Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 4:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Izao no hataonareo aminy mba hahavelona fa tsy hahafaty azy raha manakaiky izay fitaovana masina indrindra izy: i Aharôna sy ny zanany ihany no hametraka azy ireo amin’ny andraikiny sy amin’izay tokony hoentiny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Izao no hataonareo aminy mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: I Arona sy ireo zanany no ho avy ka hanendry ny olona samy ho amin’izay fanompoany sy ny asany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Izao no hataonareo aminy mba hahavelona fa tsy hahafaty azy raha manakaiky izay fitaovana masina indrindra izy: i Aharôna sy ny zanany ihany no hametraka azy ireo amin’ny andraikiny sy amin’izay tokony hoentiny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Izao no ataovy amin’izy ireo, mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: i Aarôna sy ny zanany ihany no hiditra, dia hanome azy ireo ny anjara raharaha sy anjara entany tsirairay avy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Arona sy ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin’ny fanompoany avy sy amin’ny entany avy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin'ny fanompoany avy sy amin'ny entany avy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Izao no hataonareo aminy mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: I Arona sy ireo zanany no ho avy ka hanendry ny olona samy ho amin’izay fanompoany sy ny asany avy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 4:19
6 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga teo akaikin’ny famoloan’i Nakôna izy ireo, dia naninji-tanana hihazona ny Vatamasina i Hozà satria saika hazeran’ny omby io.


Ary hoy ny TOMPO taminy: –Ndeha midina ianao hampitandrina ny vahoaka fandrao hirohotra hijery AHY izy ka ho maro no ho faty aminy.


Rehefa hiainga kosa ny Fonena-masina, dia ny Levita no hangorona azy; ary rehefa hijanona ny Fonena-masina, dia ny Levita no hanangana azy. Fa izay olon-kafa mitady hanatona eo dia hatao maty.


hanompo anao sy hikarakara ny Tranolay manontolo izy, nefa tsy hanakaiky ny fanaky ny Toeramasina sy ny alitara fandrao maty na ny tenany na ny tenanareo.


Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.


–Tandremo izay tsy hahafongotra ny tariky ny Kehatita tsy ho isan’ny Levita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra