asandratrao, toy ny an’ny ombimanga; tondrahana diloilo vaovao aho. Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko; ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy mitsangan-kamely ahy. Ny marina hitombo tahaka ny rofia; hisondrotra tahaka ny sedera any Libàna izy. Nambolena ao an-tranon’i Iaveh izy, dia hamony eo amin’ny kianjan’ny Andriamanitsika. Mbola hamoa izy amin’ny fahanterany; sady ho be ranony sy maitso mavana, mba hanambara fa marina i Iaveh; Izy no vatolampiko; ary tsy misy ao aminy ny tsy an-drariny. Tsara ny midera an’i Iaveh, sy ny mankalaza ny Anaranao, ry Avo Indrindra ô,
Andeha isika hitsena azy amin’ny fiderana; aoka hampireondreona hira fankalazana Azy isika. Fa i Iaveh Andriamanitra lehibe, mpanjaka lehibe, ambonin’ireo andriamanitra rehetra.
Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Ianao no derainay, ary ny Anaranao be voninahitra no ankalazainay.
«Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany; torio amin’ny firenena ny asany lehibe, ataovy antso avo, fa tafasandratra ny Anarany, Mihirà ho an’i Iaveh fa nanao zava-mahagaga Izy; ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany!
Mankalazà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany; ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.
Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy.
I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
Dia nampody ny fidradradradràko ho fifaliana Ianao, namaha ny lasàkako Ianao ka nampisikina fifaliana ahy,
Isaorako an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anareo ao amin’i Jesoa Kristy:
Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry kristianina havana, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.
Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Tsara avokoa anefa ny zavatra nataon’Andriamanitra, ka tsy misy tokony hatao fady, rehefa raisina amim-pisaorana koa. satria mahamasina ny zavatra rehetra ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana.
Izay manatitra ny fisaorana ho sorona no manome voninahitra Ahy; ary izay mandamina ny lalany no hanehoako ny famonjen’Andriamanitra.»
dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho, sy mahatsiaro anareo amin’ny fivavahako,
Manomeza voninahitra ny Andriamanitry ny andriamanitra, fa mandrakizay ny famindram-pony. Sy i Oga mpanjakan’i Basàna, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay nanome ny tanin’ireny, ho lova, fa mandrakizay ny famindram-pony. Dia ho lovan’i Israely mpanompony, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay mahatsiaro antsika, nony voaetry isika, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ka nanafaka antsika tamin’ny mpampahory antsika, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay manome hanina ny velona rehetra, fa mandrakizay ny famindram-pony. Manomeza voninahitra ny Andriamanitry ny lanitra, fa mandrakizay ny famindram-pony. Manomeza voninahitra ny Tompon’ny tompo, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Voalohany aloha, misaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy aho, noho ny aminareo rehetra, fa malaza amin’izao tontolo izao ny finoanareo.
ary misaotra ny Ray Izay nahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olo-masina any amin’ny mazava,
Ary ny anankiray tamin’ireny, rehefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery. Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy, dia nisaotra Azy; ary Samaritanina izy io.
Salamo fiderana. Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh ianareo mponina amin’ny tany rehetra. Manompoa an’i Iaveh amin-kafaliana, mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana. Fantaro fa Andriamanitra i Iaveh; Izy no nanao antsika, ka Azy isika, vahoakany sy andian’ondriny amin’ny tanim-bilony. Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany. Fa tsara i Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony, ary maharitra amin’ny taona mifandimby ny fahamarinany.
«Miderà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany, ampahafantaro ny firenena ny zava-dehibe nataony.
ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana. Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay, sady manonona anareo amin’ny fivavahanay,
Nataon’i Davida. Sitrako ny midera Anao amin’ny foko rehetra, sy hihira ho Anao amin’ny harpa eo anatrehan’ireo andriamanitra. Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny Anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe Ianao, mihoatra noho ny voninahitra ny Anaranao.
Fihirana nataon’i Etàna, Ezrahita . Ianao no mamolaka ny fianjonanjonan’ny ranomasina; Ianao no mampitony azy raha misamboaravoara ny onjany. Ianao no nanorotoro an-dRahaba toy ny faty; sy nampiely ny fahavalonao, tamin’ny herin-tsandrinao. Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; ny tany sy izay rehetra ao aminy, Ianao no nanorina azy. Ny atsimo sy avaratra, Ianao no nahary azy. Tabôra sy Hermôna indray mientana amin’ny Anaranao. Ary fitaovana hiady ny sandrinao, dia ny heriny, mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana. Ny rariny sy ny hitsiny no hiorenan’ny seza fiandriananao, ny famindram-po sy fahamarinana no eo anatrehan’ny Tavanao. Sambatra ny vahoaka mahalala ny hobin-kafaliana, sy mandeha amin’ny fahazavan’ny Tavanao, ry Iaveh! Mifaly mandrakariva amin’ny Anaranao izy; ary misandratra amin’ny fahamarinanao. Fa Ianao no voninahiny amam-pahefany, ary ny fanambinanao manondrotra ny herinay. Satria avy amin’i Iaveh ny ampinganay; ary avy amin’ilay Masin’i Israely ny mpanjakanay. Te hihira mandrakizay ny hatsaram-pon’i Iaveh aho: hanambara ny fahamarinanao amin’ny taranaka rehetra, ny vavako.
Teo akaikin’ireo i Hemàna sy i Iditona mbamin’ny sisan’ireo voafidy sy voatonona anarana, hidera an’i Iaveh, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany, mba homena be ny fahasoavana, ka hitombo be ny fisaoran’ny maro ho voninahitr’Andriamanitra.
Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo;
Izay hany mahavita fahagagana lehibe, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay nanao ny lanitra tamim-pahendrena, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay namelatra ny tany eo ambonin’ny rano, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay nanao ireo fahazavana lehibe, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ny masoandro, ho mpanapaka ny andro, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ny volana aman-kintana, ho mpanapaka ny alina, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Ary nivavaka i Anà ka nanao hoe: «Ny foko misomebin-kafaliana amin’i Iaveh, ny tandroko nasandratr’i Iaveh, ny vavako misokatra hamely ny fahavaloko; fa mifaly amin’ny famonjenao aho.
Ry Iaveh ô, nampiakatra ny fanahiko avy any amin’ny Seoly Ianao; nampody ny aiko Ianao, nataonao lavitra izay midina any an-davaka aho.
Mitsingerina eo an-dohany ny haratsiany, ary miverina eo an-tampon-kandriny ny fanaovany an-keriny.
Fa hisaorana anie Andriamanitra Izay manome anay voninahi-pandresena mandrakariva ao amin’i Kristy Jesoa sy mitondra anay hanely ny hanitry ny fahalalana azy hatraiza hatraiza.
Aoka hanjary moana ny molotra mandainga, izay miteny amin’avonavona hanohitra ny marina amim-piavonavonana amam-paniratsirana.
Sambatra ny olona mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh, ka tsy mivadika hankamin’ny mpiavonavona sy amin’izay maniasia entin’ny lainga.
Hidera Anao amin’ny foko rehetra aho, ry Tompo Andriamanitra ô, ary hanome voninahitra ny Anaranao mandrakizay.
Ny mitandrina ny andro, dia mitandrina ho an’ny Tompo; ny mihinana koa, mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana, tsy mihinana ho an’ny Tompo ihany koa, sady misaotra an’Andriamanitra izy.
Izay namely ny Ejiptianina tamin’ny voalohan-terany, fa mandrakizay ny famindram-pony. Nitondra an’i Israely hivoaka avy teo aminy, fa mandrakizay ny famindram-pony. Tamin’ny tanana mahery sy tamin’ny sandry nahinjitra, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay nampisaraka roa ny Ranomasina Mena, fa mandrakizay ny famindram-pony. Dia nitondra an’i Israely namaky teo afovoany, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ary namarina an’i Faraôna sy ny tafiny tao amin’ny Ranomasina Mena, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony, sy noho ny fahagagana nataony ho an’ny zanak’olombelona! Fa ny fanahy mangetaheta, nataony afa-ketaheta, ary ny fanahy noana novokisany soa.
Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Hisaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!
Misaotra an’i Kristy Jesoa Tompontsika Izay nankahery ahy aho, fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana,
Dia nisaotra an’i Iaveh teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida, ka hoy i Davida: «Hisaorana mandrakizay mandrakizay anie Ianao, ry Iaveh, Andriamanitr’i Israely rainay. Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa Anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao, ry Iaveh, ny fanjakana, Anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra! Ianao no iavian’ny harena amam-boninahitra, Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao, eo an-tananao ny hery amam-pahefana, ary ny tananao no manome ny halehibeazana amam-pahamafisana ny zavatra rehetra. Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Ianao no derainay, ary ny Anaranao be voninahitra no ankalazainay.
Ary noho isika mandray fanjakana tsy azo hozongozonina, dia tano mafy ny fahasoavana, hoentintsika manao fanompoam-pivavahana ankasitrahin’Andriamanitra amim-panajana sy fahatahorana Azy.
Mifohaza ianao, ry voninahitro! Mifohaza ianareo, ry valihako amana harpako! Hampifoha ny maraina aho!
nony niray feo hankalaza sy hidera an’i Iaveh ireo nitsoka ny trômpetra sy ireo nihira, ka nampaneno ny feon’ny trômpetra aman-kipantsona mbamin’ny zava-maneno ka nankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony», tamin’izay dia tonga feno rahona anankiray ny trano, dia ny tranon’i Iaveh.
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh! Mihirà ho an’i Iaveh ianareo monina amin’ny tany rehetra. Lazao eo amin’ny firenena hoe: «I Iaveh no mpanjaka»; ka hitoetra sy tsy hihetsiketsika izao tontolo izao; hitsara ny vahoaka araka ny rariny Izy, Aoka hifaly ny lanitra, sy hiravoravo ny tany. Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; aoka ho miramirana ny saha mbamin’izay rehetra ao aminy aoka hihoby ny hazo rehetra any an’ala, eo anatrehan’i Iaveh fa avy Izy. Avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany. Mihirà ho an’i Iaveh, misaora ny Anarany. Lazao isan’andro ny famonjeny, ambarao amin’ny firenena ny voninahiny, ary amin’ny firenena rehetra ny fahagagany.
Lazao hoe: ‹Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay! angony izahay ary tsoahy avy eo amin’ny firenena, mba hankalazanay ny Anaranao masina sy hanaovanay ho reharehanay ny fiderana Anao.›
Dia nanao hira fiderana an’i Iaveh ireo: «Fa tsara fo Izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony amin’i Israely.» Ny vahoaka rehetra koa, indray nihoby an-kafaliana ho fiderana an’i Iaveh, fa nandatsaka ny fototry ny tranon’i Iaveh izy ireo.
Tsy izahay, ry Iaveh, tsy izahay, fa ny Anaranao no omeo ny voninahitra noho ny famindram-ponao, sy noho ny fahamarinanao.
Araka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo àry, no aoka handehananareo ao aminy koa. ka hamàka tsara sy hiorina ao aminy, ary hohamafisin’ny finoana sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana Azy.
Nataon’i Davida, tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.
Tsy misy masina tahaka an’i Iaveh, fa tsy misy afa-tsy Ianao no Izy; tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.
fa te hampiorina mafy mandrakizay ny taranakao Aho, sy hanamafy ny seza fiandriananao, hatramin’ny taranaka rehetra.» - Selà
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra.
Izay nitondra ny vahoakany tany an’efitra, fa mandrakizay ny famindram-pony, Izay namely mpanjaka lehibe, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ary nahafaty mpanjaka mahery, fa mandrakizay ny famindram-pony. I Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, fa mandrakizay ny famindram-pony. Manomeza voninahitra ny Andriamanitry ny andriamanitra, fa mandrakizay ny famindram-pony. Sy i Oga mpanjakan’i Basàna, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Hidera Anao, ry Iaveh, ny mpanjaka rehetra amin’ny tany, rehefa mandre ny teny tò naloaky ny vavanao. Hankalaza ny lalan’i Iaveh izy ireo, fa lehibe ny voninahitr’i Iaveh.
Ary izahay, ry havana malalan’ny Tompo, dia tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ianareo nofidin’Andriamanitra hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, sy amin’ny finoana ny marina;
Ianao no Andriamanitro, ka hidera Anao aho; Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho. Mankalazà an’i Iaveh fa tsara fo Izy, mandrakizay ny famindram-pony!
mampitony ny fisafoaky ny ranomasina, ny fitroaran’ny onjany, ary ny fikorontanan’ny vahoaka.-
Ny fiangonana rehetra koa nilazan’i Davida hoe: «Samia ianareo misaotra an’i Iaveh Andriamanitrareo.» Ka dia nisaotra an’i Iaveh Andriamanitry ny razany, ny fiangonana rehetra, sady niondrika izy ireo, sy niankohoka teo anatrehan’i Iaveh sy teo anatrehan’ny mpanjaka.
Sitrako ny mihira ho an’i Iaveh, ny andro rehetra iainako, sy mankalaza ny Andriamanitro raha mbola misy koa aho. Ho sitrany anie ny hirako, fa izaho, dia i Iaveh no nataoko fifaliako.
Hira fiderana no hivoaka avy ao, sy hobim-piravoravoana. Hahamaro azy Aho, ka tsy hohavitsîna intsony izy; hanome voninahitra azy Aho, ka tsy hohamavoina intsony izy;
Fa tsara lavitra noho ny aina ny fahasoavanao, ka aoka hiventy fankalazana Anao ny molotro. Dia hidera Anao amin’ny andro rehetra iainako aho, hanandra-tanana amin’ny Anaranao.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
Izay nanome ny tanin’ireny, ho lova, fa mandrakizay ny famindram-pony. Dia ho lovan’i Israely mpanompony, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay mahatsiaro antsika, nony voaetry isika, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ka nanafaka antsika tamin’ny mpampahory antsika, fa mandrakizay ny famindram-pony. Izay manome hanina ny velona rehetra, fa mandrakizay ny famindram-pony. Manomeza voninahitra ny Andriamanitry ny lanitra, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Dia noesoriny ny vato, ka niandrandra i Jesoa sy nanao hoe: «Misaotra Anao Aho, Raiko, satria efa nihaino Ahy Ianao.
Nataon’i Davida. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo. Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika. Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva, noho ny zavatra rehetra, amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Miderà ny Anaran’i Iaveh, Miderà Azy ianareo mpanompon’i Iaveh, Firenena maro no nasiany, ary mpanjaka mahery no novonoiny: i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, i Oga mpanjakan’i Basàna, mbamin’ny mpanjaka rehetra tany Kanaana, ka natolony ho lova ny tanin’ireo, dia ho lovan’i Israely vahoakany. Iaveh ô, maharitra mandrakizay ny Anaranao: Iaveh ô, maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahatsiarovana Anao. Fa manome rariny ny vahoakany i Iaveh, ary miantra ny mpanompony Izy. Ny sampin’ny firenena dia volafotsy amam-bolamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy; mana-maso fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mahare izy, tsy misy fofon’aina akory aza ny vavany. Hanahaka ireny anie ry zareo nanao azy, na iza na iza mitoky aminy! Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Israely! Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Aarôna! ianareo manao fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, eo an-kianjan’ny tranon’ny Andriamanitsika. Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Levì! Misaora an’i Iaveh, ianareo matahotra an’i Iaveh! Hisaorana avy ao Siôna anie i Iaveh, izay mitoetra ao Jerosalema! Aleloia! Miderà an’i Iaveh fa tsara i Iaveh, mihirà ny Anarany amin’ny harpa, fa mamy tanteraka.
Dia hoderaiko amin’ny feom-baliha, hohiraiko ny fahamarinanao, ry Andriamanitra ô! hankalaza Anao amin’ny harpa aho, ry Masin’i Israely!
indrindra fa raha manampy anay amin’ny fivavahana koa ianareo; dia ho maro ny mpisaotra noho ny fahasoavana azonay, satria maro no nangataka nahazoanay azy.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Manaova hira fanajana Azy, mihirà Salamo fanajana Azy. Torio ny fahagagana rehetra nataony.
Fa Ianao no manafaka anay amin’ny fahavalonay; sy mampahamenatra an’ireo mankahala anay.
Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao; mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao. Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra.
Iaveh ô, Andriamanitro Ianao; hankalaza Anao aho, hidera ny Anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Ianao; mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.
Hisaorana anie i Iaveh, fa nihaino ny feon’ny fifonako Izy. I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
Raha efa izany, dia niara-nihevitra tamin’ny vahoaka izy, ka nanendry mpihira, hiakanjo fanamiana masina, handeha eo alohan’ny tafika, hankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Miderà an’i Iaveh fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony!»
dia ho an’Andriamanitra, Ilay hany hendry anie, ny voninahitra mandrakizay mandrakizay, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.
Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana . Salamo. Fa Ianao, ry Andriamanitra, efa nizaha toetra anay; nandatsaka anay tamin’ny memy toy ny volafotsy; nampiditra anay tamin’ny fandrika harato; nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay. Nampandeha olona hanosy ny lohanay namaky ny afo sy ny rano izahay; kanjo nesorinao tamin’izany izahay, dia nototofanao soa. Tonga ato an-tranonao mitondra sorona dorana aho, hanefa aminao ny voadiko, izay efa notononin’ny molotro, sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana. Manatitra ondry matavy aminao aho, ho sorona dorana, mbamin’ny fanetonan’ny ondralahy; mamono ny vantotr’ombalahy amam-bantotr’osy lahy ho sorona dorana aho. - Selà Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo, ianareo rehetra matahotra an’Andriamanitra, izay nataony ho an’ny fanahiko Niloa-bava nitaraina taminy aho, ary teo ambony lelako ny fiderana Azy. Raha nahita ota tao am-poko aho, dia tsy ho nihaino ahy ny Tompo. Nefa efa nohenoin’Andriamanitra aho, efa nihaino tsara ny feon’ny fivavahako Izy. Manaova hobin-kafaliana mankamin’Andriamanitra, ry tany rehetra; hirao ny voninahitry ny Anarany, ataovy manetriketrika ny fankalazana Azy.
Misaora an’Andriamanitra, ry vahoaka, ataovy manakoako ny fiderana Azy. Nitahiry ny fanahintsika amin’ny fiainana Izy ary tsy namela ny tongotsika hangozohozo.
fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.
Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako ao an-dain’ny marina. Fa naneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Iaveh.
Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa Anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao, ry Iaveh, ny fanjakana, Anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra!
amin’ny valiha tory folo, sy amin’ny lokanga, ary amin’ny fireondreon’ny harpa. Mampifaly ahy amin’ny asanao Ianao, ry Iaveh, ary mientana aho manoloana ny asan-tananao.
dia hanan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo, sy hahafoy be amin-kitsim-po, ka fisaorana an’Andriamanitra noho ny asanay no ho vokatr’izany.
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.
«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana, fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao ihany no nisiany sy naha-àry azy.»
Naorin’i Ezekiasa ny fizarazaràn’ny mpisorona sy ny Levita, araka ny antokony avy, - ny mpisorona sy ny Levita, samy araka ny raharahany avy, - hanaovana ny sorona dorana, ny sorom-pihavanana, ny fanompoam-pivavahana, ny hira amam-piderana, eo am-bavahadin’ny tobin’i Iaveh.
Miderà an’i Iaveh any an-tampon’ny lanitra, miderà Azy any ambony any! biby dia amam-biby fiompy isan-karazany; biby mandady amam-boro-manana elatra, mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany, zatovo lahy sy virjiny tanora, lahy antitra sy zaza. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany. Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany Izy, foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy, dia amin’ny zanak’i Israely firenena akaiky Azy. Aleloia! Miderà Azy ianareo Anjeliny rehetra, miderà Azy ianareo tafiny rehetra! Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ianareo kintana mamirapiratra rehetra. Miderà azy ry lanitry ny lanitra ary ianareo rano ambonin’ny lanitra. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh ireo: fa mandidy Izy, dia àry izy ireo.
Sitrako ny mankalaza Anao, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy ny misaotra ny Anaranao mandrakizay doria.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe: «Misaotra anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitraponao.
Niantso an’i Iaveh, tao anatin’ny fahoriako aho; ary namaly ahy i Iaveh, ka nampahalalaka ahy. I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona?
Izay nanao ireo fahazavana lehibe, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ny masoandro, ho mpanapaka ny andro, fa mandrakizay ny famindram-pony. Ny volana aman-kintana, ho mpanapaka ny alina, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh: hanakoako eo amin’ny fiangonan’ny olo-masina anie ny fiderana Azy!
Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika, eny, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny Eglizy, sy ao amin’i Kristy Jesoa hatramin’ny taranaka farany indrindra, sy mandrakizay mandrakizay. Amen.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,
Iza no mahalaza ny asa amin-kerim-po ataon’i Iaveh, iza no mahambara ny voninahiny rehetra? Ny voninahitr’izy ireo, dia natakalony sarin’omby miraoka ahitra. Nohadinoiny Andriamanitra Mpamonjy azy, izay nanao zava-dehibe tany Ejipta, fahagagana tany amin’ny tanin’i Kama, famantarana teo amin’ny Ranomasina Mena. Efa nolazainy haringana izy ireo; raha tsy i Môizy olom-boafidiny, no nitsangana teo anatrehany hisakana ny hatezerany tsy handringana azy. Izy ireo nanamavo ny tanim-pahafinaretana tsy nino ny tenin’i Iaveh. Nimonomonona tao an-dainy, ary tsy nanaiky ny feony izy ireo. Ka dia nanainga ny tanany Izy hamely azy ireo, handringana azy any an’efitra: hahavery ny taranany any amin’ny firenena, ary hanely azy any an-tany hafa. Niraikitra tamin’i Beelfegôra izy ireo, ka nihinana ny sorona natolotra ho an’ny maty. Nampahatezitra an’i Iaveh tamin’ny nataony izy ireo, dia nibosesehan’ny loza. Sambatra izay mitandrina ny lalàna, ka manaraka ny rariny mandrakariva!
Mihirà ho an’i Iaveh fa nanao zava-mahagaga Izy; ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany!
Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.
Alofanao eo amin’ny aloky ny Tavanao izy; mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ny olona izy; mpampiery azy ao an-dainao Ianao, mba tsy ho azon’ny lela mamely azy izy.
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana. Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Mihainoa, ry Iaveh ô, ka iantrao aho; Iaveh ô, avia hamonjy ahy! - Dia nampody ny fidradradradràko ho fifaliana Ianao, namaha ny lasàkako Ianao ka nampisikina fifaliana ahy,
mba ho tanteraka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona, hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
Mamindra fo sy miantra i Iaveh, ary mahari-po sy feno hatsaram-po. Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.
Ka dia izao no holazainao amin’izany andro izany: «Midera Anao aho, ry Iaveh, fa tezitra Ianao, nefa nihodivitra ny hatezeranao, ka mampionona ahy Ianao.
Hisaorana anie Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Izaho izany, dia sady mpanompon’ny lalàn’Andriamanitra amin’ny saina no andevon’ny lalàn’ny fahotana amin’ny nofo koa.
Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely, Hatramin’ny mandrakizay, ka ho mandrakizay.» Ary ny vahoaka rehetra nanao hoe: «Amen!» sy hoe: «Miderà an’i Iaveh!»
Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony, sy noho ny fahagagana nataony ho an’ny zanak’olombelona!
Mahatahotra Andriamanitra eo amin’ny fiangonam-ben’ny olo-masina, mahatahotra ho an’ireo rehetra manotrona Azy Izy.
Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy. Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra.
Vao nanomboka ny hira amam-piderana dia namela-pandrika i Iaveh, hahavoa ny taranak’i Amôna sy i Moaba, mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tonga hamely an’i Jodà, ka resy izy ireo.