Eto amin’ny fiainana ange, samy manana ny lalana alehany isika e. Misy fotoana mazava sy tsara ilay lalana, fa misy kosa maizina sy mampisafotofoto.
Ampianarin’ny Baiboly isika fa tompon’andraikitra amin’ny safidy ataontsika sy ny lalana izay fidintsika harahina. Ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, mihoatra ny enimpolo no ahitana ny teny hoe “lalana”. Tsy lalana ara-batana fotsiny no tiana holazaina amin’io fa ny lalan’ny fiainana mihitsy koa.
Mananatra antsika ilay mpanjaka hendry, Solomona hoe: “Tandremo tsara ny alehanao, ary ho tàhiny avokoa ny làlanao rehetra” (Ohabolana 4:26). Isika mihitsy no asaina mandinika sy misafidy ny lalana mahitsy.
Tsy mitovy mihitsy ny lalan’ny adala sy ny an’ny hendry. Ny adala mandeha toy ny miady amin’ny tsilo, feno sakantsakana sy fahasahiranana. Ny hendry kosa mandeha amin’ny làlana voalamina tsara, tsy misy fahatafintohinana ary miramirana ny endriny (Ohabolana 15:19).
Tsy kisendrasendra akory ny hatsaran’ny lalantsika. Miankina amin’ny safidintsika sy ny toe-tsaintsika izany. Raha mania amin’ny lalan’Andriamanitra isika dia noho isika nisafidy ny hanaraka ny sitrapontsika fa tsy nanolotra ny diantsika ho eo an-tànan’ny Tompo. Mampitandrina antsika ny Baiboly hoe: “Ny fon’ny olona mieritreritra ny làlany; Fa Jehovah no mampandeha ny diany.” (Ohabolana 16:9).
Raha mahatsapa ianao fa mania amin'ny lalan'Andriamanitra dia tsy mbola tara loatra ny miverina. Ekeo ny andraikitrao ary ekeo ny vokatry ny safidinao. Aza manome tsiny ny hafa intsony fa ekeo fa Andriamanitra dia hitaky aminao ny amin’ny lalana izay alehanao.
Ankino amin’ny Tompo ny lalanao, mitadiava ny fahendreny ary araho ny didiny. Na dia efa diso aza ianao dia mbola eo foana ny fitiavana sy ny fahasoavan’Andriamanitra hitarika anao hiverina amin’ny lalana mahitsy. Araka ny nolazain’ny mpanao Salamo hoe: “Ampandehano amin’ny làlan’ny teninao ny diako, ary aza avela hisy heloka hanapaka ahy.” (Salamo 119:133).
Koa tsarovy àry fa tompon’andraikitra amin’ny lalanao ianao. Safidio amim-pahendrena ary matokia ny Tompo hitarika ny dianao ho amin’ilay fiainana feno izay efa nomaniny ho anao.
Fa efa toy ny ondry nania ianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.
Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Efa nania izy rehetra, efa niara-nihasimba toetra avokoa; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.
Ny olona miala amin’ny lalan’ny fahamalinana, dia handry eny amin’ny fivorian’ny maty.
Efa andian’ondry nanjiona ny oloko, narebirebin’ny mpiandry azy, teny an-tendrombohitra manodòka; nitety ny tendrombohitra aman-kavoana ombieny ombieny izy, ka nanadino ny valany.
Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.
«Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‹Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very.› Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana.»
Izay mihaino tsara ny fampianarana dia mandeha amin’ny lalan’aina, fa izay manadino ny fananarana kosa maniasia.
Izao koa: Ireo levita nanalavitra Ahy, tamin’ny andro nivilian’i Israely, izay nivily nanalavitra Ahy, mba hanarahany ny sampiny vetaveta, dia hitondra ny helony.
Fa izay efa nohazavaina indray mandeha, sy nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra, ary nandray ny Fanahy Masina, sady efa nanandrana ny hamamin’ny tenin’Andriamanitra mbamin’ny asa mahagagan’ny fiainan-ko avy, nefa nivadika, dia hataon’ireny ahoana ny hohavaozina indray ho amin’ny fibebahana, nefa anie mamàntsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny Hazofijaliana indray izy ireo, sady manolotra Azy halàm-baraka?
Ho an’ny mpisorona voahasina, taranak’i Sadôka, izay nanefa ny fanompoana Ahy, fa tsy mba nivily tamin’ny fotoana nivilian’ny zanak’i Israely, tahaka ny nivilian’ny Levita.
Ary raha olona efa niala tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao, noho ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, no mety ho lavo sy voasingotr’izany indray, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany. Satria aleo tsy nahalala ny lalan’ny fahamarinana izy, toy izay efa nahalala vao hihemotra handao ny lalana masina nampianarina azy. Tanteraka amin’ireny ilay ohabolana marina hoe: Ny alika miverina amin’ny loany, ary ny kisoa voasasa, mihosim-potaka indray.
Loza ho an’ireny, fa nandositra lavitra Ahy izy! Hanjò azy anie ny faharavana satria nivadika tamiko! Raha Izaho, dia mba te hamonjy azy ireo Aho, fa izy kosa milaza lainga hamelezana Ahy.
sy amim-pitanana ny finoana sy ny kônsiansy tsara izay efa narian’ny sasany, ka rendrika ny amin’ny finoana terỳ izy ireny; mamangy an’i Timote, tena zanako amin’ny finoana: fahasoavana, famindram-po amam-piadanana, avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika! anisan’ireny i Himeneo sy i Aleksandra, izay natolotro an’i Satana, mba hofaizana tsy hiteny ratsy.
Koa fantaro àry fa sady mora fo Andriamanitra no saro-po koa: saro-po amin’izay lavo izy, fa mora fo aminao kosa, raha maharitra amin’ny hamoram-pony ianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa ianao.
Aoka ny fonao tsy hivily hankany amin’ny lalan’io, aza maniasia any amin’ny sakeli-dalany.
Tezitra tamin’izany taranaka izany Aho ka nanao hoe: Maniasia amin’ny fony mandrakariva ireo, ka tsy nahalala ny diako;
Amin’izany andro izany koa dia maro no ho tafintohina ka hifampiampanga sy hifankahala be ihany. Ary hisy mpaminany sandoka maro hiseho, ka hamitaka olona maro. Ary noho ny habetsahan’ny faharatsiana, dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.
Teo amintsika no niala ihany izy ireo, nefa tsy anisantsika; fa raha anisantsika izy, dia ho niara-nitoetra tamintsika; izy no niala dia mba hampiharihary fa tsy anisantsika izy rehetra.
Ry kristianina havako, raha misy ao aminareo miala amin’ny fahamarinana, ka misy anankiray mampibebaka azy, Ny harenareo efa lo; ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao; dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany, dia sady hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.
Ry kristianina havana, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka ianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon’ny fakam-panahy koa.
Raha noho ny fihinananao no mampalahelo ny mpiray finoana aminao, dia tsy mandeha araka ny fitiavana intsony ianao, ka aza dia ny fihinananao no amerezanao olona nahafoizan’i Kristy aina.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
dia tandremo, ry kristianina havana, fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo, ka ho tafasaraka amin’Andriamanitra velona; fa mifamporisiha isan’andro, dieny mbola misy izay atao hoe «anio,» mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan’ny fahotana.
Miverena, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. - Indreto izahay manatona Anao, fa Ianao no Iaveh Andriamanitray.
Efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, ka mijoroa amin’izany, fa aza mety hampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony.
Diniho ny tenanareo na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia; tsapao ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va, fa ao amin’ny tenanareo i Jesoa Kristy, afa-tsy raha olona tsy voazaha toetra ianareo?
Satria rehefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony;
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.
fa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao.»
I Iaveh hamonjy azy eo am-parafara fijaliany; havadikao avokoa ny fandriany rehetra eo am-paharariany.
Mania toy ny ondry very aho: tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba manadino ny didinao aho.
Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny Hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy.
Sady izany koa no niantsoana anareo, satria i Kristy nijaly ho anareo koa, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany:
Indro very kosa izay manalavitra Anao; aringanao avokoa izay mivadika aminao. Raha izaho, dia ny miray amin’Andriamanitra no fahasambarako; I Iaveh Tompo no anton’ny fitokiako; mba hitoriako ny asanao rehetra.
Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.
Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay? Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy.
Efa nihazakazaka tsara ianareo, ka iza indray no dia nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
Fa ho avy ny andro tsy hahazakàn’ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy; dia hanentsin-tadîny amin’ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin’ny angano foana.
Satria rehefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony; fa dia fiandrasana mahatsiravina ny fitsarana sy hatezeran’ny afo handevona ny mpikomy no sisa.
Fa raha ireo mivily amin’ny lala-miolikolika kosa, aoka izy hafoin’i Iaveh miaraka amin’izay manao ratsy. Fiadanana anie ho amin’i Israely!
Raha misy mahita ny namany manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana, aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana, dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana. Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana; tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka.
Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy. Fahaverezana no hiafaran’ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamamîny.
tsy nanatanjaka ny malemy, tsy nitsabo ny marary, tsy namehy ny naratra, tsy namerina ny nania, tsy nitady ny very, fa nanapaka azy an-kalozana sy an-kasiahana!
Ary raha miala amin’ny fahamarinana kosa ny marina ka manao ny tsy marina, araka ny fahavetavetana rehetra ataon’ny ratsy fanahy, - moa hanao izany izy va ka ho velona? - Tsy hotsarovana intsony ny asa fahamarinana rehetra narahiny; noho ny fahadisoana nahameloka azy sy ny fahotana nataony, noho izany dia ho faty izy.
Mamela-pandrika hamelezana ahy ny ratsy fanahy, nefa tsy mania lavitra ny didinao aho.
Fa vavolombelon’ny fahazotoany ho an’Andriamanitra aho, saingy fahazotoana tsy ara-pahalalana ny azy;
Tao amin’ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana no nitoeran’izy ireo, voababo ao anatin’ny fahoriana sy ny gadra vy. Satria niodina tamin’ny teny ton’Andriamanitra izy sy naniratsira ny fananaran’ny Avo Indrindra.
Fa tafasaraka amin’i Kristy ianareo rehetra mitady fahamarinana amin’ny Lalàna, ka lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo.
izay nania tamin’ny marina, ka milaza fa efa vita sahady ny fitsanganan’ny maty, ary mandrava ny finoan’ny sasany.
Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.
fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.
Ny olona tandrifin’ny hanarina, ka mihamafy hatoka, dia ho torotoro tampoka tsy hisy fanafody hahasitrana.
Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana, fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy.
Koa iza àry no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa tsy fananana inoninona, sa loza, sa sabatra? Araka ny voasoratra hoe: «Ianao no amonoana anay isan’andro; mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay.» Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filàn-dratsiny, izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy. Ny filàn-dratsy kosa, rehefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Ianareo koa fahiny, dia lavitra Azy sy fahavalony, tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo, fa ankehitriny kosa dia nampihavaniny amin’ny Tenany nofo tamin’ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany, raha tahiny ianareo maharitra sy miorina mafy amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely, izay efa renareo sy notorina taminareo ary nanendrena ahy, Paoly, ho mpandraharaha.
Ary ny sasany avy aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso, ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny feo mitaraina . Hiran’i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: «Tsy misy Andriamanitra!» Efa simba izy ireo, nanao heloka vetaveta; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza. Mijery ny zanak’olombelona eny an-tampon’ny lanitra, Andriamanitra. Mba hahita raha misy olona manan-tsaina eny; na misy olona mitady an’Andriamanitra.
Indro fa tsy ny tanan’i Iaveh no fohy ka tsy mahavonjy, tsy ny sofiny no lalodalovana ka hoe tsy hahare; Miraparapa manara-drindrina, hoatra ny jamba isika, miraparapa hoatra ny olona tsy mana-maso; tafintohina amin’ny mitataovovonana, hoatra ny maizin-takariva; eo afovoan’ny olona matanjaka isika dia sahala amin’ny olona maty. Manerona hoatra ny orsa avokoa isika; ary tsy mitsaha-mitoloko hoatra ny voromahailala; miandry ny fitsarana isika nefa tsy tonga izy, miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany. Fa ny fiodinany, efa maro eo anatrehanao; ary ny fahotanay, mitsangan-ko vavolombelona mamely anay; eny, eto anatrehanay ny fiodinanay, ary fantatray ny helokay: dia ny nivadika sy nandà an’i Iaveh, nihataka nanalavitra ny Andriamanitray, niteny fampahoriana amam-pikomiana; namorona sy namoaka lainga avy ao am-ponay!... Ka dia nihataka ny rariny, ary lavitra anay eny ny fahamarinana; fa tafintohina eo an-kianja malalaka ny fahamarinana, ary tsy mahazo miditra eo ny hitsiny: Lasana ny fahamarinana, ka baboina izay mifady ny ratsy. Hitan’i Iaveh izany ka tsy sitraky ny masony, ny tsy fisian’ny hitsiny intsony. Hitany fa tsy nisy olona teo, ary gaga izy fa tsy nisy nanalalana akory. Ka dia ny sandriny no nitsangan-kanampy Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy. Niakanjo ny fahamarinana ho fiarovan-tratra Izy, ary nametraka ny satro-pamonjena teo an-dohany; ny famaliana no nataony akanjo fiadiana, ary nihodidina tamin’ny fahasaro-piaro, toy ny amin’ny kapaoty izy. Hifandanja amin’ny asa natao ny valy, dia hatezerana ho an’ny mpandrafy Azy, valim-bonoana ho an’ny fahavalony, hanao valim-bonoana amin’ireo nosy Izy. Dia hatahorany hatrany andrefana ny Anaran’i Iaveh, ary hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro, ny voninahiny; fa ny fiaviny ho toy ny ony maria, hampandehanan’ny fofon’ain’i Iaveh. fa ny helokareo no nanisy efitra mampisaraka anareo sy ny Andriamanitrareo; ny fahotanareo no nanafenany ny Tavany tsy hihainoany anareo.
Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany.
Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao,
Aza mety hofitahina ianareo, fa ny fiarahana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia; satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin’izao tontolo izao.
Koa amin’izany, ry kristianina havana, mikeleza aina kokoa mba handraikitra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo amin’ny fanaovan-tsoa; fa raha manao izany ianareo, dia tsy hivaona na oviana na oviana.
Ry Galata adala! iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo i Jesoa mifantsika!
Ny marina manoro lalana ny sakaizany; ny lalan’ny ratsy fanahy kosa mampivilivily azy.
Lazao aminy hoe: «Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy ny fahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, ka ho velona izy. Miverena! miverena! avy amin’ny lalan-dratsinareo! Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’i Israely?»
Fa ny mpikomy ama-mpanota kosa, indray torotoroina avokoa; ary izay mahafoy an’i Iaveh, dia ho faty.
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon’izay ekenareo ianareo, na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana?
Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin’ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.› »
Aoka anefa, hangataka amim-pinoana izy, fa tsy hisalasala; fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina atopatopa amana hetsiketsehin’ny rivotra. Ka ny olona toy izany dia aza mba manampò hahazo zavatra amin’ny Tompo, fa olona miroa saina sy mivadibadika amin’izay alehany rehetra.
Araka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo àry, no aoka handehananareo ao aminy koa. ka hamàka tsara sy hiorina ao aminy, ary hohamafisin’ny finoana sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana Azy. Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany, amin’izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana, avy amin’ny hevitr’olombelona sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Aoka ho fantatrao fa any aoriana any, dia hisy andro sarotra; Fa ianao kosa efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny kendreko, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, ny fanenjehana sy ny fahoriana nanjò ahy, toy ny tany Antiôkia sy tany Ikonioma ary tany Listra; niaritra fanenjehana tokoa aho, fa nanafaka ahy hatrany hatrany ny Tompo. Dia hita fa izay rehetra te ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina, fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina. Ary ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy azonao antoka, fa fantatrao ilay nampianatra anao, sady hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa. Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra. fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka, tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy, mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan’ny nofo mihoatra noho Andriamanitra, ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro.
Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra:
Misy lalàna miseho ho mahitsy amin’ny olona; kanjo lalana mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.
satria tsy maintsy misy an-daniny maro eo aminareo, mba hihariharian’izay olona voazaha toetra eo aminareo.
Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demony,
Noho izany, tsy maintsy mikely aina hitandrina tsaratsara kokoa izay efa rentsika isika, fandrao dia voatarika hiala amin’izany.
Ny vato narian’ny mpanorina, dia tonga fehizoro. Asa vitan’i Iaveh izany, ka zava-mahagaga eo imasontsika.
Ary toy ny nisian’ny mpaminany sandoka teo amin’ny vahoaka fahiny, no hisian’ny mpampianatra tsy marina eo aminareo koa, izay hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery sady handà ny Tompo izay nanavotra azy, ka hitari-doza tampoka ho an’ny tenany.
ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.
Satria, raha ny tena sampana aza tsy notsitsin’Andriamanitra, matahora fa tsy hitsitsy anao akory Izy. Koa fantaro àry fa sady mora fo Andriamanitra no saro-po koa: saro-po amin’izay lavo izy, fa mora fo aminao kosa, raha maharitra amin’ny hamoram-pony ianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa ianao.
Koa hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Miverena ka mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana. Ario lavitra anareo ny fahotana, sy ny fahadisoana rehetra nataonareo; manaova fo vaovao sy saina vaovao. Fa nahoana no dia ho faty ianareo, ry taranak’i Israely. Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, - teny marin’ny Tompo Iaveh; - koa mibebaha ianareo ka aoka ho velona.
Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.
Amin’izany no ahafantarana izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra, toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.
Koa aza miala amin’ny fahasahianareo, fa misy valiny lehibe izany. Ilainareo tokoa ny faharetana, mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo, rehefa nanao ny sitrapon’Andriamanitra ianareo.
may kosa ny asany, dia ho faty antoka izy, nefa hovonjena ihany ny tenany, saingy toy ny avy ao amin’ny afo.
Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo; ary amin’izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe: maharitra amin’ny fanahy iray ianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely, ary tsy miraika na inona na inona afitsoky ny fahavalo: ka mariky ny fahaverezana izany ho azy ireo, fa mariky ny famonjena kosa ho anareo, sady avy amin’Andriamanitra izany.
Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy!
Afaho amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitra ô, arovy tsy ho azon’ireo mpanohitra ahy aho!
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
Fa ankehitriny kosa efa nahalala an’Andriamanitra ianareo (na hoe: Andriamanitra no nahalala anareo), ka ahoana no dia ireny fampianarana malemy sy tsy misy na inona na inona ireny indray no iverenanareo sy tianareo hotompoina?
Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.
Izao àry, ry malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo ianareo, koa mitandrema sao voatariky ny hevi-dison’ny ratsy fanahy, ka hiala amin’izay niorenanareo.
Ary zovy moa ianao no mitsara ny mpanompon’ny hafa? Na mijoro na lavo izy, dia asan’izy tompony izany. Sady hijoro koa izy, satria mahay mampijoro azy ny Tompo. Ny anankiray manisy avaka ny andro, ny anankiray kosa mampitovy ny andro rehetra; samia mitoky amin’ny azy tsy amim-pisalasalana.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina, fa efa voasoratra hoe: ‹Hokapohiko ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry andrasana›;
Nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, hira fiderana ny Andriamanitsika; maro no mahita izany ka manaja an’i Iaveh, sy matoky Azy.
dia ho avy amin’ny ora tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin’izao tontolo izao. Fa izay tia an’izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny. Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao. Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Izay miolonolona irery mitady ny mahafa-po ny filàny ihany, ka mahatezitra azy avokoa izay hevitra mety rehetra.
Angamba ianao hanao hoe: «Notapahina ireny rantsany ireny, mba hanatsofohana ahy.» ka tsy narian’Andriamanitra ny olony, izay efa fantany rahateo. Tsy fantatrareo va ilay itantaran’ny Soratra Masina ny fitarainan’i Elia tamin’Andriamanitra namely an’i Israely hoe: Marina ihany izany; ireny dia notapahina noho ny tsy finoany, fa ianao kosa natsofoka noho ny finoanao; ka aza miavonavona, fa matahora.
Gaga aho raha dia mivadika faingana toy izao ianareo, ka Ilay niantso anareo ho amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray. Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie, fa ny Evanjelin’i Kristy ihany no tadiavin’ny sasany hovana, mba hampitabataba anareo fotsiny!
mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Tsy fantatrareo va fa maro no indray mihazakazaka ao amin’ny tany fifanalana hazakazaka, nefa iray monja no mahazo loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo. Ny mpifanala hazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra; nefa satroboninahitra mora levona no tadiaviny, fa ny tsy ho levona mandrakizay kosa no antsika. Raha izaho àry, dia mihazakazaka aho, nefa tsy manao mosalahy; mikapoka koa, nefa tsy toy ny mikapo-drivotra; fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
Hisaorana anie i Iaveh! fa nasehony miharihary ny famindram-pony tamiko, tamin’ny nametrahany ahy tao an-tanàna mimanda.
Raha milaza ho manana fikambanana aminy isika, nefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga sy tsy manao ny marina. Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.
Ampianaro ny zaza ny lalana tokony halehany, dia tsy hiala amin’izany izy, na rehefa antitra aza.
dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany, dia sady hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.
Fa tsy menatra ny Evanjely aho, satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jody aloha, vao ny Jentily.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Hisaorana anie ny Tompo; mitondra ny entantsika isan’andro Izy; Andriamanitra mamonjy antsika Izy. - Selà
Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho; ary efa notafinareo ny olom-baovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana lavorary araka ny endrik’Ilay nahary azy, ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra. Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra. Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza sosotsosotra aminy. ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany.
Aoka ho zanaka manaiky ianareo, ka tsy hanaraka ny filàn-dratsinareo intsony, toy ny nataonareo fahiny tamin’ny andron’ny tsy fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo no aoka ho fahamasinanareo koa, amin’ny fitondran-tenanareo rehetra, araka ny voasoratra hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho,
Izao àry no lazaiko: mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin’ny an’ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo. Raha tarihin’ny Fanahy anefa ianareo, dia tsy mba ambanin’ny Lalàna intsony.
satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy, ka nitady hanamarin-tena, fa tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.
Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira; fa ny lalàn’i Iaveh no ifaliany, sady saintsaininy andro aman’alina.
Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.
Toy izany koa ankehitriny, misy sisa ihany, araka ny fifidianan’ny fahasoavana. Ary raha avy amin’ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ny asa; fa raha avy amin’ny asa, dia tsy mba fahasoavana intsony.
Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.
Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara.
Tsy naringan’izy ireo ny firenena nasain’i Iaveh naringany. Fa niharo tamin’ny firenena izy nianatra ny asan’ireny.
Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.
Aoka izay alaim-panahy tsy hisy hanao hoe: «Andriamanitra no maka fanahy ahy»; fa Andriamanitra tsy azo alaim-panahy ho amin’ny ratsy, sady tsy maka fanahy olona. Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filàn-dratsiny, izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy. Ny filàn-dratsy kosa, rehefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.
Ary noho ny habetsahan’ny faharatsiana, dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.
Ny tsy fahamarinanao miteny amin’ny ratsy fanahy ao am-pony; ny fahatahorana an’Andriamanitra tsy mba eo imasony.
Sambatra ny olona izay manam-pahatahorana mandrakariva; fa izay manadonto ny fony kosa ho latsaka anatin’ny fahoriana.
Fa izay tsy manana an’ireo kosa dia jamba sy tsy mahajery lavitra ary manadino ny nanadiovana azy tamin’ny fahotany fahiny.
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra: fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna... Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy, na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza; ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy. Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra ankabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana. Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana; satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana. Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io, mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy, no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny olona iray. izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr’Andriamanitra.
Ampianaro ny lalànao aho, ry Iaveh; fa te-handeha amin’ny fahitsianao! Araiketo amin’ny fahatahorana Anao ny foko.
Fa lazaiko aminareo, fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Koa niara-nalevina taminy tamin’ny Batemy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona, tamin’ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa.
Fantatro, ry Iaveh, fa marina ny fitsarànao; tamin’ny fahamarinanao no nanetrenao ahy.
Mahazoa ny marina, ka aza amidinao, mbamin’ny fahendrena, ny fampianarana, ary ny fahalalana.
aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Ny antony kendrena amin’izany didy izany, dia ny fitiavana avy amin’ny fo madio sy kônsiansy tsara ary finoana tsy misy famahony;