Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 19:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Izay any an-tsaha, ka mandona olona matin-tsabatra na maty ho azy na koa mandona taolam-paty na fasana, dia haloto mandritra ny fito andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin’olona na taolan’olona na fasana, dia haloto hafitoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Izay any an-tsaha, ka mandona olona matin-tsabatra na maty ho azy na koa mandona taolam-paty na fasana, dia haloto mandritra ny fito andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Na iza na iza any an-tsaha, mikasika olona novonoin-tsabatra, na fatin’olona, na taolam-paty, na fasana, dia haloto hafitoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin’olona, na taolan’olona, na fasana, dia haloto hafitoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin'olona, na taolan'olona, na fasana, dia haloto hafitoana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin’olona na taolan’olona na fasana, dia haloto hafitoana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 19:16
12 Rohy Ifampitohizana  

Mialà ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, mialà, mivoaha avy ao Babilôna. Aza mikasika izay maloto, fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!


Ary amin’ny toy izany dia hiandry fito andro aorian’ny fidiovany tena izy vao hahazo hiditra amin’ny raharahany.


Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO mba hamepetra ny mpisorona, zanakalahin’i Aharôna hoe: «Aoka ny mpisorona tsy handoto tena amin’ny fikasihana ny fatin’olona anisan’ny fianakaviany,


«Izay mikasika fatin’olona dia haloto mandritra ny fito andro.


Ny fitoeran-javatra rehetra izay misokatra ka tsy misy sarony mifatotra aminy dia haloto.


Mitobia any ivelan’ny toby mandritra ny fito andro ianareo, dia ianareo izay nahafaty olona na nikasi-paty, ka samia midio amin’ny andro fahatelo sy fahafito, na ny tenanareo na ny zazavavy sambo-belonareo.


mba handidy ny Israelita hoe: –Aoka havoaka hiala ny toby avokoa izay rehetra marary hoditra, na voan’ny angatra, na maloto nikasi-paty!


Mandritra izany fotoana rehetra itokanany tena ho an’ny TOMPO izany koa, dia tsy mahazo manakaiky fatin’olona izy;


Tamin’izay andro izay anefa dia nisy olona sasany voaloton’ny fatin’olona ka tsy nahazo nankalaza ny Paska. Koa dia nankany amin’i Mosesy sy i Aharôna izy androtr’io ihany


Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo ka madio eto ivelany nefa ao anatiny feno taolam-paty sy henika fahalòvana.


Mampalahelo ianareo, fa toy ny fasana tsy misy famantarana ka voahitsakitsaky ny olona tsy ampoiziny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra