Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 20:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Tonga tao amin’ny taniefitr’i Tsina ny fiangonan’i Israely iray manontolo tamin’ny volana voalohany; ary nijanona tao Kadesy ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Miriama sady nandevenana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Tamin’ny volana voalohany dia tonga tao an-tany efitra Zina ny Zanak’Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Maty tao i Miriama ka nalevina tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tonga tao amin’ny taniefitr’i Tsina ny fiangonan’i Israely iray manontolo tamin’ny volana voalohany; ary nijanona tao Kadesy ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Miriama sady nandevenana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Tonga tao amin’ny efitra Sina, tamin’ny volana voalohany, ny zanak’i Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Maria sy nandevenana azy. Fa ny hany teo akaikin’ny Fiara, dia ny Levita sy Hebrio sasantsasany ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY tamin’ny volana voalohany dia tonga tao an-efitra Zina ny Zanak’Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary tamin'ny volana voalohany tonga tao an-efitra Zina ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra; ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Ary maty tao Miriama ka nalevina tao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Tamin’ny volana voalohany dia tonga tao an-tany efitra Zina ny Zanak’Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Maty tao i Miriama ka nalevina tao.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 20:1
23 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia niverina ho any Haîna-Mispata na hoe Kadesy izy ireo, ka namely izay rehetra teny an-tsahan’ny Hamalekita mbamin’ireo Amôrita izay nonina tao Hatsetsôna-Tamara.


Mampihovotra ny taniefitra ny feon’ny TOMPO; eny, ny TOMPO no mampihovotra ny taniefitr’i Kedesa.


Naka ampongatapaka i Miriama, mpaminanivavy anabavin’i Aharôna, ary lasa nanaraka azy avokoa ny vehivavy israelita rehetra ka nitondra ampongatapaka sady nandihy.


Nijanona lavidavitra ny anabaviny mba hijery izay hanjo azy.


Fa niteny tamin’ny zanakavavin’ny Farao kosa ilay anabaviny nanao hoe: –Handeha hiantso vehivavy mpitaiza ho anao amin’ny vehivavy hebreo ve aho mba hitaiza ny zaza ho anao?


Ny sisin-tany atsimo dia hiainga eo Tamara ka hipaka hatrany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy, ary hanaraka ny ranon-driakan’i Ejipta ka hipaka eo amin’ny Ranomasina Mediteranea. Izay no sisin-tany atsimo.


Fa nampiakariko avy tany Ejipta ianareo ary nafahako avy tamin’ny fanandevozana, ka nirahiko hitarika anareo i Mosesy sy i Aharôna ary i Miriama.


Nanome tsiny an’i Mosesy i Miriama sy i Aharôna noho ny nanambadiany vehivavy kosita, fa nampakatra vehivavy kosita tokoa izy.


Rehefa nisandratra ho eo ambonin’ny Tranolay ny rahona, dia indro feno pentina fotsy toa oram-panala i Miriama fa boka. Nijery azy i Aharôna ka nahita fa boka ny anabaviny.


Dia navahana tany ivelan’ny toby nandritra ny herinandro i Miriama, ary tsy niainga ny Israelita, raha tsy efa nandray ny toerany indray izy.


Dia niakatra izy ireo ka nisafo ny tany nanomboka teo amin’ny taniefitr’i Tsina ka hatrany Rehôba akaikin’i Lebô-Hamata.


Nankeo amin’i Mosesy sy i Aharôna ary ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tao an-taniefitr’i Paràna any Kadesy izy ireo, ka nanao tatitra tamin’ny besinimaro ary nampiseho azy ny vokatry ny tany.


Nitaraina tamin’ny TOMPO izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka anjely hamoaka anay avy tany Ejipta. Ary indreto izahay ankehitriny eto Kadesy, tanàna ao amin’ny faritry ny taninao.


Dia niala tao Kadesy ny fiangonan’i Israely iray manontolo ka tonga tao amin’ny tendrombohitra Hôra,


Nesorin’i Mosesy ny akanjo fisoronana teny amin’i Aharôna ka nampanaovina an’i Elehazara zanany; ary maty teo an-tampon’ny tendrombohitra i Aharôna. Avy eo i Mosesy sy i Elehazara dia nidina ny tendrombohitra.


izay nanambady an’i Jôkebeda zanakavavy naterak’i Levỳ tany Ejipta. Io Jôkebeda io no nanome zanaka telo an’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy mirahalahy ary i Miriama anabaviny.


Fa tsy nankatò ny didiko ianareo mirahalahy tany an-taniefitr’i Tsina, raha nila ady tamiko ny fiangonana; tsy naneho ny fahamasinako teo anatrehany manko ianareo, fony nitaky rano tamiko izy. Ny amin’ny ranon’i Meribà tany Kadesy, tao an-taniefitr’i Tsina, no lazaina etoana.


niala teo Hetsiôna-Gebera, dia nitoby tany an-taniefitr’i Tsina, izany hoe tao Kadesy;


Ary nitoetra ela tao Kadesy-Barnea ianareo, araka izay fotoana tokony ho nitoeranareo tao.


Naharitra 38 taona ny diantsika niainga hatreo Kadesy-Barnea ka hatramin’ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zahareda, izany hoe mandra-pahalany ritra tsy hisy eo an-toby intsony ny mpiantafika rehetra tamin’izany taranaka izany, araka izay efa nianianan’ny TOMPO taminy.


Ianao sy i Aharôna manko dia diso tamiko teo anatrehan’ny Israelita, teo amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy, tao an-taniefitra Tsina; tamin’izay no tsy nanehoanareo ny fahamasinako teo anatrehan’ny Israelita.


Fa raha niakatra avy tany Ejipta ireo, dia namakivaky ny taniefitra hatreo amin’ny Ranomasin’ny Volotara ary nankany Kadesy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra