Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 19:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Mba anadiovana ny olona maloto, dia halaina ny lavenon’ilay ombivavy nodorana ho sorona fanalana ny ota ka hatao ao anaty tsangambava izay hasiana ranovelona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Dia hakana ho an’ny voaloto ny lavenon’ilay nodorana ho fanatitra fanadiovana ary hatao eo amin’ny lovia nasiana rano nalaina tamin’ny rano mandeha.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Mba anadiovana ny olona maloto, dia halaina ny lavenon’ilay ombivavy nodorana ho sorona fanalana ny ota ka hatao ao anaty tsangambava izay hasiana ranovelona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Dia hangalana ho an’izay maloto ny lavenon’ny sorona izay nodorana, natao sorom-panonerana, ka hametrahana rano velona eo an-dovia eo amboniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Dia hangalana ho an’ny maloto ny lavenon’ilay nodorana teo ho fanatitra noho ny ota, ary hasiany rano nalaina tamin’ny rano mandeha izany eo am-bilia.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Dia hangalana ho an'ny maloto ny lavenon'ilay nodorana teo ho fanatitra noho ny ota, ary hasiany rano nalaina tamin'ny rano mandeha izany eo am-bilia.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 19:17
11 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro dia nihady lavaka fantsakana tao an-dohasaha ireo mpanompon’i Itsehàka ka nahita loharano velona.


Loharano ao an-jaridaina ianao, dia fantsakana miboiboika ranovelona izay mikoriana avy any Libano.


Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo.


«Amin’izany andro izany, dia hisy loharano mifantsitsitra hanasa ny loto amam-pahotan’ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema.»


Haka hisôpa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka izany ao amin’ny rano, dia hofafazany ny lay misy ny maty sy ny fitoeran-javatra rehetra ary ny olona ao; na koa hofafazany rano izay sendra nikasika taolam-paty na olona maty novonoina na olona maty ho azy na fasana.


Hangonin’ny lehilahy madio iray ny lavenon’ilay ombivavy ka hapetrany amin’ny toerana madio iray eo ivelan’ny toby. Hotehirizina ho an’ny fiangonan’ny Israelita ao izany hanomanana ny rano fanadiovana. Izany fombam-pivavahana izany dia tahaka ny sorona fanalana ny ota.


izany hoe ny zavatra rehetra mahatanty afo, dia sedrao amin’ny afo ho afa-doto, vao atsobohy ao amin’ny rano fanadiovana. Ary izay tsy mahatanty afo kosa dia atsobohy fotsiny ao anaty rano fanadiovana.


ary izay mino Ahy, aoka hisotro! Fa araka ny voalazan’ny Soratra Masina, dia «hisy onin-dranovelona hiboiboika avy ao am-pony!»


Na dia ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ombivavy nodorana aza, rehefa afafy amin’ny olona voaloto, dia manadio azy ho afaka amin’ny fahalotoana ivelany;


Fa ny Zanakondry Izay mipetraka eo afovoan’ny sezafiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharano velona; ary hofafàn’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra