Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 4:4 - Baiboly Katolika

4 Izao no raharaha hataon’ny taranak’i Kaata ao amin’ny trano lay fihaonana: hitondra ny fanaka masina indrindra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Izao no ho fanompoan’ny taranak’i Kehata ao amin’ny tranolay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra:

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Ny miandraikitra ireo fanaka masina indrindra no asan’ny taranak’i Kehàta ao amin’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ny miandraikitra ireo fanaka masina indrindra no asan’ny taranak’i Kehàta ao amin’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Izao no ho fanompoan’ny taranak’i Kehata ao amin’ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Izao no ho fanompoan'ny taranak'i Kehata ao amin'ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Izao no ho fanompoan’ny taranak’i Kehata ao amin’ny tranolay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra:

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 4:4
11 Rohy Ifampitohizana  

Nozarain’i Davida ho antokony araka ny zanak’i Levỳ izy ireo dia: i Gersôna, i Kaata, i Merarỳ.


Niainga ny Kaatita mitondra ny zavatra masina, ka mandra-pahatongany, dia atsangana ny Fonenana.


Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.


Izao no ataovy amin’izy ireo, mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: i Aarôna sy ny zanany ihany no hiditra, dia hanome azy ireo ny anjara raharaha sy anjara entany tsirairay avy,


Izao no fanompoana hataon’ny fokon’ny Gersônita, dia ny anjara raharahany sy ny anjara entany:


hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra ka hatramin’ny dimampolo taona; dia izay rehetra voatendry hanao fanompoana hahavita raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.


ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin’ny dimampolo taona no hisainao, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.


Rehefa hifindra lasy, dia i Aarôna sy ny zanany aloha no ho avy hampidina ny lamba fanakonana, ka ny fiaran’ny vavolombelona, dia hosaronany amin’io;


Fa tsy nomeny kosa ny taranak’i Kaata, satria ny fanaka masina no anjara fanompoany, ka tsy maintsy lanjainy an-tsoroka.


tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra