Eksodosy 16:3 - DIEM PROTESTANTA3 ka nanao taminy hoe: –Inay anie izahay mba novonoin’ny Tompo ho faty tany Ejipta, fony izahay nanodidina ny vilanin-kena iny, ka nihinana araka izay lany! Fa izao dia nentinareo ho faty noana atỳ an-taniefitra atỳ izahay rehetra! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20113 ka hoy izy ireo: Inay anie izahay mba matin’ny tanan’NY TOMPO tany amin’ny tany Ejipta, raha nipetraka teo anilan’ny vilany fahandroan-kena mba nihinan-kanina ka voky! Fa nitondra anay nivoaka ho atỳ amin’ity tany efitra ity ianareo hahafaty mosary izao fiangonana manontolo izao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara3 ka nanao taminy hoe: –Inay anie izahay mba novonoin’ny Tompo ho faty tany Ejipta, fony izahay nanodidina ny vilanin-kena iny, ka nihinana araka izay lany! Fa izao dia nentinareo ho faty noana atỳ an-taniefitra atỳ izahay rehetra! Jereo ny tokoBaiboly Katolika3 Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe: «Inay anie izahay mba matin’ny tanan’i Iaveh tany an-tany Ejipta, raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandrapahavoky iny izahay; fa izao kosa nentinareo atỳ an’efitra izahay mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy3 ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin’ny tànan’i Jehovah tany amin’ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan’ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho atỳ an-efitra hianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao. Jereo ny tokoMalagasy Bible3 ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin'ny tànan'i Jehovah tany amin'ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan'ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho atỳ an-efitra ianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache3 ka hoy izy ireo: Inay anie izahay mba matin’ny tanan’NY TOMPO tany amin’ny tany Ejipta, raha nipetraka teo anilan’ny vilany fahandroan-kena mba nihinan-kanina ka voky! Fa nitondra anay nivoaka ho atỳ amin’ity tany efitra ity ianareo hahafaty mosary izao fiangonana manontolo izao. Jereo ny toko |
Fa ny zavatra rehetra efa tapakay ihany no hataonay: dia ny hanolotra zava-manitra mifangaro sy divay ho an’ny andriamanibavy Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra, tahaka izay efa nataon’ny tenanay sy ny ray aman-dreninay sy ny mpanjakanay ary ireo mpitondra anay tany amin’ireo tanànan’i Joda sy teny amin’ny lalamben’i Jerosalema; fa voky hanina izahay tamin’izany sady nambinina ary tsy nidiran-doza.