Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 19:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Haka hisôpa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka izany ao amin’ny rano, dia hofafazany ny lay misy ny maty sy ny fitoeran-javatra rehetra ary ny olona ao; na koa hofafazany rano izay sendra nikasika taolam-paty na olona maty novonoina na olona maty ho azy na fasana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Dia haka hisopa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka azy ao amin’ilay rano ao anaty lovia, dia hafafiny amin’ny tranolay mbamin’ny fanaka rehetra izany, ary koa amin’ny olona izay eo sy amin’ilay nahakasika ny taolana, na amin’izay novonoina na amin’izay matin’aretina na amin’ny fasana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Haka hisôpa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka izany ao amin’ny rano, dia hofafazany ny lay misy ny maty sy ny fitoeran-javatra rehetra ary ny olona ao; na koa hofafazany rano izay sendra nikasika taolam-paty na olona maty novonoina na olona maty ho azy na fasana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ary haka hisopa ny lehilahy madio anankiray ka handroboka azy eo amin’ny rano, dia hamafy izany amin’ny lay sy amin’ny fanaka rehetra, ary amin’ny olona rehetra tao, amin’izay nikasika taolana, na olona novonoina, na faty, na fasana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin’ny rano, dia hafafiny amin’ny lay mbamin’ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin’aretina, na ny fasana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Dia haka hysopa ny lehilahy madio anankiray ka hanoboka azy eo amin'ny rano, dia hafafiny amin'ny lay mbamin'ny fanaka rehetra sy ny olona izay eo ary ilay nikasika ny taolana, na ny novonoina, na ny matin'aretina, na ny fasana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Dia haka hisopa* ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka azy ao amin’ilay rano ao anaty lovia, dia hafafiny amin’ny tranolay mbamin’ny fanaka rehetra izany, ary koa amin’ny olona izay eo sy amin’ilay nahakasika ny taolana, na amin’izay novonoina na amin’izay matin’aretina na amin’ny fasana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 19:18
13 Rohy Ifampitohizana  

Jereo fa meloka aho no teraka, mpanota raha notorontoronina;


Ataovy afa-pahotana tokoa aho, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.


Firenen-kafa maro kosa no ho talanjona ny aminy; ka hitampim-bava eo anatrehany aza ireo mpanjaka, satria izay tsy mbola notantaraina taminy no hitany ary izay tsy mbola reny akory no saintsaininy.


Mba anadiovana ny olona maloto, dia halaina ny lavenon’ilay ombivavy nodorana ho sorona fanalana ny ota ka hatao ao anaty tsangambava izay hasiana ranovelona.


Hofafazan-drano toy izany ilay olona maloto amin’ny andro fahatelo sy fahafito, ka hadio amin’ny otany izy amin’ny andro fahafito. Hanasa ny fitafiany sy hampandro ny tenany izy aorian’izany, dia hadio rehefa hariva.


Hangonin’ny lehilahy madio iray ny lavenon’ilay ombivavy ka hapetrany amin’ny toerana madio iray eo ivelan’ny toby. Hotehirizina ho an’ny fiangonan’ny Israelita ao izany hanomanana ny rano fanadiovana. Izany fombam-pivavahana izany dia tahaka ny sorona fanalana ny ota.


Atokàny ho Anao araka ny hafatra marim-pototra ireo: ny teninao no hafatra marim-pototra.


Ho azy ireo no anokanako tena aminao, mba ho voatokana ho Anao araka ny hafatra marim-pototra koa ireo.


Fa nataon’Andriamanitra tafaray amin’i Kristy ianareo, ka dia i Kristy no fahendrena avy aminy ho antsika: i Kristy no andraisantsika ny fahamarinan’Andriamanitra ary anafahan’Andriamanitra antsika amin’ny fahotana.


vao mainka ny ran’i Kristy no hanadio ny fieritreretantsika; fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay velona mandrakizay no nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra; ka ny rany dia manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ireo asa mitondra fahafatesana, mba hanompoantsika an’ilay Andriamanitra velona.


Fa nolazain’i Mosesy tamin’ny vahoaka manontolo aloha ny didy rehetra araka ny lalàna; avy eo dia nalainy ny ran-janakomby sy ny ran’osilahy nampiana rano, ka nafafiny tamin’ny bokin’ny lalàna sy tamin’ny vahoaka manontolo; ravina hisôpa sy volonondry mena no namafazany izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra