Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 20:3 - DIEM PROTESTANTA

3 ka nilany ady i Mosesy ka nataony hoe: –Raha mba maty tamin’ny nahafatesan’ny mpiray firenena aminay teo anatrehan’ny TOMPO manko izahay!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Nila ady tamin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Tahaka izay izahay mba maty tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’NY TOMPO!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 ka nilany ady i Mosesy ka nataony hoe: –Raha mba maty tamin’ny nahafatesan’ny mpiray firenena aminay teo anatrehan’ny TOMPO manko izahay!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Nifanditra tamin’i Môizy ny vahoaka, ka nanao hoe: «Inay anie izahay mba maty, tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’i Iaveh!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Dia nila ady tamin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’i Jehovah!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin'ny nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'i Jehovah!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Nila ady tamin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Tahaka izay izahay mba maty tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’NY TOMPO!

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 20:3
13 Rohy Ifampitohizana  

izay tofoka loatra tamin’ny nafitsok’ireo ka nahavoaka teny tsy voahevitra.


niteny ratsy an’Andriamanitra ireo, raha nanao fanontaniana hoe: «Andriamanitra ve afaka hanome sakafo hohanintsika atỳ an-taniefitra atỳ?


Dia nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita ka nanao taminy hoe: –Omeo rano hosotroina izahay! Fa nanontany azy ireo i Mosesy hoe: –Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy ny TOMPO ianareo?


Aleo lavitra aza matin-tsabatra toy izay matin’ny mosary sy mitofezaky ny harerahana satria tsy misy vokatry ny saha.


Indray andro dia nanao fitarainana tamin’ny TOMPO ireo Israelita. Rehefa nahare izany ny TOMPO, dia tezitra mafy ary nandefa ny afony ka nandoro ny vahoaka sy nandevona ny sisin’ny toby.


Fa nahoana isika no nentin’ny TOMPO ho lavon-tsabatra amin’ny tany toy izany? Ho lasan-ko babo avokoa ny vady aman-janatsika; koa tsy aleontsika ve miverina indray any Ejipta?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra