I Hozià tamin’ny andro niainan’i Zakarià izay nampianatra azy hanaja an’Andriamanitra, dia nivavaka tokoa tamin’ny TOMPO Andriamanitra sady nomeny fanambinana.
Nehemia 2:20 - DIEM PROTESTANTA Izao kosa no valin-teny nasetriko azy: –Ilay Andriamanitry ny lanitra mihitsy no hanambina anay; ka dia hirotsaka hanorina ny tanàna indray izahay mpanompony. Ianareo kosa tsy manana anjara na zo na fahatsiarovana akory atỳ Jerosalema! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia namaly azy aho hoe: Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay ka hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa ianareo dia tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao kosa no valin-teny nasetriko azy: –Ilay Andriamanitry ny lanitra mihitsy no hanambina anay; ka dia hirotsaka hanorina ny tanàna indray izahay mpanompony. Ianareo kosa tsy manana anjara na zo na fahatsiarovana akory atỳ Jerosalema! Baiboly Katolika Fa namaly azy aho, ka nanao taminy hoe: «Ny Andriamanitry ny lanitra no hanambina anay, ka dia hitsangan-kanorina izahay mpanompony; ary raha ianareo, dia tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema ianareo.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia namaly azy aho ka nanao taminy hoe: Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa hianareo tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema. Malagasy Bible Dia namaly azy aho ka nanao taminy hoe: Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa ianareo tsy manana anjara. na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema. La Bible en Malgache Dia namaly azy aho hoe: Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay ka hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa ianareo dia tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema. |
I Hozià tamin’ny andro niainan’i Zakarià izay nampianatra azy hanaja an’Andriamanitra, dia nivavaka tokoa tamin’ny TOMPO Andriamanitra sady nomeny fanambinana.
Fa i Zerobabela sy i Jesoa mbamin’ireo namany loham-pianakaviana israelita kosa namaly azy hoe: –Tsy misy ilànay anareo amin’ny fanorenana trano ho an’ilay Andriamanitray; fa izahay ihany no hanorin-trano ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, araka ny didy efa navoakan’i Kirôsa amperôran’i Persia.
Rehefa nandre izany vaovao izany aho, dia nipetraka nitomany sy niferinaina andro maromaro sady nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra
Dia hoy ny amperôra tamiko: –Inona àry no angatahinao? Nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho aloha,
«Ny olona rehetra, hatramin’ny mpanompon’ny amperôra sy sarambabem-bahoaka any amin’ny faritany aza, dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ny amperôra ho eo an-kianja anatin’ny lapa, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia lalàna tokana manameloka ho faty no mihatra aminy; izay hotondroin’ny amperôra amin’ny tehim-bolamena ihany no ho velona. Izaho kosa efa telopolo andro izay no tsy nantsoina hankao amin’ny mpanjaka.»
Fa izay tia ny hahazoako rariny dia aoka hanao horakora-pifaliana sy ho falifaly hivolan-dava hoe: «Lehibe tokoa ny TOMPO, fa ny hiadanan’ny mpanompony no zavatra tiany!»
Tsy ny sorona amam-panatitra no ho sitrakao; raha izany, dia nomeko ihany Ianao. Na ny sorona dorana manontolo aza dia tsy hahafaly Anao akory.
«Amin’izay, rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina i Aharôna, dia hitondra eny an-tratrany ny saron-tratra fitsarana misy ny anaran’ny fokon’i Israely; ka Izaho TOMPO amin’izay dia tsy hanadino anareo na oviana na oviana.
Tsara ny manaraka ireo torohevitra roa ireo, fa izay manaja an’Andriamanitra no hiala amin’ny toetra mihoa-pampana.
dia hanokanako takela-bato misy ny anarany eo amin’ny rindrin’ny tempoliko. Izany no tsara kokoa ho azy noho ny zanakalahy sy zanakavavy maro. Hampitoeriko eo mandrakizay ny anarany ka tsy hisy na inona na inona hahakosoka azy.»
Hoentiny ho amin’ireo mpisorona taranak’i Aharôna izany; dia handraoka eran-tanan’ila amin’ny lafarinina voararaka menaka sy handraoka manontolo ny vovoka zava-manitra ireo, ka handoro izany fanati-pahatsiarovana izany hanetona eo ambonin’ny alitara. Fanatitra levonina amin’ny afo izany ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.
Hasianao vovoka zava-manitra madio eo ambonin’ny isan’antonta; dia izany vovoka zava-manitra izany no hatao solon’ny mofo ka holevonina amin’ny afo mba ho fanati-pahatsiarovana ho AHY.
Ary hijanona eo amin’ny tempolin’ny TOMPO ilay satroboninahitra ho fampahatsiarovana an’i Helday sy i Tôbià ary i Jedahià, ary koa ho fampahatsiarovana ny fahalalaham-pon’ilay zanakalahin’i Tsefanià.
Ary amin’ny andro fety sy ny andro fifaliana ary amin’ny andro voalohan’ny volana dia hotsofinareo ny trômpetra, rehefa manao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ianareo. Hataonareo izany ho fampahatsiarovana Ahy Andriamanitrareo hitsimbinako anareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»
ka nilaza tamiko hoe: «Ry Kôrnely, nohenoin’Andriamanitra ny vavakao ary notsarovany koa ny fiantrana vitanao.
Nibanjina an’ilay anjely i Kôrnely ka raiki-tahotra sady nanao hoe: –Ahoana izay, tompoko? Dia hoy ny anjely taminy: –Tafakatra any amin’Andriamanitra ny vavaka sy ny fiantrana vitanao, ka ahatsiarovany anao.
Tsy misy anjaranao na lovanao amin’ity raharaha ity satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra ianao.