Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 20:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Rehefa tsy nisy intsony ny rano ho an’ny fiangonana, dia nitangoronany i Mosesy sy i Aharôna

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary tsy nisy rano ho an’ny fiangonana ka nitangorona mba hikomy tamin’i Mosesy sy i Arona izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Rehefa tsy nisy intsony ny rano ho an’ny fiangonana, dia nitangoronany i Mosesy sy i Aharôna

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Noho ny tsy fisian’ny rano ho an’ny fiangonana, dia nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary tsy nisy rano ho an’ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin’i Mosesy sy Arona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary tsy nisy rano ho an'ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin'i Mosesy sy Arona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary tsy nisy rano ho an’ny fiangonana ka nitangorona mba hikomy tamin’i Mosesy sy i Arona izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 20:2
14 Rohy Ifampitohizana  

Nampahatezitra ny Tompo koa ny razanay teo akaikin’ny loharanon’i Meribà, ka nampahita faisana an’i Mosesy


–Reko ny fimonomononan’ny Israelita. Ilazao izy ireo hoe: Anio hariva dia hihinan-kena ianareo, ary rahampitso maraina dia ho voky mofo ianareo; amin’izay dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.


Nimonomonona tamin’i Mosesy sy i Aharôna tany an-taniefitra ny fiangonana Israelita tsivakivolo,


Nimonomonona tamin’i Mosesy sy I Aharôna ny Israelita rehetra ka nanao hoe: –Tsara kokoa ho antsika ny maty tany Ejipta na koa maty tatỳ an-taniefitra.


Koa aza mikomy amin’ny Tompo ianareo; ary aza matahotra ny mponin’io tany io, fa tsy misy hataontsika indraim-bava akory ireo. Efa niala taminy ireo andriamanitra fiarovany, fa ny Tompo kosa momba antsika; koa aza matahotra azy ireny ianareo.


Novorin’i Kôra ny fiangonana manontolo hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana mba hanohitra azy roa lahy. Dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry ny TOMPO;


Nitangorona nanodidina an’i Mosesy sy i Aharôna izy ireo ka nanao taminy hoe: –Ampy ho anareo izay, fa masina avokoa ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana sady eo afovoany ny TOMPO. Nahoana ianareo no mihevi-tena ho ambonin’ny mambra hafa ao amin’ny fiangonan’ny TOMPO?


Koa nanomboka nanakiana an’Andriamanitra sy i Mosesy ny olona nanao hoe: –Nahoana no nentinareo niala tany Ejipta mba ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Atỳ anefa tsy misy na mofo na rano, ary efa leon’itony mofomofo ratsy na hoe mana itony izahay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra