Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 9:8 - Baiboly Katolika

8 Hoy ny navalin’i Môizy azy: «Andraso aloha handrenesako izay handidian’i Iaveh anareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia hoy i Mosesy taminy: Mijoroa eo aloha fa hanontaniako izay handidian’NY TOMPO ny aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Fa hoy i Mosesy tamin’izy ireo: –Andraso aloha mandra-pahafantatro izay andidian’ny TOMPO ny momba anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Fa hoy i Mosesy tamin’izy ireo: –Andraso aloha mandra-pahafantatro izay andidian’ny TOMPO ny momba anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian’i Jehovah ny aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian'i Jehovah ny aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia hoy i Mosesy taminy: Mijoroa eo aloha fa hanontaniako izay handidian’NY TOMPO ny aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 9:8
19 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hisy tokony hiadianareo akory amin’ity, fa tongava dia mijanòna eo, fa ho hitanareo ny famonjena hataon’i Iaveh anareo, ry Jodà sy i Jerosalema. Aza matahotra na manam-badi-po; mivoaha ianareo rahampitso hitsena an’ireo, fa homba anareo i Iaveh.»


Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy. Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany.


Ry Iaveh, asehoy anay ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjenao.


Fa hoy kosa i Môizy tamin’ny vahoaka: «Aza matahotra fa mipetraha tsara eo, ka zahao ny famonjena hataon’i Iaveh aminareo anio; fa ireo Ejiptianina hitanareo anio ireo tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.


Ary hoy i Môizy tamin’ny rafozany: «Ka inona moa fa manatona ahy ny olona hanontany hevitra amin’Andriamanitra.


Lazao aminy ihany ny teniko, na hihaino izy na tsy hihaino; fa mpiodina izy ireo.


«Ry zanak’olona, tendreko ho mpitily eo amin’ny taranak’i Israely ianao, hihaino ny teny haloaky ny vavako ianao; ary hananatra azy ireo amin’ny Anarako.


ka nambenan’ny olona izy mandra-pilaza amin’izy ireo ny tenin’i Iaveh.


Dia nambenana ralehilahy, fa mbola tsy tapaka izay hanaovana azy.


Dia nentin’i Môizy teo anatrehan’i Iaveh ny fitarainan’izy ireo,


«Voaloto tamim-paty izahay, nahoana izahay no tsy afaka hanolotra ny fanatitray amin’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry, eo afovoan’ny zanak’i Israely?»


Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:


satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny; dia fantany marina fa avy aminao Aho, ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy.


Ka raha misy te hanao ny sitrapon’Andriamanitra, dia hahalala na avy amin’Andriamanitra ny fampianarako, na miteny ho Ahy Aho.


satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.


Fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin’ny alina namadihana Azy iny i Jesoa dia nandray mofo,


Satria tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany, fa ny Tompo no mpitsara ahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra