Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 9:7 - DIEM PROTESTANTA

7 ka niteny taminy hoe: –Voaloton’ny fatin’olona izahay. Koa nahoana no raràna tsy hahazo mitondra ny fanatitray ho an’ny TOMPO amin’ny andro voatondro toy ny Israelita rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 ka niteny taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay; koa nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ny Zanak’Israely hanolotra ny fanatitra ho an’NY TOMPO amin’ny fotoanany?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 ka niteny taminy hoe: –Voaloton’ny fatin’olona izahay. Koa nahoana no raràna tsy hahazo mitondra ny fanatitray ho an’ny TOMPO amin’ny andro voatondro toy ny Israelita rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 «Voaloto tamim-paty izahay, nahoana izahay no tsy afaka hanolotra ny fanatitray amin’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry, eo afovoan’ny zanak’i Israely?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ny Zanak’Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an’i Jehovah amin’ny fotoany?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin'ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 ka niteny taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay; koa nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ny Zanak’Israely hanolotra ny fanatitra ho an’NY TOMPO amin’ny fotoanany?

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 9:7
7 Rohy Ifampitohizana  

dia hovalianareo hoe: «Sorona atolotra ny TOMPO amin’ny andro Paska io. Fony mbola tany Ejipta manko ny Israelita, dia nanafay ny Ejiptianina ny TOMPO, fa nandalo fotsiny kosa teo anoloan’ny tranonay ka nanafaka ny fianakavianay.» Dia niankohoka ny vahoaka israelita mba hivavaka amin’ny TOMPO.


–Aoka ny Israelita hankalaza ny fetin’ny Paska amin’ny andro voatondro;


Tamin’izay andro izay anefa dia nisy olona sasany voaloton’ny fatin’olona ka tsy nahazo nankalaza ny Paska. Koa dia nankany amin’i Mosesy sy i Aharôna izy androtr’io ihany


Fa hoy i Mosesy tamin’izy ireo: –Andraso aloha mandra-pahafantatro izay andidian’ny TOMPO ny momba anareo.


Koa hatolotrareo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny sorom-pihavanana fanao amin’ny Paska, dia ondry aman’osy na omby, eo amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO mba hipetrahan’ny voninahiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra