Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 9:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Fa hoy i Mosesy tamin’izy ireo: –Andraso aloha mandra-pahafantatro izay andidian’ny TOMPO ny momba anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia hoy i Mosesy taminy: Mijoroa eo aloha fa hanontaniako izay handidian’NY TOMPO ny aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Fa hoy i Mosesy tamin’izy ireo: –Andraso aloha mandra-pahafantatro izay andidian’ny TOMPO ny momba anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Hoy ny navalin’i Môizy azy: «Andraso aloha handrenesako izay handidian’i Iaveh anareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian’i Jehovah ny aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian'i Jehovah ny aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia hoy i Mosesy taminy: Mijoroa eo aloha fa hanontaniako izay handidian’NY TOMPO ny aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 9:8
19 Rohy Ifampitohizana  

Ry mponin’i Joda sy i Jerosalema, tsy ianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara fotsiny, fa ho hitanareo ny hamonjen’ny TOMPO anareo. Aza matahotra na mivadi-po; rahampitso dia miaingà hifanehatra amin’io tafika io, fa ny TOMPO no hiaraka aminareo.»


Ireo mpanaja ny TOMPO no anehoany ny tsiambaratelony, satria ampahafantariny azy tokoa izay raketin’ny fanekempihavanany.


TOMPO ô, asehoy anay ny fitiavanao ka omeo anay ny famonjenao.


Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon’ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana.


Fa namaly an-drafozany i Mosesy hoe: –Satria ireo olona ireo dia tonga atỳ amiko mba hitady ny fitsarana avy amin’Andriamanitra.


Fa avereno aminy ihany izay hambarako anao na hihaino izy na tsy hihaino noho ny di-dohany.


«Ry ilay taranak’olombelona, ataoko mpitily ho an’ny Israelita ianao; koa hohenoinao ny teniko ary hampitainao aminy ny fampitandremana avy amiko.


Dia nambenana io zanakalahin’i Selômita io, mandra-paneho mazava ny baikon’ny TOMPO.


Dia nambenana tsara izy satria tsy mbola tapaka izay sazy hampiharina aminy.


Nentin’i Mosesy teo amin’ny TOMPO ny fitarainan’izy dimy mirahavavy.


ka niteny taminy hoe: –Voaloton’ny fatin’olona izahay. Koa nahoana no raràna tsy hahazo mitondra ny fanatitray ho an’ny TOMPO amin’ny andro voatondro toy ny Israelita rehetra?


Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO


satria ny teny izay nomenao Ahy dia efa nomeko azy ireo ary noraisiny; ka fantany marina fa nivoaka avy any aminao Aho, ary ninoany fa Ianao no naniraka Ahy.


Raha misy olona te hanao ny sitrapon’Andriamanitra, dia hahalala ny amin’ny fampianarako izy, na zavatra avy amin’Andriamanitra izany na zavatra teneniko avy amiko fotsiny.


Tsy nafeniko fa notorîko taminareo avokoa ny fikasan’Andriamanitra.


Fa izao no hafatra noraisiko tamin’ny Tompo ary nampitaiko taminareo: I Jesoa Tompo tamin’ilay alina nanolorana Azy, dia nandray mofo;


Tsy manome tsiny ahy velively ny eritreritro, nefa tsy mahamarina ahy izany fa ny Tompo no mpitsara ahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra