Fa namaly an-drafozany i Mosesy hoe: –Satria ireo olona ireo dia tonga atỳ amiko mba hitady ny fitsarana avy amin’Andriamanitra.
Nomery 9:6 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izay andro izay anefa dia nisy olona sasany voaloton’ny fatin’olona ka tsy nahazo nankalaza ny Paska. Koa dia nankany amin’i Mosesy sy i Aharôna izy androtr’io ihany Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’izany andro izany. Nankeo anatrehan’i Mosesy sy i Arona izy ireo tamin’io andro io Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay andro izay anefa dia nisy olona sasany voaloton’ny fatin’olona ka tsy nahazo nankalaza ny Paska. Koa dia nankany amin’i Mosesy sy i Aharôna izy androtr’io ihany Baiboly Katolika Nisy olona sasany sendra voaloto tamim-paty ka tsy afa-nanao ny Paka tamin’izany andro izany. Nankeo anatrehan’i Môizy sy i Aarôna androtr’izay ihany izy ireo, ka nanao tamin’i Môizy hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’izany andro izany; dia nankeo anatrehan’i Mosesy sy Arona izy tamin’izany andro izany Malagasy Bible Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin'izany andro izany; dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy tamin'izany andro izany La Bible en Malgache Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’izany andro izany. Nankeo anatrehan’i Mosesy sy i Arona izy ireo tamin’io andro io |
Fa namaly an-drafozany i Mosesy hoe: –Satria ireo olona ireo dia tonga atỳ amiko mba hitady ny fitsarana avy amin’Andriamanitra.
Henoy àry ny torohevitro aminao, ka homba anao anie Andriamanitra: Ny anjaranao dia ny misolotena ny vahoaka amin’Andriamanitra, ka mitondra eo anatrehan’Andriamanitra ny raharaha mampifanolana.
Ireo no nitsara ny vahoaka isan’andro amin’ny zavatra madinika mampifanolana azy; ny raharaha lehibe dia nentiny tany amin’i Mosesy, fa ny raharaha madinika dia nalaminy ihany.
na hiditra am-paty akory; tsy tokony handoto tena izy na dia amin’ny fahafatesan’ny ray aman-dreniny aza.
Izay nahatratra azy nifako kitay dia nitondra azy teo amin’i Mosesy sy i Aharôna ary ny fiangonana iray manontolo.
«Izao no fitsipika: raha misy olona maty an-day, izay rehetra miditra ao na ny olona rehetra efa ao rahateo dia haloto mandritra ny fito andro.
Izay any an-tsaha, ka mandona olona matin-tsabatra na maty ho azy na koa mandona taolam-paty na fasana, dia haloto mandritra ny fito andro.
Haka hisôpa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka izany ao amin’ny rano, dia hofafazany ny lay misy ny maty sy ny fitoeran-javatra rehetra ary ny olona ao; na koa hofafazany rano izay sendra nikasika taolam-paty na olona maty novonoina na olona maty ho azy na fasana.
Niseho tamin’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny tompon’andraikitra sy ny fiangonana manontolo teo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana izy ireo, ka nanao hoe:
mba handidy ny Israelita hoe: –Aoka havoaka hiala ny toby avokoa izay rehetra marary hoditra, na voan’ny angatra, na maloto nikasi-paty!
ka niteny taminy hoe: –Voaloton’ny fatin’olona izahay. Koa nahoana no raràna tsy hahazo mitondra ny fanatitray ho an’ny TOMPO amin’ny andro voatondro toy ny Israelita rehetra?
Dia nentina niala tao amin’i Kaiafa i Jesoa ho any an-dapan’ny governora. Mbola maraina be ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-dapa anefa ry zareo manampahefana jiosy mba tsy ho voaloto ary mba ho afa-mihinana ny sakafo Paska.