Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 11:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Tsaroanay ny trondro nohanina maimaimpoana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe, ny tongolo isan-karazany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay maimaimpoana tany Ejipta mbamin’ny voatango, ny tongolo ravina, ny tongolo ejipta sy ny tongolo lay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Tsaroanay ny trondro nohanina maimaimpoana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe, ny tongolo isan-karazany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Tsaroanay izany hazandrano, nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe sy ny tongolon-kova.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay, maimaimpoana tany Egypta mbamin’ny voatango sy tongolo samy hafa karazana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin'ny voatango sy tongolo samy hafa karazana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay maimaimpoana tany Ejipta mbamin’ny voatango, ny tongolo ravina, ny tongolo ejipta sy ny tongolo lay.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 11:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Aoka ny sandrinao, TOMPO ô, handroaka azy mba tsy ho eo amin’ny velona intsony fa izany no natao ho anjarany etoana. Ampigohy azy ny mafaitra tahirizinao ho azy; ny zanany koa anie hisotro amin’izany ka hamela ny sisa ho an’ny zafikeliny!


ka nanao taminy hoe: –Inay anie izahay mba novonoin’ny Tompo ho faty tany Ejipta, fony izahay nanodidina ny vilanin-kena iny, ka nihinana araka izay lany! Fa izao dia nentinareo ho faty noana atỳ an-taniefitra atỳ izahay rehetra!


I Jerosalema irery sisa no hany tafajoro, toy ny tranotomboka ao anaty tanimboaloboka, sy toy ny kitranotrano rantsan-kazo ao anaty tanimbolin-kôkômbra, ary toy ny tanàna efa atao fahirano.


fa handeha any Ejipta mba tsy hahita ady sy tsy handre ny feon’ny anjomara ary tsy ho faty mosary intsony, dia hipetraka any!


Nefa hatramin’izay tsy nanoloranay fanatitra zava-manitra mifangaro sy divay ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra izay, dia tsy manana na inona na inona intsony izahay sady matin’ny ady sy ny mosary.


Nimonomonona tamin’i Mosesy sy I Aharôna ny Israelita rehetra ka nanao hoe: –Tsara kokoa ho antsika ny maty tany Ejipta na koa maty tatỳ an-taniefitra.


Fahaverezana no hiafaran’ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra