Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 13:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Ho tahaka ny amin’ity lehilahy handeha any an-tany hafa izany: nandao ny tranony ralehilahy ary nizara fahefana tamin’ireo mpiasany ka samy notolorany ny raharahany avy, dia nanafatrafatra ny mpiandry vavahady hiambina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Ho tahaka ny amin’ity lehilahy handeha any an-tany hafa izany: nandao ny tranony ralehilahy ary nizara fahefana tamin’ireo mpiasany ka samy notolorany ny raharahany avy, dia nanafatrafatra ny mpiandry vavahady hiambina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 13:34
17 Rohy Ifampitohizana  

Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakàn’ny lanitra: ka na inona na inona hofehezinao etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona hovahanao etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.


Ny mpiandry no vohan’ny mpiambina vavahady; ary ny ondry mihaino ny feon’ny mpiandry izay miantso ny ondriny araka ny anarany avy sy mamoaka azy.


Izany ihany koa no antony andoavanareo hetra; fa ny mpiasam-panjakana miandraikitra izany dia mpandraharahan’Andriamanitra mitozo amin’io asa io.


Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy ho voahozongozona, hahefa bebe kokoa hatrany eo amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fisasaranareo amin’ny fanompoana ny Tompo.


Eny, fantatrareo fa i Jesoa Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny anjara lova natokana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra; satria ny tena Tompo Izay tompoinareo, dia i Kristy.


Ianareo tompo, ento araka ny rariny sy ny hitsiny ny mpanomponareo; satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.


–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Filadelfia: «Izao no lazain’ilay Masina, ilay Mahatoky, Ilay manana ny fanalahidin’i Davida mpanjaka, Ilay mamoha ka tsy hisy hanidy ary manidy ka tsy hisy hamoha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra