Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 19:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Hofafazan-drano toy izany ilay olona maloto amin’ny andro fahatelo sy fahafito, ka hadio amin’ny otany izy amin’ny andro fahafito. Hanasa ny fitafiany sy hampandro ny tenany izy aorian’izany, dia hadio rehefa hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ary ilay madio dia hamafy rano an’ilay voaloto amin’ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany izy amin’ny andro fahafito ka hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano, ary hadio rehefa hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Hofafazan-drano toy izany ilay olona maloto amin’ny andro fahatelo sy fahafito, ka hadio amin’ny otany izy amin’ny andro fahafito. Hanasa ny fitafiany sy hampandro ny tenany izy aorian’izany, dia hadio rehefa hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Ny olona madio no hamafy amin’izay maloto, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, ka hanala ny otany amin’ny andro fahafito. Dia hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano ilay maloto, ka hadio rehefa hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary ny maloto dia hofafazan’ilay olona madio amin’ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany amin’ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano, dia hadio rehefa hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary ny maloto dia hofafazan'ilay olona madio amin'ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany amin'ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin'ny rano, dia hadio rehefa hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ary ilay madio dia hamafy rano an’ilay voaloto amin’ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany izy amin’ny andro fahafito ka hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano, ary hadio rehefa hariva.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 19:19
18 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa vitan’Andriamanitra ny asany, dia nitsahatra tamin’izay rehetra nataony Izy tamin’ny andro fahafito.


Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miverena any amin’ny vahoaka, ka ilazao izy mba hanoman-tena anio sy rahampitso; ary ampanasao azy koa ny fitafiany.


Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo.


Dia hofafazana impito amin’izany ra izany ilay diovina ho afaka amin’ny aretin-kodiny, ka hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary halefany hisidina any an-tsaha ilay vorona velona.


Amin’ny andro fahafito, dia hoharatany avokoa ny volo eo amin’ny tenany, na volon-doha na somotra na manjamaso na volo hafa rehetra; ary hanasa fitafiana izy sady handro amin’ny rano, dia hadio.


Amin’ny andro fahatelo sy fahafito izy no hanadio ny tenany amin’ny rano fanadiovana, dia hadio; fa raha tsy manadio ny tenany amin’ny andro fahatelo sy fahafito kosa izy, dia tsy hadio.


Izay mikasika fatin’olona, nefa tsy manadio ny tenany, dia mandoto ny Fonena-masin’ny Tompo, ka hoesorina tsy ho isan’ny vahoaka Israely. Koa satria tsy nofafazana rano fanadiovana izy, dia haloto; ary mbola hitoetra aminy ihany ny tsy fahadiovany.


Haka hisôpa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka izany ao amin’ny rano, dia hofafazany ny lay misy ny maty sy ny fitoeran-javatra rehetra ary ny olona ao; na koa hofafazany rano izay sendra nikasika taolam-paty na olona maty novonoina na olona maty ho azy na fasana.


Mitobia any ivelan’ny toby mandritra ny fito andro ianareo, dia ianareo izay nahafaty olona na nikasi-paty, ka samia midio amin’ny andro fahatelo sy fahafito, na ny tenanareo na ny zazavavy sambo-belonareo.


Sasao ny fitafianareo amin’ny andro fahafito, dia hadio ianareo ka hahazo miditra ao an-toby amin’izay.


I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.


koa aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy amin’ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin’ny fieritreretana vesaran’ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin’ny rano madio ny tenantsika.


Andriamanitra dia ao amin’ny mazava: ka raha miaina ao amin’ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny karazam-pahotana rehetra.


ny sasany indray, sariho ho afaka amin’ny afo no famonjy azy; ary ny sasany kosa amindrao fo, saingy mitandrema tsara ka ankahalao na dia ny akanjo voaloton’ny maha olona mpanota azy aza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra