Natsitokotokon’i Davida koa ny levita, araka ny ifandraisany amin’ireo zanakalahin’i Levỳ: dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ.
Nomery 4:4 - DIEM PROTESTANTA Ny miandraikitra ireo fanaka masina indrindra no asan’ny taranak’i Kehàta ao amin’ny Tranolay fihaonana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no ho fanompoan’ny taranak’i Kehata ao amin’ny tranolay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny miandraikitra ireo fanaka masina indrindra no asan’ny taranak’i Kehàta ao amin’ny Tranolay fihaonana. Baiboly Katolika Izao no raharaha hataon’ny taranak’i Kaata ao amin’ny trano lay fihaonana: hitondra ny fanaka masina indrindra izy. Baiboly Protestanta Malagasy Izao no ho fanompoan’ny taranak’i Kehata ao amin’ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra: Malagasy Bible Izao no ho fanompoan'ny taranak'i Kehata ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra: La Bible en Malgache Izao no ho fanompoan’ny taranak’i Kehata ao amin’ny tranolay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra: |
Natsitokotokon’i Davida koa ny levita, araka ny ifandraisany amin’ireo zanakalahin’i Levỳ: dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ.
Ny niainga manaraka dia ny Kehatita nitondra ny fitaovana masina; ny levita sasany dia nanangana ny tranolay mandra-pahatongan’izy ireo.
Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.
Izao no hataonareo aminy mba hahavelona fa tsy hahafaty azy raha manakaiky izay fitaovana masina indrindra izy: i Aharôna sy ny zanany ihany no hametraka azy ireo amin’ny andraikiny sy amin’izay tokony hoentiny avy.
Hisainao ny lehilahy feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, izany hoe ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.
Rehefa hiainga ny Israelita dia ho avy i Aharôna sy ny zanany hanala ny lamba mampisaraka amin’ny Toeramasina ka handrakofany ny Vatamasina misy ny Didy folo;
Fa ny taranak’i Kehàta kosa tsy mba nomeny, satria izy ireo no tompon’andraikitra momba ny fitaovana masina, ka tsy maintsy milanja izany eo an-tsoroka.
Ho tahaka ny amin’ity lehilahy handeha any an-tany hafa izany: nandao ny tranony ralehilahy ary nizara fahefana tamin’ireo mpiasany ka samy notolorany ny raharahany avy, dia nanafatrafatra ny mpiandry vavahady hiambina.