Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 9:5 - DIEM PROTESTANTA

5 dia nankalaza ny Paska tany an-taniefitr’i Sinay ireo ny harivan’ny andro faha-14 tamin’ny volana voalohany. Nataon’ny Israelita araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia nitandrina ny Paska tany amin’ny tany efitr’i Sinay izy tamin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana voalohany; araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 dia nankalaza ny Paska tany an-taniefitr’i Sinay ireo ny harivan’ny andro faha-14 tamin’ny volana voalohany. Nataon’ny Israelita araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ka tamin’ny andro faha 14n’ny volana voalohany, tamin’ny àty takariva dia nanao ny Paka tany an’efitra Sinaia izy ireo. Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr’i Sinay izy tamin’ny harivan’ny andro fahefatra ambin’ny folo tamin’ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr'i Sinay izy tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Dia nitandrina ny Paska tany amin’ny tany efitr’i Sinay izy tamin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana voalohany; araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 9:5
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia notanterahin’i Noà izany; ka araka izay rehetra efa nandidian’Andriamanitra azy no nataony.


Dia nataon’i Noà izay rehetra nandidian’ny TOMPO azy.


Dia nanatanteraka araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna ny Israelita rehetra.


Vita ny asa rehetra momba ny fonena-masina na Tranolay fihaonana. Araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanatanterahan’ny Israelita izany.


Notanterahin’ny Israelita ny asa rehetra araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Notanterahin’ny Israelita avokoa izany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tamin’ny Levita izany; dia araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny Levita no nataon’ny Israelita taminy.


Notenenin’i Mosesy ny Israelita mba hankalaza ny Paska;


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo:


Ary amin’izany, ry Agripà mpanjaka, tsy notoheriko ny fahitana avy tany an-danitra.


Tamin’ny taona fahefapolo nialana an’i Ejipta, nony andro voalohan’ny volana faha-11, dia niteny tamin’ny Israelita i Mosesy, araka izay rehetra nodidian’ny TOMPO holazainy aminy.


«Araka izay nandidian’ny TOMPO Andriamanitro ahy, indro ianareo efa nampianariko lalàna amam-pitsipika hotanterahinareo any amin’ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.»


Finoana no naneken’i Abrahama fony izy nantsoin’Andriamanitra hiainga ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova; ka nandao ny tany nahabe izy, nefa tsy fantany izay halehany.


Ary i Mosesy dia nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo, araka ny maha mpanompo azy, ka natao hanambara ny zavatra izay holazain’Andriamanitra amin’ny ho avy.


Dia nitoby tao Gilgala ny Israelita, teo amin’ny tany lemaka akaikin’i Jerikao, ka nankalaza ny Paska fony harivan’ny andro faha-14 tamin’io volana io.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra