Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 20:4 - DIEM PROTESTANTA

Fa nahoana no nentinareo atỳ an-taniefitra izahay fiangonan’ny TOMPO? Mba hahafaty anay sy ny biby fiompinay atỳ ve?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’NY TOMPO ho amin’ity tany efitra ity ianareo mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa nahoana no nentinareo atỳ an-taniefitra izahay fiangonan’ny TOMPO? Mba hahafaty anay sy ny biby fiompinay atỳ ve?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ahoana re no dia nitondranareo ny fiangonan’i Iaveh amin’ity efitra ity, mba hahafatesanay ato, izahay sy ny biby fiompinay?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’i Jehovah ho amin’ity efitra ity hianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa nahoana no nitondra ny fiangonan'i Jehovah ho amin'ity efitra ity ianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’NY TOMPO ho amin’ity tany efitra ity ianareo mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?

Jereo ny toko



Nomery 20:4
13 Rohy Ifampitohizana  

Hadinony Andriamanitra mpamonjy azy, Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,


ka nanao taminy hoe: –Inay anie izahay mba novonoin’ny Tompo ho faty tany Ejipta, fony izahay nanodidina ny vilanin-kena iny, ka nihinana araka izay lany! Fa izao dia nentinareo ho faty noana atỳ an-taniefitra atỳ izahay rehetra!


Fa rehefa main’ny hetaheta mafy ny vahoaka, dia nimonomonona tamin’i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Nahoana moa ianao no nampiakatra anay niala tany Ejipta? Moa ny hahatonga anay ho fatin-ketaheta eto miaraka amin’ny zanakay sy ny bibinay ve?


ka hoy ireto mpitandrin-draharaha tamin’izy mirahalahy: –Aoka ho hitan’ny TOMPO izao nataonareo izao ka hanamelohany anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra tamin’ny Farao sy ny tandapany izahay; eny, nasianareo sabatra eny an-tanan’ireo mba hamonoany anay!


fa iray volana maninjitra manda-pahafeno hatreny am-bavoronareo ka hampaharikoriko anareo. Ho sazinareo izany noho ny nandavanareo ny TOMPO Izay eo aminareo sy ny nitomanianareo teo anatrehany hoe: ‹Nahoana re no niala tany Ejipta izahay?› »


Tsaroanay ny trondro nohanina maimaimpoana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe, ny tongolo isan-karazany.


Nimonomonona tamin’i Mosesy sy I Aharôna ny Israelita rehetra ka nanao hoe: –Tsara kokoa ho antsika ny maty tany Ejipta na koa maty tatỳ an-taniefitra.


Io ilay Mosesy nolavin’ny Israelita ka nataony hoe: «Iza no nanendry anao ho mpifehy sy ho mpitsara anay?», kanefa nirahin’Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nombàn’ny herin’ilay anjely niseho taminy tanatin’ny roimemy.


Fa raha niakatra avy tany Ejipta ireo, dia namakivaky ny taniefitra hatreo amin’ny Ranomasin’ny Volotara ary nankany Kadesy.